FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 7/10 p. 21
  • Ampahafantarina ny Anaran’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampahafantarina ny Anaran’Andriamanitra
  • Mifohaza!—2010
  • Mitovitovy Aminy
  • Anaran’​Andriamanitra
    Mifohaza!—2017
  • Fantatrao Tsara ve Andriamanitra?
    Mifohaza!—2004
  • A4 Ny Anaran’Andriamanitra ao Amin’ny Soratra Hebreo
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Iza no Anaran’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2019
Hijery Hafa
Mifohaza!—2010
g 7/10 p. 21

Ampahafantarina ny Anaran’Andriamanitra

● Ho hitanao fa mpivavaka be ny mponina fahiny tany amin’ny Nosin’i Orléans, any akaikin’ny Tanànan’i Québec, any Kanada, rehefa mamakivaky an’ilay nosy kanto ianao. Mbola tazana eny amoron’ny lalana manodidina an’ilay nosy ireo trano fivavahana isan-tanàna, izay mampahatsiahy ny lasa.

Efa nisy hatramin’ny 1717 ilay fiangonana ao an-tanànan’i Saint-Pierre, ka io no fiangonana tranainy indrindra any ambanivohitr’i Québec. Lasa tranom-bakoka izy io izao, ary misy zavatra mahaliana. Hita eo ambonin’ny alitara ny Litera Efatra manondro ny anaran’ilay Andriamanitra ao amin’ny Baiboly, dia ny hoe Jehovah.

Mahalana vao re any amin’ny Eglizy Katolika ny anaran’Andriamanitra, ka mainka moa fa ny hoe hahita izany any. Nilaza tokoa ny taratasy iray navoakan’i Vatikana, tamin’ny 2008, fa tsy avelan’ny papa “hampiasaina na hotononina” ny anaran’Andriamanitra, na mandritra ny fotoam-pivavahana izany na amin’ny hira na amin’ny vavaka. Lazain’ny Baiboly mazava anefa fa tian’i Jehovah Andriamanitra ny ‘hanambarana ny anarany eran-tany.’—Eksodosy 9:16.

Fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy ampy hampifaliana an’Andriamanitra ny hoe atao ao amin’ny trano iray ny anarany. Mandany adiny 1 500 tapitrisa mahery isan-taona izy ireo, eran-tany, mba hampianarana momba ny anaran’Andriamanitra sy ny fikasany. Naveriny tamin’ny toerana tokony hisy azy mihitsy aza ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, rehefa namoaka Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao izy ireo. Izy io dia mifanaraka amin’ny teny nanoratana ny Baiboly tany am-boalohany, izay nahitana ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah, im-7 000 teo ho eo. Efa 165 tapitrisa mahery izao ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao natao pirinty, na manontolo izany na ny ampahany aminy. Misy amin’ny fiteny 83 izy io. Koa inona àry no antony tsy hampiasantsika ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah?

[Sary, pejy 21]

Hita im-7 000 eo ho eo ny hoe Jehovah ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Misy amin’ny fiteny 83 io Baiboly io manontolo na ny ampahany aminy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara