FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 8/10 p. 30
  • Topy Maso Eran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Topy Maso Eran-tany
  • Mifohaza!—2010
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tena Miaro ve ny Basy?
  • Moanina Manao Lokomena
  • Lamasinina Natokana ho An’ny Vehivavy
  • Tifitra Variraraka any An-tsekoly: Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
  • Lasa Hita Hatraiza Hatraiza ny Herisetra Ampiasana Basy: Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
Mifohaza!—2010
g 8/10 p. 30

Topy Maso Eran-tany

Tsy nosokajin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Mikaroka Momba ny Kansera hoe “mety hahatonga kansera” intsony ny fampiasana taratra ultraviolet mba hahazarazara hoditra, fa “tena mahatonga kansera.”—THE LANCET ONCOLOGY, GRANDE-BRETAGNE.

Ny 9 amin’ireo vehivavy 10 bevohoka any Arzantina no mitondra vohoka tsy nirina.—CLARÍN, ARZANTINA.

“Mahita biby sy zavamaniry vaovao foana ny mpahay siansa. Karazany 50 eo ho eo no hita isan’andro, ary 17 000 no hita tamin’ny 2006 fotsiny. Izany dia iray isan-jato eo ho eo amin’ireo karazam-biby sy zavamaniry 1,8 tapitrisa nomena anarana.”—TIME, ETAZONIA.

Tena Miaro ve ny Basy?

Miaro ve ny manana basy rehefa misy manafika? Hita tamin’ny fandinihana nataon’ny Oniversite Fianarana ho Mpitsabo any Pennsylvanie, Etazonia, fa tsy miaro izany amin’ny ankapobeny. Hitan’ny mpikaroka fa ireo manana basy, dia “ahina ho voatifitra kokoa raha oharina amin’ireo tsy manana, ary avo 4,5 heny izany.” Ankoatra an’ireo, dia misy mahatifitra olona tsy nahy, na mitifi-tena, na koa voatifitry ny polisy. Eken’ny mpikaroka fa afaka miaro tena ihany ny olona sasany manana basy, kanefa vitsy izany. “Tokony hodinihina tsara indray raha miaro tokoa ny mitondra basy amin’ny toerana mampidi-doza”, hoy ireo mpikaroka.

Moanina Manao Lokomena

“Tena nanimba ny lazan’ny Bodista mpandala ny nentin-drazana” ireo moanina vaovao any Tailandy, hoy ny gazety iray any Bangkok. Manao lokomena sy akanjo mifinjifinjy mantsy izy ireo, sady “mampidoladola andilana rehefa mandeha ary mitondra poketra.” Nanahy momba izany ireo lehiben’ny Bodista, ka nanolo-kevitra hoe tokony hampianarina ny fihetsika mendrika ireo moanina vaovao, izay lehilahy miray amin’ny lehilahy koa. Nilaza ny mpitarika bodista iray, fa tsy rarana ny firaisan’ny samy lehilahy eo amin’ny moanina, “satria raha tsy izany, dia ny antsasany mahery amin’izy ireo no voatery roahina.”

Lamasinina Natokana ho An’ny Vehivavy

An-taonany maro ireo vehivavy tany Inde no nijaly rehefa nandeha lamasinina. Nisisika be mantsy tao, ary ireo lehilahy mpandeha koa nanadala, nitazontazona, nanongo, nijerijery, na nanompa. Nihamaro ny fitarainana ka nanapa-kevitra ny fitondrana fa tsy mahazo mandeha amin’ny zotra sasany ny lehilahy, araka ny The Telegraph, gazety any Calcutta. Nasiana “Lamasinin’ny Andriambavilanitra” àry ireo tanàna efatra lehibe indrindra any Inde, dia i New Delhi, Mumbai, Chennai, ary Calcutta. Voalaza fa tena faly ireo mpandeha.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara