FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 1/13 p. 12-13
  • Fitsidihana An’i Cameroun

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitsidihana An’i Cameroun
  • Mifohaza!—2013
Mifohaza!—2013
g 1/13 p. 12-13

TANY SY MPONINA

Fitsidihana An’i Cameroun

TOA ny foko baka na Pygmée no nonina teto Cameroun voalohany. Tonga ny Portogey taorian’ny taona 1500. Lasan’ny Peul, izay foko silamo, ny tapany avaratr’i Cameroun, taonjato maro tatỳ aoriana. Ny 40 isan-jaton’ny mponina eto izao no milaza fa Kristianina, ny 20 isan-jatony Silamo, ary ny 40 isan-jato manaraka fivavahan-drazana.

Mamoaka boky sy gazety ara-baiboly amin’ny fiteny bassa, fiteny ampiasaina any Cameroun, ny Vavolombelon’i Jehovah

Tena tia mandray vahiny ny mponina any ambanivohitra. Arahabainy ny vahiny, ampandrosoiny ao an-trano, ary rosoany rano sy sakafo. Heveriny ho maniratsira azy ianao raha tsy mihinana izay arosony, fa mankasitraka azy kosa raha mihinana.

Ahoana no hanombohana ny resaka? Miarahaba ny olona ao an-trano ianao, ary manontany fahasalamana. Fanao koa aza ny manontany ny fahasalaman’ny biby fiompy! Hoy i Joseph, avy any an-toerana: “Tsy ampy ny miteny hoe ‘veloma’ rehefa handeha ny vahiny. Matetika no manatitratitra azy ny tompon-trano sady miresadresaka. Manao veloma izy avy eo ary miverina. Mety hihevitra ilay vahiny hoe tsy faly tamin’ny nahatongavany ny tompon-trano raha tsy manao azy an’izany.”

Fahita eny amin’ny Reniranon’i Sanaga ny lakana. Izay fitaovana misy no anaovana lain-tsambo

Vilia iray ihany no iraisan’ny mpinamana indraindray rehefa miara-misakafo, ary raisina amin’ny tanana ny sakafo. Mariky ny firaisan-tsaina izany eto Cameroun. Atao koa io fomba io rehefa hamitram-pihavanana ny olona roa na maromaro. Rehefa miara-misakafo toy izany izy ireo dia toy ny milaza hoe: “Efa mihavana tsara indray isika izao.”

Misy fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah 300 mahery any Cameroun, ary olona 65 000 eo ho eo no mianatra Baiboly

TOPY MASO

Mirefy 1,2 metatra ka hatramin’ny 1,42 metatra ny ankamaroan’ny Pygmée efa olon-dehibe

  • Mponina: 20 tapitrisa eo ho eo

  • Renivohitra: Yaoundé

  • Toetany: Mafana sy maina ny tapany avaratra, fa mando ny morontsiraka

  • Zavatra aondrany: Menaka, kakaô, kafe, landihazo, hazo, aliminioma

  • Fiteny: Anglisy, frantsay, ary fiteny sy fitenim-paritra afrikanina 270 eo ho eo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara