FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Betsileo
  • Androany

Alatsinainy 27 Oktobra

Tokony ho tia ny vadiny ny lehilahy, hoatran’ny itiavany ny tenany.​—Efes. 5:28.

Manantena i Jehovah hoe ho tia ny vadiny ny lehilahy dia hamelona azy, sy ho namana tsara ho azy, ary hanampy azy hatanjaka ara-panahy foana. Hanampy anao ho vady tsara koa ny miezaka hahay hisaina sy hanaja vehivavy ary ho azo ianteherana. Mety ho lasa dada ianao rehefa manambady. Inona no azonao ianarana avy amin’i Jehovah, raha te hahay hitaiza ianao? (Efes. 6:4) I Jehovah, ohatra, tsy nisalasala nilaza tamin’i Jesosy Zanany hoe tiany izy ary nankasitrahany. (Mat. 3:17) Raha lasa dada àry ianao, dia omeo toky foana ny zanakao hoe tianao ry zareo. Derao foana koa ry zareo amin’izay zavatra tsara ataony. Manampy ny zanany ho lasa lehilahy sy vehivavy kristianina matotra ny raim-pianakaviana manahaka an’i Jehovah. Afaka miomana ho amin’izany andraikitra izany ianao dieny izao. Ahoana no atao? Miezaha ho be fitiavana rehefa mikarakara ny olona ao amin’ny fianakavianao sy ny fiangonana, dia mianara mampiseho fitiavana sy fankasitrahana an-dry zareo.​—Jaona 15:9. w23.12 28-29 § 17-18

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Talata 28 Oktobra

[I Jehovah] no mahatonga anao hilamina sy tsy hitebiteby.​—Isaia 33:6.

Na dia manompo an’i Jehovah sy tsy mivadika aminy aza isika, dia mbola miatrika zava-tsarotra sy marary hoatran’ny rehetra ihany. Mety hanohitra na hanenjika antsika koa ny olona mankahala ny vahoakan’Andriamanitra. Marina hoe tsy miaro antsika amin’ireny i Jehovah, nefa mampanantena izy fa hanampy antsika. (Isaia 41:10) Hahavita ho faly foana sy handray fanapahan-kevitra tsara ary tsy hivadika aminy isika rehefa ampiany, na dia ao anatin’ny mangidy indrindra aza. Mampanantena i Jehovah fa hanome antsika an’ilay antsoin’ny Baiboly hoe “ny fiadanan’Andriamanitra.” (Fil. 4:6, 7) Tony sy milamina ny fo sy ny sain’ny olona manana azy io, noho izy mifandray tsara amin’i Jehovah. “Mihoatra lavitra noho izay rehetra takatry ny sain’olombelona” io fiadanana io, izany hoe tsara lavitra noho izay eritreretintsika. Efa nisy fotoana ve ianao gaga be satria tony rehefa avy nivavaka mafy tamin’i Jehovah? Izay tsapanao izay ilay “fiadanan’Andriamanitra.” w24.01 20 § 2; 21 § 4

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alarobia 29 Oktobra

Hidera an’i Jehovah aho! Aoka hidera ny anarany masina ny tenako manontolo.​—Sal. 103:1.

Tia an’Andriamanitra ny olona tsy mivadika, ka te hidera ny anarany amin’ny fo manontolo. Fantatr’i Davida Mpanjaka hoe midera an’i Jehovah ihany izy rehefa midera ny anarany. Tafiditra amin’ny anaran’ i Jehovah ny lazany, ka mampahatsiahy antsika an’ireo toetra tsarany rehetra sy ny zavatra mahatalanjona nataony. Te hanamasina ny anaran’ny Rainy i Davida, sady te hidera azy io. Te hanao an’izany tamin’ny ‘tenany manontolo’ izy, izany hoe tamin’ny fony manontolo. Nitarika ny fiderana an’i Jehovah koa ny Levita. Nanetry tena izy ireo dia niaiky hoe tsy misy teny tena mahalaza ny fiderana mendrika ny anarana masin’i Jehovah. (Neh. 9:5) Azo antoka hoe nahafaly ny fon’i Jehovah izany teny fiderana feno fanetren-tena sy vokatry ny fo izany. w24.02 9 § 6

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara