FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 4/13 p. 12-13
  • Fitsidihana An’i Indonezia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitsidihana An’i Indonezia
  • Mifohaza!—2013
Mifohaza!—2013
g 4/13 p. 12-13

TANY SY MPONINA

Fitsidihana An’i Indonezia

FITAMBARANA nosy 17 000 eo ho eo i Indonezia. Miavaka ny mponina eto satria tena sariaka, manam-paharetana, mahalala fomba, ary tia mandray vahiny.

Vary sy laoka ary voankazo no sakafon’izy ireo. Asiany zavamanitra mampahatsiro sakafo ny laoka matetika. Eo ambony tsihy ny mpianakavy any amin’ny faritra sasany no misakafo, ary mihinam-bary amin’ny tanana ry zareo. Maro ny Indonezianina milaza fa matsiro kokoa ny sakafo hanina amin’ny tanana.

Be mpitia ny voankazo durione (karazana ampalibe kely) na dia mahery fofona aza. Malemilemy mantsy ny nofony sady matsiro be

Tia zava-kanto sy dihy ary mozika ny Indonezianina. Mampiavaka an-dry zareo ny zavamaneno antsoina hoe anklong. Volotsangana maromaro alahatra sy ahantona amin’ny tsivalan-kazo izy io, ary mamoaka feo isan-karazany rehefa ahetsiketsika. Tsy maintsy mahay manetsiketsika ny azy ara-potoana ny mpilalao maromaro mba hamoahana mozika mahafinaritra.

Io no lehibe indrindra amin’ny karazana rajako mipetraka eny ambony hazo. Fahita any amin’ny ala tropikalin’i Sumatra sy Bornéo izy ireo. Mety hahatratra 90 kilao ny lahy ary mety hahatratra roa metatra sy sasany latsaka kely ny halavan’ny tanany roa raha atambatra

Nanjaka teto Indonezia ny Hindoisma sy ny Bodisma, talohan’ny taonjato faha-15. Nahazo vahana indray ny Silamo taloha kelin’ny taonjato faha-16. Tonga nitady zavamanitra mampahatsiro sakafo ny Eoropeanina tamin’ny taonjato faha-16, ary nitondra ny Fivavahana Kristianina.

Ny asa fampianarana Baiboly no ahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Nitory teto izy ireo nanomboka tamin’ny 1931. Misy Vavolombelona 22 000 mahery izao eto, ary miezaka mitory amin’ny marenina izy ireo. Nanao fivoriana manokana tamin’ny tenin’ny tanana ny Vavolombelon’i Jehovah, vao haingana, mba hahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy. Nisy 500 mahery ny mpanatrika.

HAINAO VE?

Iza amin’ireto no misy any Indonezia?

  1. karazana zavamaniry 20 000

  2. karazana biby mampinono betsaka indrindra eto an-tany

  3. voninkazo lehibe indrindra eto an-tany

  4. voninkazo avo indrindra eto an-tany

Valiny: Izy efatra. Mahatratra 91 santimetatra ny savaivon’ny voninkazo lehibe indrindra eto an-tany. Mahatratra telo metatra ny voninkazo avo indrindra.

TOPY MASO

  • Mponina: 237 600 000

  • Renivohitra: Jakarta

  • Toetany: Mafana

  • Zavatra aondrany: Menaka palmie, fingotra, solitany, ary arintany

  • Fiteny: Bahasa indonezia, sy fitenim-paritra an-jatony

  • Fivavahana: Silamo (88 isan-jaton’ny mponina)

Avoaka amin’ny fiteny 98 izao ny Mifohaza! ary anisan’izany ny teny bahasa indonezia

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara