FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 5/13 p. 12-13
  • Kyrosy Lehibe

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Kyrosy Lehibe
  • Mifohaza!—2013
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • AHOANA NO NANDRESEN’I KYROSY AN’I BABYLONA?
  • FAMINANIANA MAHAVARIANA
  • FANAFAHANA TSY NAMPOIZINA
  • NAHOANA IZANY NO TOKONY HO FANTATRAO?
  • Kyrosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mandao An’i Babylona ny Vahoakan’Andriamanitra
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Boky Iray Azonao Itokisana—Fizarana 4
    Mifohaza!—2011
  • “Andriamanitra Marina Sady Mpamonjy” i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
Hijery Hafa
Mifohaza!—2013
g 5/13 p. 12-13

Fasan’i Kyrosy

FIANARANA AVY TAMIN’NY LASA

Kyrosy Lehibe

Sendra ny patsa iray tsy omby vava i Babylona, renivohitry ny Fanjakana Babylonianina, ny alin’ny 5 Oktobra 539 Talohan’i Kristy (T.K.). Tamin’io alina niavaka io ilay tanàna no noravan’ny tafiky ny Medianina sy Persianina notarihin’i Kyrosy na Kyrosy Lehibe, mpanjaka persianina. Nahomby ny tetikadiny.

AHOANA NO NANDRESEN’I KYROSY AN’I BABYLONA?

Hoy ny boky Mpitondra Fahiny: Kyrosy Lehibe (anglisy): “I Babylona no tanàna lehibe indrindra tany amin’ny faritra atsinanan’ny Ranomasina Mediterane, ary angamba ny tanàna lehibe indrindra teto an-tany, tamin’i Kyrosy nikasa hanafika azy.” Mandalo ao Babylona ny Reniranon’i Eofrata, sady nameno rano an’ilay hadivory nanodidina ny rindrim-ben’i Babylona. Tena voaro ilay tanàna ka toa tsy ho resy mihitsy.

Navilin’ny miaramilan’i Kyrosy ny Reniranon’i Eofrata ka niharìtra ny rano tao Babylona. Afaka niroboka an’ilay renirano àry izy ireo, ary tonga teo am-bavahadin’ny tanàna. Tsy nihidy ilay vavahady ka mora notafihina i Babylona. Nilaza i Hérodote sy Xénophon, mpahay tantara grika, fa tsy nanana ahiahy ny Babylonianina tao amin’ilay tanàna voaro, tamin’ilay alina nanafihana azy. Nanao fanasambe izy ireo, anisan’izany ny mpanjaka. (Jereo ilay efajoro hoe “Misy Sora-tanana eo Amin’ny Rindrina.”) Nanatanteraka faminaniana vitsivitsy ao amin’ny Baiboly ilay fandresen’i Kyrosy.

Voalazan’ny Baiboly mialoha ny handresen’i Kyrosy an’i Babylona

FAMINANIANA MAHAVARIANA

Miavaka ny faminanian’i Isaia satria nosoratana 200 taona teo ho eo mialoha, izany hoe tokotokony ho 150 taona talohan’ny nahaterahan’i Kyrosy. Diniho ireto:

  • Lehilahy atao hoe Kyrosy no handresy an’i Babylona sy hanafaka ny Jiosy.—Isaia 44:28; 45:1.

  • Ho ritra ny Reniranon’i Eofrata, ka ho azon’ny miaramilan’i Kyrosy hirobohana.—Isaia 44:27.

  • Havela hisokatra ny vavahadin’ilay tanàna.—Isaia 45:1.

  • ‘Tsy hiady intsony’ ny miaramilan’i Babylona.—Jeremia 51:30; Isaia 13:1, 7.

FANAFAHANA TSY NAMPOIZINA

Nandrava an’i Jerosalema ny tafika babylonianina tamin’ny 607 T.K. ary nentiny ho babo ny ankamaroan’ny Jiosy. Hafiriana izy ireo no ho babo? Hoy Andriamanitra: “Rehefa tapitra ny fitopolo taona, dia hataoko ampamoaka ny mpanjakan’i Babylona sy izany firenena izany noho ny fahadisoany [ary] hataoko lao mandritra ny fotoana tsy voafetra.”—Jeremia 25:12.

Efa hitantsika hoe resin’i Kyrosy i Babylona, tamin’ny 539 T.K. Nafahany ireo Jiosy, taoriana kelin’izay. Nanomboka niverina tany an-tanindrazany izy ireo tamin’ny 537 T.K., izany hoe 70 taona katroka taorian’ny namaboana azy. (Ezra 1:1-4) Mbola tanteraka koa ny faminanian’ny Baiboly momba an’i Babylona, satria “lao” izy io, tatỳ aoriana.

NAHOANA IZANY NO TOKONY HO FANTATRAO?

Diniho izao: Noresahin’ny Baiboly mialoha fa 1) ho babo 70 taona ny Jiosy, 2) ho resin’i Kyrosy i Babylona ka efa voalaza hatramin’ny paikady hampiasainy, ary 3) ho lao tanteraka i Babylona. Tsy ho avy amin’olombelona mihitsy izany faminaniana izany. Hita kosa hoe mitombina kokoa ity voalaza ity: “Tsy avy tamin’ny sitrapon’olombelona na oviana na oviana ny faminaniana, fa avy tamin’Andriamanitra kosa no nitenenan’ny olona.” (2 Petera 1:21) Tena tokony handinika ny Baiboly àry isika.

MOMBAMOMBA AZY

  • Voalaza fa teraka tamin’ny taona 600 T.K. tany ho any i Kyrosy, ary maty tany an’ady tamin’ny 530 T.K. tany ho any.

  • Mbola azo jerena ao Pasargades, any Iran, ny fasany. Tanàna persianina fahiny naorin’i Kyrosy izy io ary toeram-pikarohana ny any ambanin’ny tany ankehitriny.

  • Ny Varingarin’i Kyrosy

    Ahatsiarovana ny nandreseny an’i Babylona sy ny nanafahany an’ireo Jiosy sy ny olon-kafa babo tao ny Varingarin’i Kyrosy. Mirefy 23 santimetatra io varingarina tanimanga io ary “anisan’ny sarobidy indrindra amin’ireo sisan-javatra fahiny misy ifandraisany amin’ny Baiboly.”

  • Mbola manaja be an’i Kyrosy ny Persianina hatramin’izao.

“MISY SORA-TANANA EO AMIN’NY RINDRINA”

“Nanao fanasambe ho an’ny olo-manan-kajany arivo lahy” i Belsazara, mpanjakan’i Babylona, tamin’ilay alina nanafihan’i Kyrosy. Nisy tanana nipoitra teo amin’ilay rindrina voalalotra tsara tao an-dapan’ny mpanjaka, ary nanoratra teo imason’ny rehetra hoe: “MENE, MENE, TEKELA, ary PARSINA.”a—Daniela 5:1, 5, 25.

Natahotra be i Belsazara. I Daniela mpaminany no nanazava taminy ny dikan’ilay teny tsy fantatra. Nilaza i Daniela fa ‘hofaranana’ ny fanjakan’i Belsazara, “nolanjaina tamin’ny mizana” izy ka hita fa maivan-danja, ary “homena ho an’ny Medianina sy ny Persianina” i Babylona. (Daniela 5:26-28) Tanteraka tamin’ny an-tsipiriany izany. Lasa fomba fiteny any amin’ny tany sasany ilay hoe: “Misy sora-tanana eo amin’ny rindrina.” Entina ilazana loza mananontanona izany.

a Entina ilazana lanjam-bola ireo teny ireo. Misy fanazavana fanampiny ao amin’ny toko 7 amin’ny boky Diniho ny Faminanian’i Daniela!, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara