FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 11/06 p. 9
  • Tena Tia Antsika Andriamanitra!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tena Tia Antsika Andriamanitra!
  • Mifohaza!—2006
  • Mitovitovy Aminy
  • Kely Sisa dia ho Paradisa ny Tany!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
  • Tena Miahy Anao Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Misy ny Fanantenana na Maro aza ny Fahoriana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Inona no Tian’Andriamanitra Hatao Amin’ny Tany?
    Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
Hijery Hafa
Mifohaza!—2006
g 11/06 p. 9

Tena Tia Antsika Andriamanitra!

HITA fa tena tia antsika tsirairay Andriamanitra, ary mieritreritra ny hoavintsika, rehefa jerena ny fomba nandaminany an’ilay fikomiana tany Edena. Ireto misy porofo mampiseho fa tena mikarakara antsika izy. Diniho izy ireo, ary vakio ao amin’ny Baibolinao ny andinin-teny voatonona.

❖ Nomeny antsika ity tany ity. Feno zavaboary tsara tarehy eto, anisan’izany ny biby mahavariana sy ny saha mahavokatra.—Asan’ny Apostoly 14:17; Romanina 1:20.

❖ Nataony mahatalanjona ny vatantsika, ka afaka mankafy fiainana isika isan’andro. Afaka mahare tsiron-tsakafo, ohatra, isika, mahita masoandro mody, mahare zaza mihomehy, ary mahatsapa ny safosafon’ny havantsika na olon-tiantsika.—Salamo 139:14.

❖ Omeny tari-dalana feno fahendrena isika, mba hanampiana antsika hiatrika olana.—Salamo 19:7, 8; 119:105; Isaia 48:17, 18.

❖ Mampanantena zavatra tena tsara ho antsika izy. Milaza, ohatra, izy fa afaka ny hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany isika, ary hahita ny fananganana ny havantsika efa maty.—Lioka 23:43; Jaona 5:28, 29.

❖ Nandefa ny Zanany lahitokana izy mba ho faty ho antsika, ka hahafahantsika hiaina mandrakizay.—Jaona 3:16.

❖ Nanangana ny Fanjakan’ny Mesia izy tany an-danitra. Nanome antsika porofo be dia be koa izy, fa io Fanjakana io irery no hitondra ny tany manontolo tsy ho ela.—Isaia 9:5, 6; Matio 24:3, 4, 7; Apokalypsy 11:15; 12:10.

❖ Manasa antsika hivavaka aminy izy, ka hamboraka izay ao am-pontsika. Tena mihaino izy rehefa manao izany isika.—Salamo 62:8; 1 Jaona 5:14, 15.

❖ Averimberiny amin’ny olona foana fa tena tia sy mikarakara azy ireo izy.—1 Jaona 4:9, 10, 19.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara