FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bi12 p. 1862-1863
  • 1K Anaram-boninahitra sy Teny Hafa Ampiharina Amin’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 1K Anaram-boninahitra sy Teny Hafa Ampiharina Amin’i Jehovah
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
1K Anaram-boninahitra sy Teny Hafa Ampiharina Amin’i Jehovah

1K Anaram-boninahitra sy Teny Hafa Ampiharina Amin’i Jehovah

ANDRIAMANITRA. Heb.: El, tsy misy mpanoritra, izay mety hidika hoe “Ilay Mahery, Ilay Matanjaka.”—Ge 14:18.

ANDRIAMANITRA. Heb.: Elôhah, endriny milaza tokana amin’ny hoe Elôhim, ary tsy misy mpanoritra. Hita in-41 izy io ao amin’ny Joba, ary in-16 ao amin’ny boky hafa.—Jb 3:4.

ANDRIAMANITRA. Heb.: Elôhim, tsy misy mpanoritra. Hoy i Aaron Ember ao amin’ny Gazetiboky Amerikanina Momba ny Teny sy ny Haisoratra Semitika (anglisy), Boky Faha-21, Chicago sy New York, 1905, p. 208: “Raha ny teny ao amin’ny Test[amenta] T[aloha] no jerena, dia tsy milaza maro mihitsy ny אלהים [Elôhim] (rehefa ampiharina amin’ilay Andriamanitry ny Israely). Saika matoanteny amin’ny endriny milaza tokana foana mantsy no ampiarahina aminy, ary mpamari-toetra amin’ny endriny milaza tokana koa no ampifandraisina aminy. ... Teny milaza maro ho fanamafisan-kevitra kosa ny אלהים [Elôhim], ary manasongadina ny fahalehibeazana sy ny fahamboniana, ka mety tsara mba hilazana an’Ilay Andriamanitra Lehibe. Teny milaza maro iray karazana amin’izy io ny אדנים [adônim, “tompo”] sy ny בעלים [bealim, “tompom-pananana; tompo”], izay ampiharina amin’ny olombelona.” Manasongadina ny herin’i Jehovah amin’ny maha Mpamorona azy ny hoe Elôhim, ary hita in-35 izy io ao amin’ny fitantarana momba ny famoronana.—Ge 1:1–2:4.

ANDRIAMANITRA BE VONINAHITRA. Aram.: Elah rav.—Da 2:45.

ANDRIAMANITRA FALIFALY. Gr.: makariôs Teôs.—Ampitahao amin’ny 1Ti 1:11.

ANDRIAMANITRA MANDRAKIZAY. Heb.: El ôhlam.—Ge 21:33.

ANDRIAMANITRA MASINA. Heb.: Elôhim kedôshim.—Js 24:19.

ANDRIAMANITRY NY ANDRIAMANITRA (TOMPON’NY TOMPO).—De 10:17; Da 2:47.

ANDRIAMANITRY NY FAHAMARINANA. Heb.: El emet. Midika fa marina sy mendri-pitokisana i Jehovah amin’izay rehetra ataony.—Sl 31:5.

ANDRIAMANITRA VELONA. Heb.: Elôhim, miaraka amin’ilay mpamari-toetra milaza maro hoe haiyim (De 5:26), na koa miaraka amin’ilay mpamari-toetra milaza tokana hoe hai (Is 37:4, 17). Gr.: Teôs zôn.—Ampitahao amin’ny He 3:12.

AVO INDRINDRA. Heb.: Elyôhn.—De 32:8; Sl 9:2; 83:18.

ANDRIAMANITRA FARA TAMPONY. Aram.: Elyôhnin.—Da 7:18, 22, 27.

HOPOROFOIKO FA IZAHO ILAY MAHAVITA IZAY IRIKO. Heb.: Ehyeh Asher Ehyeh.—Ek 3:14.

ILAY EFA NISY HATRY NY ELA BE. Aram.: attik Yôhmin, izay midika hoe “be taona [na zokiolona].”—Da 7:9, 13, 22.

ILAY HENI-KAJA. Heb.: Addir.—Is 33:21.

ILAY MASINA INDRINDRA. Heb.: Kedôshim, teny milaza maro enti-manondro fahatsarana sy fahalehibeazana.—Oh 30:3.

ILAY TENA ANDRIAMANITRA. Heb.: haElôhim.—Jereo F.F. 1G.

ILAY TENA ANDRIAMANITRA. Heb.: haEl.—Jereo F.F. 1H.

ILAY TENA TOMPO. Heb.: haAdôhn.—Jereo F.F. 1J.

ILAY VATOLAMPY. Heb.: hatsTsor. (De 32:4) Teny an’ohatra ilazana fa tonga lafatra izay ataon’i Jehovah, manao ny rariny izy, mendri-pitokisana, ary marina sy mahitsy. Milaza koa izany hoe toy ny ray niteraka izy (De 32:18), fiarovana mafy (2Sa 22:32; Is 17:10), fialofana sy toy ny tendrombohitra fandosirana (Sl 62:7; 94:22), ary mpamonjy.—De 32:15; Sl 95:1.

JEHOVAH ANDRIAMANITRA.—Ge 2:4. Jereo F.F. 1A.

JEHOVAH TOMPON’NY TAFIKA. Hita in-283 ao amin’ny M io teny io, na ny endriny misy fiovana kely. Hita indroa ao amin’ny Soratra Grika Kristianina koa io teny io, ao amin’ireo faminaniana noresahin’i Paoly sy Jakoba, izay nalaina avy tao amin’ny Soratra Hebreo. (Jereo Ro 9:29; Jk 5:4.) Ny fahefan’ilay Mpitondra an’izao rehetra izao no tiana holazaina amin’ny hoe “Jehovah Tompon’ny tafika”, satria tafik’anjely maro be no eo ambany fifehezany.—Sl 103:20, 21; 148:2; Is 1:24; Je 32:17, 18. Jereo F.F. 1F.

LEHIBE. Gr.: Megalôsyne, milaza ny fahamboniany.—Ampitahao amin’ny He 1:3; 8:1.

MAHERY INDRINDRA. Heb.: Shaddai, teny milaza maro hoenti-manondro fahatsarana. Hita in-41 io teny io, ary adika hoe “Ilay Mahery Indrindra.” (Ge 49:25; Sl 68:14) Ny teny mifanitsy aminy ao amin’ny Soratra Grika Kristianina dia Pantôkratôr, izay midika hoe “Mahery Indrindra” na “Mpitondra An’izao Rehetra Izao; Ilay Manana ny Hery Rehetra.” (2Ko 6:18; Ap 15:3) Hita impito ao amin’ny M ny teny hoe El Shaddai (Andriamanitra Mahery Indrindra), ary midika izany fa manana hery tsy hay tohaina i Jehovah.—Ge 17:1; Ek 6:3.

MASINA, MASINA, MASINA. Heb.: kadôhsh, kadôhsh, kadôhsh. Rehefa ampiharina amin’i Jehovah io teny io, dia midika fa izy no masina sy madio indrindra.—Is 6:3; Ap 4:8.

MPAMONJY. Heb.: Môhshia (Is 43:11; 45:21). Gr.: Sôter.—Ampitahao amin’ny Lk 1:47.

MPAMORONA. Heb.: Bôhre. (Is 40:28; 42:5) MPAMORONA BE VONINAHITRA.—Mpto 12:1.

MPAMPIANATRA. Heb.: Môhreh. (Jb 36:22) MPAMPIANATRA BE VONINAHITRA.—Is 30:20.

MPANAO. Heb.: Ôseh. (Sl 115:15; Je 10:12) BE VONINAHITRA MPANAO.—Is 54:5.

MPANJAKAN’IREO FIRENENA. Heb.: Melek haggôhyim.—Je 10:7.

MPANJAKAN’NY MANDRAKIZAY. Gr.: Basileos tôn aiônôn.—Ampitahao amin’ny 1Ti 1:17.

MPIANDRAIKITRA ANAREO.—1Pe 2:25.

MPIANDRY.—Sl 23:1; 1Pe 2:25.

RAY. Heb.: Av; gr.: Pater; lat.: Pater, antsoina hoe Ray izy, satria Mpamorona (Is 64:8), sy mpanome fiainana mandrakizay ho an’izay rehetra maneho finoana. (Jn 5:21) I Jehovah irery ihany no antsoina hoe “Ray Masina.”—Jn 17:11. Ampitahao amin’ny Mt 23:9.

SARO-PIARO. Heb.: Kanna, izay midika hoe ‘mitaky ny hanompoana azy irery ihany.’—Ek 34:14; jereo koa Ezk 5:13.

TOMPO FARA TAMPONY.—Ge 15:2; Lk 2:29. Jereo F.F. 1F.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara