Fanampiana Hafakely avy Amin’ny Mifohaza!
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY BÉNIN
◼ Vavolombelon’i Jehovah i Noël, 23 taona. Tsy nianatra intsony izy, fa naleony nanao mpisava lalana na mpitory manontolo andro. Natahotra àry ny havany sao tsy hahavelon-tena izy. Sarotra tamin’i Noël tokoa ny nitady asa tapa-potoana. Rehefa nivoaka àry ilay lahatsoratra tao amin’ny Mifohaza! hoe “Fomba Dimy Mora Ahitana Asa”, dia novakiny imbetsaka ilay izy.a Nanampy azy ve izy io? Eny tokoa, saingy tsy araka ny nanampoizany azy.
Nahita an’i Noël nitory isan-trano ny talen’ny sekoly tsy miankina iray, ka nanontaniany raha Vavolombelon’i Jehovah izy. Nitady mpampianatra mantsy ilay tale, ary fantany fa mahay mampianatra ny Vavolombelona. Nanontany àry izy raha nahalala Vavolombelona afaka mampianatra i Noël. Nilaza i Noël fa tsy nahita. “Ary ianao?”, hoy ilay tale.
Mbola tsy nampianatra mihitsy i Noël, sady miakanakam-piteny indraindray. Takin’ny minisiteran’ny fampianarana eto Bénin anefa hoe olona tsy miakanakana no mampianatra. Nampanaovina fanadinana àry izay te hampianatra. Hoy ilay tale: “Makà taratasy fanamarinana, dia horaisiko hiasa ianao.”
Mandray anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana i Noël. Sekoly fampianarana miteny ampahibemaso izy io, ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah isan-kerinandro. Nandroso tsara i Noël, ary efa nanao lahateny teo anivon’ny fiangonany mihitsy aza. Natahotra anefa izy tamin’ilay fanadinana.
Nanome azy gazety ilay mpanadina, ary nasainy novakiny ny fehintsoratra iray voatsipika mena. Taitra i Noël fa hay ilay lahatsoratra hoe “Fomba Dimy Mora Ahitana Asa” ilay izy! Tsy niakanakana mihitsy izy namaky azy, ka nahazo taratasy fanamarinana.
Nilaza ilay mpanadina, tatỳ aoriana, fa mpamaky ny gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. “Ahalalan-javatra ireny gazety ireny”, hoy izy, “ka matetika aho no mampiasa azy ireny amin’ny fanadinana.”
Lasa mpampianatra àry i Noël. Mbola te hampiasa azy ilay tale, ny taona nanaraka, saingy nifidy hanao zavatra hafa i Noël. Nasaina hiasa ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah mantsy izy, ary manompo ao izao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny Mifohaza! 8 Jolay 2005, pejy 4-9.