FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bi12 p. 1851-1853
  • 1A Ny Anaran’Andriamanitra ao Amin’ny Soratra Hebreo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 1A Ny Anaran’Andriamanitra ao Amin’ny Soratra Hebreo
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Lohatenikely
  • FANAFOHEZANA NY ANARAN’ANDRIAMANITRA
Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
1A Ny Anaran’Andriamanitra ao Amin’ny Soratra Hebreo

1A Ny Anaran’Andriamanitra ao Amin’ny Soratra Hebreo

Heb.: יהוה (YHWH)

Ao amin’ny Ge 2:4 no miseho voalohany ilay anaran’Andriamanitra hoe “Jehovah” (heb.: יהוה, YHWH). Matoantenin’ny mpampanao io anarana io. Milaza fanaovan-javatra mbola mitohy ilay izy, ary avy amin’ilay matoanteny hebreo hoe הוה (havah, “tonga ho”). Noho izany, ilay anaran’Andriamanitra dia midika hoe “Manao Izay Hahatonga Izy.” Mampiseho izany fa i Jehovah no manao izay hahatonga ny tenany ho ilay Mpanatanteraka fampanantenana, na Ilay manao izay hahatanteraka foana ny fikasany, ary manao izany miandalana izy. Jereo F.F. 2D.

Tena nanivaiva an’ilay Andriamanitra niavian’ny Soratra Masina ireo mpandika teny maoderina, rehefa nanaisotra na nanafina ilay anarany miavaka. Raha ny tena izy, dia miseho im-6 828 ao amin’ny soratra hebreo ilay anarany hoe יהוה (YHWH na JHVH), izay antsoina hoe Litera Efatra. Nampiasa ny anarana hoe “Jehovah” izahay, satria nanaraka tsara ny soratra tany am-boalohany, fa tsy nanaraka ny fanaon’ny mpandika teny sasany. Nosoloan’izy ireo hoe “Tompo”, na “ny Tompo”, na “Adônai”, na “Andriamanitra” mantsy ireo Litera Efatra.

Hita ao amin’ireo sombintsombin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo efa tranainy be, ilay anarana masina amin’ny teny hebreo. Ankoatra an’ireo, dia ny dika soratra tranainy misy ny soratra hebreo ihany sisa no misy io anarana tena lehibe io, dia ilay hoe יהוה (YHWH). Marihina fa efa tsy hay intsony ny tena fanononana azy. Nosoloana an’ilay anaram-boninahitra hoe “Tompo” io anarana tsy manan-tsahala io, ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (LXX), sy ny Peshitta syriàka (Sy), ary ny Vulgate latinina (Vg).—Jereo F.F. 1D.

Nampiana teboka solon’ny zanatsoratra ny Litera Efatra tao amin’ny Kôdeksa Leningrad B 19A any Rosia, izay nampiasaina tamin’ny fandikana ny Biblia Hebraica Stuttgartensia (BHS). Koa izao no amakiana ny Litera Efatra ao: Yehvah, Yehvih, ary imbetsaka koa hoe Yehôvah, toy ny ao amin’ny Ge 3:14. Tao amin’ny fanontana ny soratra hebreo nataon’i Ginsburg, dia nampiana teboka solon’ny zanatsoratra ny YHWH mba hovakina hoe Yehôvah. Tian’ny mpandika teny maro ny hoe “Iaveh”, nefa “Jehovah” ihany no ampiasain’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, satria io no efa nahazatra ny olona hatramin’ny taonjato maro. Ary voatazona ao koa ireo litera efatra amin’ny anaran’Andriamanitra hoe YHWH na JHVH, sy ny endrika hafa isehoan’ilay anarana.—Jereo w 1/2/99 30-31.

Lasa fanaon’ny Jiosy ny nanolo ny anaran’Andriamanitra tamin’ny anaram-boninahitra. Nanaraka an’izany koa ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo natao dika mitovy tatỳ aoriana kokoa, sy ny Vulgate latinina, ary ny fandikan-teny maro hafa tranainy sy maoderina. Noho izany, dia izao no fanazavana omena ao amin’ny Rakibolana Grika-Anglisy nataon’i Liddell sy Scott (LSJ), p. 1013: “ὁ Κύριος,=Hebr. Yahveh, LXX Ge. 11.5, sy ny hafa.” Ny Rakibolana Grika Tamin’ny Andron’ny Romanina sy ny Byzantinina (anglisy) nataon’i E. Sophocles, Cambridge, U.S.A., sy Leipzig, 1914, p. 699, dia amakiana toy izao eo ambanin’ny hoe κύριος (Kyriôs): “Tompo, misolo ny יהוה. Manerana ny Fitopolo.” Lazain’ny Diksioneran’ny Baiboly (frantsay), nataon’i F. Vigouroux, Paris, 1926, Boky 1, tsang. faha-223, fa “Κύριος sy Dominus, ‘Tompo’, no ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Fitopolo sy ny Vulgate, isaky ny nisy hoe Jehovah tao amin’ny soratra tany am-boalohany.” Milaza ny Diksionera Syriàka Voafintina (anglisy) natontan’i J. Payne Smith, Oxford, 1979, p. 298 fa ny hoe Marya “dia misolo ny Litera Efatra, ao amin’ny Dikan-teny Peshita [syriàka] T. T. [Testamenta Taloha].”

Nandika ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly i William Tyndale, tamin’ny 1530. Tao no nahitana voalohany ny anarana hoe Jehovah, tamin’ny teny anglisy. “Iehôah” (Ge 15:2; Ek 6:3; 15:3; 17:16; 23:17; 33:19; 34:23) sy “Iehôa” (De 3:24) no nosoratany. Hoy izy tao amin’io fanontana io: “Iehôvah no anaran’Andriamanitra ... Ary isaky ny mahita hoe TOMPO atao sora-baventy ianao, (raha tsy hoe diso pirinty angaha), dia Iehôvah izy io amin’ny teny hebreo.” Noho izany, dia lasa fomban’ny mpandika teny ny nampiasa ny anaran’i Jehovah teo amin’ny toerana vitsivitsy monja, fa “TOMPO” na “ANDRIAMANITRA” kosa teo amin’ny ankamaroan’ny toerana nisehoan’ny Litera Efatra amin’ny teny hebreo. Nanao izany koa ireo mpandika ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques (anglisy) tamin’ny 1611, ka inefatra monja no isehoan’ny anarana hoe Jehovah ao: Ek 6:3; Sl 83:18; Is 12:2; Is 26:4.

Hoy koa ny Rakibolana Teolojikan’ny Testamenta Taloha (anglisy), Boky 1, Chicago (1980), p. 13: “Mba tsy hanononana befahatany ny anaran’Andriamanitra (YHWH), dia nosoloan’ireo Jiosy mpivavaka be, tamin’ny hoe ʼadôna(y) ilay anaran-tsamirery. Navelan’ireo Masoreta tao amin’ny dika soratra nataony ihany ireo renisoratra efatra tany am-boalohany, fa nampiany zanatsoratra ē (ho solon’ny ǎ, noho ny antony hafa) sy ā kosa mba hampahatsiahy ny mpamaky fa ʼadôna(y) no tononina, na inona na inona renisoratra eo. Inenina arivo mahery izany no hita ao amin’ny Baiboly hebreo. Natao sora-baventy ilay anaram-boninahitra ka nosoratana hoe ‘TOMPO’, ao amin’ny ankamaroan’ny fandikan-teny. Maningana ny ASV [Dikan-teny Amerikanina Mahazatra] sy ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao izay samy mampiasa ny hoe ‘Jehovah’, ny [Baiboly] Nampiana Fanazavana izay mampiasa ny hoe ‘Tompo’, ary JB [Ny Baibolin’i Jerosalema] izay mampiasa ny hoe ‘Iahveh.’ ... Any amin’ireo toerana ahitana ny ʼadôna(y) yhvh, dia ny teboka solon’ny zanatsoratra mitovy amin’ireo miaraka amin’ny ʼelôhim no hita miaraka amin’ilay yhwh. Izany no nahatonga ny dikan-teny anglisy hoe ‘Tompo ANDRIAMANITRA’ (oh.: Amosa 7:1).” (Amin’ny teny anglisy avokoa ireo Baiboly voatonona ireo.)

NY ANARAN’ANDRIAMANITRA AO AMIN’NY SORATRA HEBREO (TV)

Matoa hita miverimberina imbetsaka ilay anarana, dia zava-dehibe amin’ilay niavian’ny Baiboly sady tompon’ilay anarana izany. Miseho im-6 828 ny Litera Efatra ao amin’ny soratra hebreo (BHK sy BHS). Manamarina izany ny Diksionera Teolojika Momba ny Testamenta Taloha (alemà), Boky I, natontan’i E. Jenni sy C. Westermann, fan. faha-3, Munich sy Zurich, 1978, tsang. faha-703-704. Nandika ny Litera Efatra rehetra hoe “Jehovah” ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, afa-tsy ny ao amin’ny Mpts 19:18 ihany.

Ny voalazan’ny LXX no nahatonga anay hamerina ny Litera Efatra teo amin’ny toerana telo: De 30:16; 2Sa 15:20 sy 2Ta 3:1. Nadikanay hoe “Jehovah” izy io ao. Misy hoe יהוה koa mantsy eo amin’ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ireo andininy ireo, ao amin’ny BHK.

Araka ny fanamarihana ambany pejin’ny BHK sy ny BHS, dia ny anaran’Andriamanitra no tokony ho hita ao amin’ny Is 34:16 sy Za 6:8, fa tsy mpisolo anarana “-ko.” Naverinay tao amin’ireo toerana roa ireo ny anaran’Andriamanitra ka nadikanay hoe “Jehovah.”

Raha mila fanazavana momba ireo toerana 141 hafa namerenana ny anaran’Andriamanitra ianao, dia jereo ny F.F. 1B.

Hita in-6 973 ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (Soratra Hebreo) ny anarana hoe “Jehovah”, ka anisan’izany ireo anarana telo hafa misy azy (Ge 22:14; Ek 17:15; Mpts 6:24) sy ireo enina ao amin’ny teny mampiditra ny Salamo (7 t.m.; 18 t.m. [in-3]; Sl 36 t.m.; 102 t.m.). Efa anisan’ireo 6 828 ao amin’ny BHK sy BHS koa ireo sivy ireo.

“Jehovah” ao amin’ny S.H. TV

6 827 YHWH nadika hoe “Jehovah”

146 Toerana Hafa Namerenana Azy

Fitam. 6 973 “Jehovah” ao amin’ny Ge–Ml

FANAFOHEZANA NY ANARAN’ANDRIAMANITRA

Miseho in-50 ao amin’ny soratr’ireo Masoreta ny hoe Yah, izay fanafohezana ny anaran’Andriamanitra, ary nadika hoe “Jah.” Indro ny lisitr’izy ireo: Ek 15:2; 17:16; Sl 68:4, 18; Sl 77:11; Sl 89:8; Sl 94:7, 12; Sl 102:18; Sl 104:35; Sl 105:45; Sl 106:1, 48; Sl 111:1; Sl 112:1; Sl 113:1, 9; Sl 115:17, 18, 18; Sl 116:19; Sl 117:2; Sl 118:5, 5, 14, 17, 18, 19; Sl 122:4; Sl 130:3; Sl 135:1, 3, 4, 21; Sl 146:1, 10; Sl 147:1, 20; Sl 148:1, 14; Sl 149:1, 9; Sl 150:1, 6, 6; To 8:6; Is 12:2; Is 26:4; Is 38:11, 11.

Mba hahitana ireo toerana 237 isehoan’ny hoe “Jehovah” ao amin’ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, dia jereo ny F.F. 1E.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara