Loha Hevitra ato Anatiny
FIZARANA 1 NAHOANA IANAO NO TOKONY HIVERINA AMIN’I JEHOVAH?
Niatrika zava-tsarotra mitovy amin’ny antsika ny vahoakan’i Jehovah fahiny. Niezaka nanampy azy ireo i Jehovah, ary mampanantena fa hanampy antsika koa. Mpiandry be fitiavana izy ka mitady izay ondriny very ary manasa azy ireo hiverina aminy.
Fizarana 1 “Ny Very Hotadiaviko”
FIZARANA 2-4 NAHOANA NO TSY MORA NY MIVERINA?
Na dia ireo mpanompon’i Jehovah tsy nivadika aza, dia niady saina sy nanamelo-tena ary nalahelo mafy noho ny nataon’ny hafa indraindray. Nisy vokany teo amin’ny fanompoan’izy ireo izany. Jereo ny nanampian’i Jehovah azy ireo mba ho tafarina sy hiverina hiaraka amin’ny vahoakany ary ho faly indray.
Fizarana 2 Miady saina: “Voageja Amin’ny Lafiny Rehetra”
Fizarana 3 Nisy nanafintohina: “Manana Antony Hitarainana”
Fizarana 4 Manamelo-tena: “Diovy Aho ho Afaka Amin’ny Fahotako”
FIZARANA 5 INONA NO AZO ATAO MBA HIVERENANA AMIN’I JEHOVAH?
Hodinihintsika ato hoe inona no mampiseho fa tian’i Jehovah hiverina aminy ianao. Ho hitantsika ato koa hoe inona no nataon’ny Kristianina maro mba hiverenana amin’i Jehovah, ahoana no nandraisan’ny fiangonana azy ireo, ary ahoana no nanampian’ny anti-panahy azy ireo mba hazoto amin’ny fanompoana indray.
Fizarana 5 ‘Miverena Amin’ilay Mpiandry sy Mpiandraikitra Anao’