Ahoana no Ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah Rehefa Mampianatra Baiboly?
Ataony isaky ny foto-kevitra izany, ary matetika izy ireo no mampiasa ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Ireto ny sasany amin’ireo toko 19 hita ao:
“Inona no Marina Momba An’Andriamanitra?”
“Iza i Jesosy Kristy?”
“Aiza no Misy ny Maty?”
“ ‘Andro Farany’ ve Izao Iainantsika Izao?”
“Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Fijaliana Hisy?”
“Ahoana no Hahasambatra ny Fianakavianao?”
Asaina manontany ny mpianatra ary aseho azy ao amin’ny Baiboly ny valiny. Izy ireo ihany avy eo no manapa-kevitra izay fivavahana tiany harahina, rehefa avy nianatra Baiboly.
Raha te hianatra Baiboly sy hanafatra an’io boky io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy 5 amin’ity gazety ity.
□ Mba andefaso amin’ilay boky aseho eto aho.
□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.