1E Ny Anaran’Andriamanitra ao Amin’ny Soratra Grika Kristianina
“Jehovah.” Heb.: יהוה (YHWH na JHVH)
Nohazavain’ny F.F. 1A sy 1D fa nampiasa an’ireo Litera Efatra hoe יהוה ny soratra hebreo sy ny LXX. Nahita ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Soratra Masina àry i Jesosy sy ny mpianany, na teny hebreo no namakiany azy, na teny grika. Nanonona an’ilay anarana i Jesosy tao amin’ny synagoga tany Nazareta, rehefa nitsangana ka nandray ny bokin’i Isaia ary namaky ny Isaia 61:1, 2, satria nisy an’ireo Litera Efatra tao amin’io andininy io. Izy rahateo efa tapa-kevitra ny hampahafantatra ny anaran’i Jehovah. Hoy tokoa mantsy izy rehefa nivavaka tamin’ny Rainy: “Ny anaranao efa nampahafantariko ny olona izay nomenao ahy avy tamin’izao tontolo izao. ... Efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany.”—Jn 17:6, 26.
Voaporofo fa nampiasa an’ireo Litera Efatra ny mpianatr’i Jesosy tao amin’ny boky sy taratasy nosoratany. Hoy i Jérôme (taonjato fahefatra) tao amin’ilay bokiny hoe Momba Ireo Lehilahy Malaza (latinina), toko III: “Nanoratra ny iray tamin’ny Filazantsaran’i Kristy i Matio, na Levy, izay mpamory hetra lasa apostoly. Tany Jodia no nanaovany izany, ary nosoratany tamin’ny teny sy soratra hebreo izy io aloha, mba hitondra soa ho an’ireo voafora lasa mpino. Tsy azo antoka hoe iza no nandika azy io tamin’ny teny grika tatỳ aoriana. Mbola ahitana an’ilay filazantsara amin’ny teny hebreo ao amin’ny tranombokin’i Kaisaria amin’izao fotoana izao. I Pamphile maritiora no niezaka nanangona an’ilay izy. Nanome alalana ahy hanao dika soratra azy io ny Nazareanina, izay nampiasa an’ilay izy tao Beria, tanàna syrianina.” [Nadika avy amin’ny teny latinina, ary natontan’i E. Richardson. Navoaka tao amin’ny Fanazavana sy Fikarohana Momba ny Tantaran’ny Haisoratra Kristianina Fahiny (alemà), Boky Faha-14, Leipzig, 1896, p. 8, 9.]
Injato mahery i Matio no nampiasa teny avy tao amin’ny Soratra Hebreo. Rehefa nisy an’ilay anaran’Andriamanitra tao amin’ireo teny ireo, dia tsy maintsy nampiditra foana an’ireo Litera Efatra tao amin’ilay Filazantsarany amin’ny teny hebreo izy. Nadika ho amin’ny teny grika ny Filazantsarany tatỳ aoriana, kanefa navela tamin’izao ireo Litera Efatra fa tsy nadika, araka ny fanao tamin’izany.
Tsy i Matio ihany no nampiasa andininy avy tao amin’ny soratra hebreo, na tao amin’ny LXX, izay samy nisy an’ilay anarana. Nanao toy izany koa izay rehetra nanoratra ny Soratra Grika Kristianina. Notononin’i Petera tao amin’ilay lahateniny ao amin’ny As 3:22, ohatra, ny De 18:15. Misy ny Litera Efatra io andininy io, araka ny hita avy amin’ny sombin-taratasy iray anisan’ny LXX efa tamin’ny taonjato voalohany T. K. (Jereo F.F. 1D feh. 1.) Nampiasa ny anaran’Andriamanitra hoe “Jehovah” i Petera, satria mpanara-dia an’i Kristy. Rehefa natao an-tsoratra ny lahatenin’i Petera, dia nosoratana tao koa ireo Litera Efatra, araka ny fanao tamin’ny taonjato voalohany T. K. sy ny taonjato voalohany A. K.
Tamin’ny taonjato faharoa na fahatelo tany ho any àry no nanesoran’ireo mpanora-dalàna an’ireo Litera Efatra tsy ho ao amin’ny LXX sy ny Soratra Grika Kristianina, ka nanoloany azy tamin’ny Kyriôs (Tompo) na Teôs (Andriamanitra).
Niresaka momba ny fampiasana ny Litera Efatra tao amin’ny Soratra Grika Kristianina i George Howard, avy amin’ny Oniversiten’i Géorgie. Hoy izy tao amin’ny Gazetin’ny Haisoratra Ara-baiboly (anglisy), Boky Faha-96, 1977, p. 63: “Noho ireo asa soratra vao hita tany Ejipta sy tany amin’ny Tany Efitr’i Jodia, dia hitanay mihitsy fa nampiasaina ny anaran’Andriamanitra, talohan’ny andro kristianina. Tena ilaina amin’ny fandinihana ny Test[amenta] V[aovao] ireo asa soratra ireo, satria azo ampitahaina aminy ireo asa soratra kristianina voalohany. Mety ho hita avy amin’izany hoe nahoana ireo mpanoratra ny Test. V. no nampiasa ny anaran’Andriamanitra. Araka ny fanazavana ho hitanareo ao amin’ireo pejy manaraka, dia izao no fiheveranay an’ilay izy: Tany am-boalohany, rehefa voaresaka tsy mivantana na naverina manontolo ao amin’ny Test. V. ny teny sasany avy amin’ny Test[amenta] T[aloha], dia hita tao koa ilay anaran’Andriamanitra hoe יהוה (ary angamba koa ny fanafohezana azy). Nosoloana tamin’ny hoe κς [fanafohezana ny Kyriôs, “Tompo”] anefa izy io tamin’ny ankapobeny, rehefa nandeha ny fotoana. Heverinay fa lasa nifangaro tao an-tsain’ireo tsy Jiosy voalohany lasa Kristianina ny hoe ‘Tompo Andriamanitra’ sy ny hoe ‘Kristy Tompo’, noho io fanesorana ny Litera Efatra io. Ahitana taratra an’izany ny fomba nanaovana dika soratra an’ireo sora-tanana nisy ny Test. V.”
Miombon-kevitra amin’izany izahay, saingy aminay dia tsy ‘hevitra’ fotsiny izany, fa izay mihitsy no nitranga teo amin’ny fanaovana dika mitovy an’ireo sora-tanana amin’ny Baiboly.
FAMERENANA AN’ILAY ANARANA
Maro ireo nandika ny Soratra Grika Kristianina manontolo, na ny ampahany aminy ho amin’ny teny hebreo. Naverin’izy ireo tamin’ny toerana maromaro ny anaran’Andriamanitra, tao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Nanao izany izy ireo raha efa tao amin’ny andinin-teny nalainy avy tany amin’ny Soratra Hebreo ilay anarana, na rehefa nilaina ny hamerenana izany.
Mba hamantarana hoe taiza avy ny anaran’Andriamanitra no nosoloana tamin’ilay teny grika hoe Κύριος sy Θεός, dia nojerenay aloha raha nampiasa teny na andinin-teny avy tao amin’ny Soratra Hebreo ilay mpanoratra Baiboly. Avy eo dia nohamarininay tao amin’ny soratra hebreo raha niseho tao ilay anaran’Andriamanitra, na tsia. Izany no nahalalanay ny dikan’ny hoe Kyriôs sy Teôs, sy ny hoe iza no tiana holazaina amin’ilay izy.
Tsy tianay ny hampiditra zavatra tsy tao amin’ny soratra tao am-boalohany ao amin’ny fandikan-teninay. Noho izany, dia nitandrina mafy izahay rehefa nampiasa ny anaran’Andriamanitra, ka nodinihinay tsara foana aloha ny Soratra Hebreo. Nandinika dikan-teny hebreo maro koa izahay, mba hanamarinana ny zavatra nataonay. Tsara homarihina fa dikan-teny hebreo mihoatra ny iray no manaporofo fa marina ny namerenanay ny anaran’i Jehovah im-237 tao amin’ny fandikan-teninay.
Indro ny lisitr’ireo toerana 237 isehoan’ilay anarana hoe “Jehovah” ao amin’ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao: Mt 1:20, 22, 24; Mt 2:13, 15, 19; Mt 3:3; Mt 4:4, 7, 10; Mt 5:33; Mt 21:9, 42; Mt 22:37, 44; Mt 23:39; Mt 27:10; Mt 28:2; Mr 1:3; Mr 5:19; Mr 11:9; Mr 12:11, 29, 29, 30, 36; Mr 13:20; Lk 1:6, 9, 11, 15, 16, 17, 25, 28, 32, 38, 45, 46, 58, 66, 68, 76; Lk 2:9, 9, 15, 22, 23, 23, 24, 26, 39; Lk 3:4; Lk 4:8, 12, 18, 19; Lk 5:17; Lk 10:27; Lk 13:35; Lk 19:38; Lk 20:37, 42; Jn 1:23; Jn 6:45; Jn 12:13, 38, 38; As 1:24; As 2:20, 21, 25, 34, 39, 47; As 3:19, 22; As 4:26, 29; As 5:9, 19; As 7:31, 33, 49, 60; As 8:22, 24, 25, 26, 39; As 9:31; As 10:33; As 11:21; As 12:7, 11, 17, 23, 24; As 13:2, 10, 11, 12, 44, 47, 48, 49; As 14:3, 23; As 15:17, 17, 35, 36, 40; As 16:14, 15, 32; As 18:21, 25; As 19:20; As 21:14; Ro 4:3, 8; Ro 9:28, 29; Ro 10:13, 16; Ro 11:3, 34; Ro 12:11, 19; Ro 14:4, 6, 6, 6, 8, 8, 8, 11; Ro 15:11; 1Ko 1:31; 1Ko 2:16; 1Ko 3:20; 1Ko 4:4, 19; 1Ko 7:17; 1Ko 10:9, 21, 21, 22, 26; 1Ko 11:32; 1Ko 14:21; 1Ko 16:7, 10; 2Ko 3:16, 17, 17, 18, 18; 2Ko 6:17, 18; 2Ko 8:21; 2Ko 10:17, 18; Ga 3:6; Ef 2:21; Ef 5:17, 19; Ef 6:4, 7, 8; Kl 1:10; Kl 3:13, 16, 22, 23, 24; 1Te 1:8; 1Te 4:6, 15; 1Te 5:2; 2Te 2:2, 13; 2Te 3:1; 2Ti 1:18; 2Ti 2:19; 2Ti 4:14; He 2:13; He 7:21; He 8:2, 8, 9, 10, 11; He 10:16, 30; He 12:5, 6; He 13:6; Jk 1:7, 12; Jk 2:23, 23; Jk 3:9; Jk 4:10, 15; Jk 5:4, 10, 11, 11, 14, 15; 1Pe 1:25; 1Pe 3:12, 12; 2Pe 2:9, 11; 2Pe 3:8, 9, 10, 12; Jd 5, 9, 14; Ap 1:8; Ap 4:8, 11; Ap 11:17; Ap 15:3, 4; Ap 16:7; Ap 18:8; Ap 19:6; Ap 21:22; Ap 22:5, 6.
Fanafohezana ny anaran’Andriamanitra ny “Jah”, ary hita ao amin’ilay teny grika hoe halleloia, izay avy amin’ilay teny hebreo hoe halelo-Yah. Ny dikan’izy io dia hoe “Miderà an’i Jah!” Ap (in-4) Ap 19:1, 3, 4, 6.—Jereo Sl 104:35 f.a.p.