Fitaovana Arifomba sy Tena Manampy
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY JAPON
INONA no tonga ao an-tsainao rehefa mijery an’ireo sary ireo? Antsoin’ny olona any amin’ny tany sasany hoe robots izy ireo. Misy mihevitra fa fitaovana tena mahasoa izy ireny, ary mety ho azo atao namana. Ny hafa kosa manahy hoe milina mahay be izy ireny, ka mety hahasolo ny olombelona, indray andro any. Misy indray mihevitra fa tsy tena misy izy ireny.
Nasehon’ny fanadihadiana natao tamin’ny 2006, fa iray tapitrisa latsaka kely ny fitaovana toy ireny ampiasaina any amin’ny orinasa maneran-tany, ary any Azia ny antsasany amin’izy ireo.
Ny asa ataony
Avy amin’ny fiteny tseky hoe robota, izay midika hoe “asa an-terivozona” ny hoe robot, ary tena mifanaraka amin’izany anarany izany ny zavatra ataony. Miasa mafy ireny fitaovana arifomba ireny, any amin’ny orinasa. Tsy mety reraka izy ireny, tsy mba mitaraina, miasa andro aman’alina, ary tsy miato mihitsy na amin’ny faran’ny herinandro aza. Mampiasa azy ireny ireo orinasa mpanamboatra fitaovana elektrika sy kojakojan-tokantrano. Voalaza fa nampiasa fitaovana toy ireny 1 isaky ny mpiasa 10 ny orinasa mpanamboatra fiara, tamin’ny 2005.
Misy karazany hafa koa anefa ireny fitaovana ireny. Ao ny mpamantatra feo, ny mpamantatra hafanana na zavatra simika na taratra. Misy koa mpamantatra ny lalan’ny sambo. Ao indray ireo ampiasaina amin’ny fifandraisan-davitra. Ao koa ireo mifandray amin’ny satelita mba hampahafantarana ny toerana misy ny zavatra iray (GPS). Tsy araka ny noeritreretin’ny olona mihitsy ny zava-bitan’ireny fitaovana arifomba ireny ankehitriny. Andeha isika hijery ohatra vitsivitsy.
◼Asa. Ahitana fitaovana arifomba afaka mizara fanafody ao anatin’ny segondra vitsivitsy, ny hopitaly iray any Grande-Bretagne. Misy fitaovana toy izany koa manasokajy sy mibata ary mandamina entana, ao amin’ireo paositra any Etazonia. Misy koa afaka manara-maso sy manamboatra ny simba. Manana tanana lava izy io izay afaka misitrika amin’ny toerana tery kely, toy ny ao anaty elatra fiaramanidina.
◼ Namana. Mampiasa kilalao toy ny lambondriaka kely volomboloina, ny trano fitaizana be antitra any Japon. Mifandimby manafosafo azy io ireo zokiolona ao. Afaka mihetsiketsika toy ny lambondriaka izy io. Rehefa kitihina izy io, na mahita hazavana, na mandre feo, na mafana, na mangatsiaka, dia manakimpikimpy maso na manetsiketsika tanana na mamoaka feo. Voalaza fa lasa naman’ny olona io kilalao io, ary ampiasaina mba hanasitranana marary.
◼ Fitsaboana. Mampiasa milina manana tanana telo ny dokotera mpandidy sasany. Mitsangana eo akaikin’ny marary izy io. Mijery amin’ny fitaovana lehibe iray ilay dokotera, ary hita tsara eo amin’izy io ny fon’ilay marary. Ilay dokotera no mibaiko ny tanan’ilay milina rehefa mandidy sy manjaitra ny faritra marary ao amin’ilay fo. Tsy misy mivaona mihitsy ny fihetsika rehetra ataon’ilay milina, ka tsy atahorana hisy tsy mety ny fandidiana. Noho izany, dia tsy mampanaintaina firy ilay fandidiana, mihena ny ra very, ary sitrana haingana kokoa ilay marary.
◼ Raharaha ao An-trano. Mpanadio trano io fitaovana eo amin’ny sary io. Tsindriana fotsiny ny bokotra iray eo aminy, dia trohiny ny vovoka eny amin’ny gorodona. Mihodinkodina eran’ny trano izy rehefa manao izany, ary fantariny ny toetoetry ny trano. Fantariny raha misy tohatra ao, ary tsy mankeny izy. Mijanona ho azy ilay fitaovana rehefa vita ny asany, ary miverina any amin’ny toerana fangalany angovo indray izy. Roa tapitrisa mahery amin’izy io izao no ampiasaina.
◼ Eny Ambony Tsy Taka-maso. Antsoina hoe Spirit ny iray amin’ireo milina eny amin’ny planeta Mars. Manana kodiarana enina izy io, ary mandinika ny nofon-tany sy ny vato eny amin’ny Mars. Misy fakan-tsary koa eny aminy. Efa naka sary 88 500 mahery izy io, anisan’izany ny lemaka sy havoana eny amin’ny Mars, ny masoandro mody, ireo vava volkano sy rahona ary ny vovoka mitora-jofo eo aminy.
◼ Fikarohana sy Famonjena. Feno setroka sy vy nahamay be nianjera tetsy sy teroa, rehefa nirodana ny Tranobe Kambana tany Etazonia. Nisy fitaovana 17 mitovitovy amin’ny baolina baskety àry nampiasaina mba hikarohana sy hamonjena an’ireo olona tototra tao. Nanamboatra fitaovana arifomba kokoa ireo injeniera, tatỳ aoriana, anisan’izany ilay aseho eto ambany.
◼ Any Anaty Ranomasina. Mampiasa fitaovana afaka miasa any anaty rano koa ny mpahay siansa, mba hamantarana bebe kokoa momba an’ireo toerana mbola tsy notrandrahin’ny olona any anaty ranomasina. Tsy misy olona ao anatin’izy ireny fa izy ihany no mibaiko ny tenany. Mikaroka an’ireo zavatra very koa izy ireny, manara-maso an’ireo kabla ampiasaina amin’ny fifandraisan-davitra, manaraka ny lalan’ny trozona, manala an’ireo vanja milevina any ambany ranomasina.
Mitovy amin’ny olombelona ve?
Efa ela ny olona no te hanamboatra milina mitovy amin’ny olombelona. Sarotra tanterahina anefa izany! Hoy ny gazety Vidy Varotra Mandritra ny Herinandro (anglisy): “Mora kokoa ny manamboatra ordinatera matanjaka be, ny manangana tranobe manaka-danitra, eny fa na dia ny manao planina tanàn-dehibe maromaro aza, noho ny manamboatra milina iray manana fahaizana toy ny an’ny olona, sady afaka mahita, mandre fofona, mandre feo, ary mahay mitsapa.”
Hoatran’ny tsotra ny hoe hanamboatra milina afaka mamindra toy ny olona. Nandany 11 taona be izao anefa ny injeniera japoney vao nahavita izany, sady nandany an-tapitrisany dolara. Tamin’ny Septambra 1997 ilay izy vao vita. Nanomboka teo ny injeniera dia nahavita robot afaka miakatra tohatra, mihazakazaka, mandihy, manosika kalesy, ary afaka miarina rehefa mianjera.
Hanao ahoana ny amin’ny hoavy?
Nanamboatra robot afaka manao asa mampidi-doza eny amin’ny habakabaka, ny Sampan-draharaha Amerikanina Misahana ny Sambon-danitra sy ny any Ambony Tsy Taka-maso (NASA). Mety “hanampy amin-javatra tena lehibe” koa ireny fitaovana arifomba ireny sady “afaka ny ho naman’ny be taona mihitsy aza”, hoy i Bill Gates, manam-pahaizana momba ny fanamboarana ordinatera.
Mieritreritra ny fitondrana japoney, fa hanampy ny olombelona ireny fitaovana ireny amin’ny 2025, ka hikarakara an’ireo osa sy marary, hitaiza zaza, ary hanao raharaha ao an-trano. Manantena koa ny mpikaroka fa hisy ekipana robots mpanao baolina kitra amin’ny 2050, izay hahavita handresy ekipana olombelona. Mieritreritra ny hahavita milina mahay noho ny olombelona koa ireo injeniera, rehefa afaka 20 na 30 taona any ho any.
Tsy ny manam-pahaizana rehetra anefa no be fanantenana toy izany. Nahita zava-tsarotra mantsy ny manam-pahaizana rehefa nanamboatra an’ireny fitaovana arifomba ireny, ka hoy i Jordan Pollack, manam-pahaizana momba ny ordinatera: “Nohamaivanintsika mihitsy ny hoe tena be pitsiny ny zavamananaina.”
Ho hitantsika eo ihany izay zavatra mbola ho vitan’ireny fitaovana ireny amin’ny hoavy. Izao anefa no azontsika antoka: Ny olona ihany no mahay mitia, manana fahendrena, manao ny rariny, ary mahay mampiasa ny heriny. Nahoana? Milaza mazava tsara ny Baiboly fa amin’ny zavamananaina rehetra, dia ny olombelona ihany no noforonina tahaka ny endrik’Andriamanitra. (Genesisy 1:27) Tsy mba toy ny milina tsy manana fihetseham-po sy tsy misaina ny olombelona. Manan-tsafidy isika, afaka misaina, ary afaka manompo an’Andriamanitra. Enga anie izany ka handrisika antsika hanatona kokoa an’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona antsika!—Jakoba 4:8.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]
Courtesy Aaron Edsinger
Courtesy OC Robotics
[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]
Courtesy AIST
© 2008 Intuitive Surgical, Inc.
Courtesy iRobot Corp.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]
Ambony: NASA/JPL-Solar System Visualization Team; havia: NASA/JPL/Cornell University
© The RoboCup Federation
Greg McFall/NOAA/Gray’s Reef National Marine Sanctuary
[Sary nahazoan-dalana, pejy 19]
© 2007 American Honda Motor Co., Inc.