FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 1/15 p. 10-11
  • Fitsidihana An’i Costa Rica

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitsidihana An’i Costa Rica
  • Mifohaza!—2015
Mifohaza!—2015
g 1/15 p. 10-11
Morontsirak’i Costa Rica, tazanina avy eny ambony

TANY SY MPONINA

Fitsidihana An’i Costa Rica

Sarintanin’izao tontolo izao ahitana an’i Costa Rica

TONGA voalohany tany ny Espaniola, dimanjato taona lasa izay. Nantsoin’izy ireo hoe Costa Rica (na Morontsiraka Manankarena) ilay tany, satria nanantena ny hahita volamena be dia be tany ry zareo. Tsy nahita anefa izy ireo na dia kely aza. Manankarena tokoa aloha ilay tany, saingy tsy volamena no betsaka any fa biby sy zavamaniry isan-karazany.

Lasa nantsoina hoe Ticos ny olona any Costa Rica, satria rehefa miresaka izy ireo dia matetika no manampy tovana “-ico”, izay midika hoe “kely.” Rehefa te hiteny, ohatra, izy ireo hoe “un momento” (na andraso vetivety), dia matetika no milaza hoe “un momentico” (na andraso kely vetivety). Fiteny mahazatra ny olona any koa ny hoe “¡pura vida!” (tsara ny fiainana an!), rehefa misy zavatra tiany, na ekeny, na koa rehefa miarahaba sy manao veloma.

Sahona mena maso mpiani-kazo

Mahavariana ny alan’i Costa Rica satria tena feno zavamaniry sy biby isan-karazany, anisan’izany ity sahona mena maso mpiani-kazo ity (Agalychnis callidryas)

Anisan’ny sakafo be mpitia any Costa Rica ny gallo pinto (midika hoe “akoholahy misy pentimpentina), izay tsy inona fa vary sy tsaramaso. Samy andrahoana mitokana aloha izy ireo, fa avy eo afangaro dia asiana saosy. Mety foana izy io, na atao sakafo maraina na antoandro na hariva. Fisotron’ny olona koa ny café chorreado. Mampiasa kitapon-kafe hoatra antsika ry zareo, saingy misy tongony hazo ilay izy.

Misy 450 eo ho eo ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Costa Rica. Atao amin’ny fiteny folo ny fivorian’izy ireo, ka anisan’izany ny tenin’ny tanana fampiasa any, sy fitenim-paritra roa, dia ny bribri sy cabecar.

FANTATRAO VE? Misy vato voatefy boribory tsara an-jatony any Costa Rica. Mahatratra 2,4 metatra ny savaivon’ny lehibe indrindra amin’izy ireny. Heverina fa efa nisy hatramin’ny 1 400 taona mahery ny sasany aminy! Tsy fantatra mihitsy anefa ny antony nanaovana azy ireny.

Vato voatefy boribory any Costa Rica

Vato boribory

TOPY MASO

  • Mponina: 4 878 000

  • Renivohitra: San José

  • Fiteny: Espaniola

  • Vohon-tany: Lemaka ny any amoron-tsiraka, ary be tendrombohitra ny afovoan-tany

  • Fitondram-panjakana: Repoblika demokratika

HAINAO VE?

Inona amin’ireto no mampiavaka an’i Costa Rica?

  1. A. Betsaka olona mahay mamaky teny indrindra, amin’ireo tany tandrefana

  2. B. Manana tafika lehibe sy matanjaka

  3. D. Manana nosy kely nanaovana fikarohana harena miafina, efa in-500 mahery

Valiny: A sy D. Nosy Cocos no anaran’ilay nosy eo amin’ny D. Any amin’ny 560 kilaometatra eo ho eo miankandrefana, no misy azy io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara