FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 23
  • Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2020
  • Fanjakan’Andriamanitra
    Mifohaza!—2013
  • Aoka Ianao Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Tany Paradisa
    Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?
  • Aorian’ny Haramagedona, paradisa an-tany
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 23
Sarina Paradisa

Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?

Valiny ara-baiboly

Ny Fanjakan’Andriamanitra no hisolo ny fitondram-panjakan’olombelona rehetra sy hitondra ny tany manontolo. (Daniela 2:44; Apokalypsy 16:14) Rehefa tanteraka izany dia izao avy no hataony:

  • Hesoriny ny ratsy fanahy satria tia tena ka mampijaly ny olon-drehetra. “Fa ny ratsy fanahy kosa ho ringana tsy ho amin’ny tany.”—Ohabolana 2:22.

  • Hofaranany ny ady rehetra. “Mampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany” Andriamanitra.—Salamo 46:9.

  • Hampanjakainy ny fiadanana sy ny filaminana. “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hampangovitra azy.”—Mika 4:4.

  • Hovany ho paradisa ny tany. “Hifaly ny tany efitra sy ny faritra karakaina, ary hiravoravo ny lemaka karakaina sady hamony toy ny voninkazo safrona.”—Isaia 35:1.

  • Homeny asa mahafinaritra sy mahafa-po ny rehetra. “Hanaram-po amin’ny asan’ny tanany ny [olom-boafidin’Andriamanitra]. Tsy ho very maina ny fisasarany.”—Isaia 65:21-23.

  • Hofoanany ny aretina. “Tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’”—Isaia 33:24.

  • Hataony tsy mihantitra intsony isika. “Aoka ny nofony ho tsara noho ny an’ny tanora, ary aoka hiverina aminy indray ny heriny tamin’ny fahatanorany.”—Joba 33:25.

  • Hatsangany ny maty. “Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny [feon’i Jesosy], dia hivoaka izy ireo.”—Jaona 5:28, 29.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara