Inona no Lazain’ny Baiboly?
Tena Tsy Mivadika Amin’ny Vadinao ve Ianao?
Maro no mihevitra fa tsy tokony hifanitsakitsaka ny mpivady. Mifanaraka amin’izao lazain’ny Baiboly izao izany: “Aoka ho mendri-kaja eo imason’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrianan’ny mpivady.”—Hebreo 13:4.
TSY manao firaisana amin’olon-kafa fotsiny ve no dikan’ny hoe tsy mivadika amin’ny vady? Ahoana raha misy olona manonofinofy manao firaisana amin’olona tsy vadiny? Azo lazaina hoe “tsy mivadika amin’ny vadiny” ve ny lehilahy minamana be amin’ny vehivavy tsy vadiny, na ny vehivavy minamana be amin’ny lehilahy tsy vadiny?
Manimba ve ny manonofinofy manao firaisana?
Asehon’ny Baiboly fa mitondra fifaliana sy fahafaham-po ho an’ny mpivady ny fanaovana firaisana, ary voajanahary izany. (Ohabolana 5:18, 19) Inona kosa no lazain’ny manam-pahaizana sasany? Milaza izy ireo fa ara-dalàna sady mahasoa an’ireo manambady mihitsy aza ny manonofinofy manao firaisana amin’olon-kafa. Tsy misy vokany ratsy tokoa ve ny nofinofy toy izany raha mbola tsy mijangajanga ilay olona?
Mitady fahafinaretana ho an’ny tenany ny olona manonofinofy toy izany. Tia tena izy, fa tsy manaraka ny toromariky ny Baiboly ho an’ny mpivady. Izao no lazainy momba ny fanaovana firaisana: “Ny vehivavy dia tsy manana fahefana amin’ny vatany, fa ny vadiny no manana izany. Toy izany koa fa ny lehilahy dia tsy manana fahefana amin’ny vatany, fa ny vadiny no manana izany.” (1 Korintianina 7:4) Ho sambatra kokoa àry ny mpivady raha manaraka ny toromariky ny Baiboly. Tsy ny hitady fahafaham-po ho an’ny faniriana feno fitiavan-tena mantsy no antony hanaovany firaisana amin’izay.—Asan’ny Apostoly 20:35; Filipianina 2:4.
Rehefa manonofinofy manao firaisana amin’olon-kafa ny olona iray, dia mamerimberina manao izany ao an-tsainy. Hiteraka ratram-po lehibe ho an’ny vadiny izany raha tanterahiny tokoa. Atahorana kokoa hijangajanga ve ny olona manonofinofy toy izany? Eny! Asehon’ny Baiboly fa mety hotanterahin’ny olona ny zavatra iray eritreretiny foana. Hoy izy io: “Tsapaina ... ny tsirairay rehefa voasariky ny fanirian’ny tenany ihany, ka voafandrik’izany. Ary ny faniriana rehefa kolokoloina, dia miteraka fahotana.”—Jakoba 1:14, 15.
Hoy i Jesosy: “Izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady.” (Matio 5:28) ‘Hiaro ny fonao’ sy ny fanambadianao ianao, raha tsy manonofinofy manao firaisana amin’olon-kafa.—Ohabolana 4:23.
Aoka ianao tsy hivadika amin’ny vadinao ao am-ponao
Raha tianao ho vanona ny fanambadianao, dia ‘tsy hozarazarainao amin’ny hafa ny fitiavanao’ fa ho an’ny vadinao ihany. (Tononkiran’i Solomona 8:6; Ohabolana 5:15-18) Inona no dikan’izany? Ara-dalàna raha mana-namana lehilahy sy vehivavy ianao. Ny vadinao anefa no tokony ho tianao indrindra sy hahianao indrindra ary hanokananao fotoana betsaka indrindra. Azo lazaina hoe “mivadika” amin’ny vadinao ianao na dia tsy mijangajanga aza, raha mifandray akaiky loatra amin’olon-kafa, ka izy indray no omenao izay tokony ho an’ny vadinao.a
Ahoana no mety hiandohan’izany fifandraisana izany? Hoatran’ny mahafinaritra kokoa noho ny vadinao na toa mahatakatra kokoa izay mahazo anao, ny olona iray any am-piasana na any an-toeran-kafa. Rehefa miaraka foana amin’ilay olona ianao dia mety hanomboka hiresaka zavatra manokana, toy ny olana na zavatra nandiso fanantenana anao tamin’ny vadinao. Mety hitady fampiononana any amin’ilay olona foana ianao. Mety hamoaka ny ‘tsiambaratelonareo’ mivady amin’ilay olona anefa ianao, rehefa miresaka aminy mivantana, na an-telefaonina, na amin’ny Internet. Mivadika amin’ny vadinao ianao raha manao izany.—Ohabolana 25:9.
Mitandrema sao manamarin-tena ka milaza fa tsy mifankatia ianareo, nefa mety ho izany mihitsy no izy! ‘Mamitaka ny fo’, hoy ny Jeremia 17:9. Raha minamana be amin’ny olona tsy vadinao ianao, dia tsara ny manontany tena hoe: ‘Manafinafina ny fiarahanay ve aho na manala tsiny ny tenako rehefa misy milaza fa miaraka izahay? Tsy mampaninona ahy ve raha henon’ny vadiko ny resakay? Ho zakako ve raha izany koa no ataon’ny vadiko?’—Matio 7:12.
Mety handrava fanambadiana ny fiarahana toy izany. Mety hijangajanga mantsy ny olon-droa mifaneho fiahiana tafahoatra. Nampitandrina i Jesosy hoe “avy ao am-po ... ny fanitsakitsaham-bady.” (Matio 15:19) Na dia tsy nijangajanga aza anefa ny olona iray, dia mety tsy hatoky azy intsony ny vadiny. Hoy i Kanto: “Tena narary ny foko rehefa fantatro fa nifanerasera an-tsokosoko tamin’ny vehivavy iray i Mamy.b Nitelefaonina azy imbetsaka isan’andro izy. Sarotra amiko ny hino hoe tsy nijangajanga ry zareo. Tsy matoky azy intsony aho.”
Aza mifandray akaiky be loatra amin’ny vehivavy tsy vadinao raha lehilahy ianao. Tsy tokony hanao toy izany amin’ny lehilahy tsy vadiny koa ny vehivavy. Aza alana tsiny na odian-tsy hita ny fanirian-dratsy. Fero haingana ny fifaneraseranao amin’ny olona iray na tapaho mihitsy, rehefa hitanao fa mitady handrava ny fanambadianao. Hoy ny Baiboly: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina.”—Ohabolana 22:3.
Arovy ny fanambadianao
Fikasan’ny Mpamorona ny hahatonga ny fanambadiana ho ny fifandraisana akaiky indrindra misy eo amin’ny olon-droa. Nilaza izy fa “ho nofo iray ihany” ny mpivady. (Genesisy 2:24) Tsy ny firaisana ihany no maha nofo iray ny mpivady. Mifandray am-po koa izy ireo. Vao mainka mihamafy izany fifandraisana izany, rehefa tsy tia tena sy mifampatoky ary mifanaja izy ireo. (Ohabolana 31:11; Malakia 2:14, 15; Efesianina 5:28, 33) Hanampy anao hiaro ny fanambadianao ny fanarahanao an’ireo toro lalana ireo. Tsy hivadika amin’ny vadinao mantsy ianao amin’izay, na any an’eritreritrao na ao am-ponao.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsara homarihina anefa fa ny firaisana ivelan’ny fanambadiana ihany no antony araka ny Soratra Masina ahafahana misaraka.—Matio 19:9.
b Novana ireo anarana.
EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:
◼ Mety hijangajanga ve ny olona manonofinofy manao firaisana?—Jakoba 1:14, 15.
◼ Atahorana ho rava ve ny fanambadian’ny vehivavy iray minamana be amin’ny lehilahy tsy vadiny, na ny an’ny lehilahy iray minamana be amin’ny vehivavy tsy vadiny?—Jeremia 17:9; Matio 15:19.
◼ Ahoana no hanamafisanao ny fifandraisanareo mivady?—1 Korintianina 7:4; 13:8; Efesianina 5:28, 33.
[Teny notsongaina, pejy 29]
“Izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady.”—Matio 5:28