FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 9/15 p. 3-6
  • Ahoana no Fiheveranao ny Vola?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Fiheveranao ny Vola?
  • Mifohaza!—2015
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • FOMBA FIJERY DISO
  • INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?
  • AHOANA NO FIHEVERANAO NY VOLA?
  • Ny Vola ve no Fototry ny Ratsy Rehetra?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Vola
    Mifohaza!—2014
  • Ahoana no Hahaizana Mitantam-bola?
    Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
  • Ahoana no Tokony Hiheverana ny Vola?
    Mifohaza!—2007
Hijery Hafa
Mifohaza!—2015
g 9/15 p. 3-6
Lehilahy miandrandra mijery antontana vola madinika

MATOAN-DAHATSORATRA

Ahoana no Fiheveranao ny Vola?

FANDRE matetika ny hoe: “Ny vola no hozatry ny fiainana.” Misy mahamarina azy ihany izany. Ilaina mantsy ny vola mba hividianana sakafo, akanjo, handoavana hofan-trano na hividianana trano. Hoy ny mpanao gazety iray: “Tena ilaina eo amin’ny fiaraha-monina ny vola. Iray volana ihany isika dia hiady saina sy hisahotaka, raha tsy ampiasaina amin’ny fifanakalozana intsony ny vola.”

Voafetra anefa ny zavatra vitan’ny vola. Hoy ilay poety norvezianina atao hoe Arne Garborg: “Ny sakafo no voavidim-bola fa tsy ny fahazotoan-komana, ny fanafody fa tsy ny fahasalamana, ny fandriana tsara fa tsy ny torimaso, ny fahalalana fa tsy ny fahendrena, ny haingo fa tsy ny hatsaran-tarehy, ny harena fa tsy ny fitiavana, ny fahafinaretana fa tsy ny fifaliana, ny olom-pantatra fa tsy ny namana, ny mpanompo fa tsy ny olona mendri-pitokisana.”

Ho afa-po eo amin’ny fiainana ny olona iray, raha tsy ny vola no zava-dehibe indrindra aminy. Hoy mantsy ny Baiboly: ‘Fitiavam-bola no anisan’ny fototr’izao karazan-javatra ratsy rehetra izao. Ary nikely aina ho amin’izany ny sasany, ka nanindrona ny tenany tamin-javatra maro mampanaintaina.’—1 Timoty 6:10.

Mariho fa tsy ny vola no ratsy fa ny fitiavam-bola. Raha tia vola loatra mantsy ny olona iray, dia mety ho simba ny fifandraisany amin’ny namany sy ny havany. Ireto misy ohatra:

Vola miraradraraka ka lasa miavosa

Dera:a “Mpinamana izahay sy Ranto. Nieritreritra foana aho hoe olona mahafinaritra sy mendri-pitokisana izy. Tsisy olana mihitsy teo aminay, raha tsy tamin’izy nividy an’ilay fiara efa nampiasaiko. Izaho tsy nahalala hoe nisy tsy nety tao amin’ilay izy. Nanaiky hanao fifanekena an-tsoratra anefa izy hoe hovidiny ilay fiara na inona na inona tsininy. Kanjo simba ilay izy telo volana tatỳ aoriana. Tezitra be i Ranto. Namitaka azy, hono, aho, dia nasainy naveriko ny volany. Tsy nampoiziko ny fihetsiny. Mba niezaka nampisaintsaina azy aho, fa izaho indray no nilany ady. Niova be i Ranto raha vao nipoitra ny olana ara-bola.”

Meva: “Tsy manana iray tam-po afa-tsy Mialy aho. Nifanaraka tsara izahay, ka tsy nieritreritra mihitsy aho hoe hampisy disadisa eo aminay ny resa-bola. Nefa inona tokoa! Namela lova kely ho anay mirahavavy i Dada sy Neny rehefa maty. Nataony mazava tsara hoe tokony hozaraina mitovy ny vola. Tian’i Mialy hatao betsabetsaka anefa ny azy. Izaho kosa te hanaraka ny tenin’i Dada sy Neny. Tezitra be i Mialy dia norahonany aho. Mbola tezitra amiko foana izy hatramin’izao.”

FOMBA FIJERY DISO

Mety hahatonga antsika hitsaratsara ny hafa ny fiheverantsika ny vola. Ny mpanankarena, ohatra, mety hieritreritra hoe kamo ny olona iray matoa mahantra. Ny mahantra indray mety hieritreritra hoe tia tena sy tia vola ny olona iray matoa manankarena. Notsaratsarain’ny olona hoatr’izany ny ankizivavy iray atao hoe Ony. Hoy izy:

Mbola mahasoa antsika hatramin’izao ny torohevitry ny Baiboly momba ny vola

“Zanaky ny mpanana no nahalalan’ny olona ahy. Matetika àry aho no naheno olona niteny hoe: ‘Indrỳ ange mangataka amin’ny dadan-drỳ fotsiny dia efa azon-drỳ izay tadiavin-drỳ e!’ na hoe ‘Izahay akory tsy hoe mpanankarena daholo, ka ho afaka hividy aotomobilina tsara be hoatr’anareo.’ Noteneniko ry zareo tamin’ny farany mba tsy hanao hoatr’izany intsony, satria nankarary ny foko ilay izy. Tsy olona mpanankarena no tiako hahafantarana ahy, fa olona tia manampy ny hafa.”

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Tsy milaza ny Baiboly hoe ratsy ny vola. Tsy manakiana ny olona manam-bola koa izy io, eny fa na dia ireo manam-bola be aza. Tsy ny habetsahan’ny vola ananan’ny olona mantsy no olana fa ny toe-tsainy, na kely na be ny vola ananany. Voalanjalanja ny torohevitry ny Baiboly momba ny vola, ary mbola mahasoa antsika hatramin’izao. Ireto misy ohatra vitsivitsy.

HOY NY BAIBOLY: “Aza mandrera-tena mikatsaka harena.”—Ohabolana 23:4.

Hoy ny boky Mihanaka toy ny Aretina ny Fitiavan-tena (anglisy): Ny olona tia vola loatra dia atahorana kokoa “harary saina, harary tenda, lamosina, loha, na zavatra hafa, ary atahorana kokoa hisotro toaka be na hidoroka zava-mahadomelina. Toa tsy sambatra akory ny olona miezaka mafy mba ho lasa mpanefohefo.”

HOY NY BAIBOLY: “Aoka ny fomba fiainanareo tsy hisy fitiavam-bola, fa aoka ianareo hianina amin’izay efa eo.”—Hebreo 13:5.

Mety hiady saina amin’ny resaka vola ihany ny olona, na dia mahay mianina amin’izay ananany aza. Tsy ny vola anefa no heveriny ho zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Tsy mikorontan-tsaina be loatra, ohatra, izy raha very vola. Miezaka kosa izy hanahaka ny toe-tsain’ny apostoly Paoly, izay nilaza hoe: “Haiko tsara ny hoe ao anatin’ny tsy fisiana, ary haiko tsara koa ny hoe manam-be. Tamin’ny zava-drehetra sy tao anatin’ny toe-javatra rehetra, dia efa nianatra ny ho voky sy ho noana aho, ary ny hanam-be sy hihafy.”—Filipianina 4:12.

HOY NY BAIBOLY: “Ho lavo izay matoky ny harenany.”—Ohabolana 11:28.

Milaza ny mpikaroka fa olana ara-bola matetika no mahatonga ny mpivady hisaraka. Io koa no anisan’ny mahatonga ny olona hamono tena. Amin’ny olona sasany, dia ny vola no zava-dehibe kokoa noho ny voadim-panambadiana, na ny ainy mihitsy aza! Tsy mitoky amin’ny vola kosa ny olona mahay mandanjalanja. Ataony ao an-tsaina ilay tenin’i Jesosy hoe: “Na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.”—Lioka 12:15.

AHOANA NO FIHEVERANAO NY VOLA?

Lehilahy mijery fitaratra ary misy antontana vola eo akaikiny

Ilaina ny mandini-tena mba hahaizana mandanjalanja. Eritrereto hoe:

  • Mahaliana ahy ve ny raharaham-barotra lazaina fa ahazoam-bola be haingana?

  • Mahihitra ve aho?

  • Ireny olona tia miresaka vola sy fananana ireny ve no tiako hatao namana?

  • Mandainga ve aho na mamitaka olona mba hahazoana vola?

  • Mahatonga ahy hanambony tena ve ny vola ananako?

  • Vola foana ve no ao an-tsaiko?

  • Tia vola loatra ve aho, ka lasa misy vokany eo amin’ny fahasalamako sy ny fifandraisako amin’ny fianakaviako izany?

    Miezaha halala-tanana

Raha misy mihatra aminao ireo, dia ataovy izay hialana amin’ny faniriana na fakam-panahy te hanan-karena. Aza minamana amin’ny olona tia vola aman-karena. Olona mihevitra ny toro lalan’ny Baiboly ho zava-dehibe kosa atao namana.

Aza avela hibahan-toerana ao am-ponao ny fitiavam-bola. Aza atakalo vola ny namanao sy ny fianakavianao ary ny fahasalamanao. Ho hita hoe mahay mandanjalanja eo amin’ny resaka vola ianao, raha manao an’izany.

a Novana ny anarana ato.

Vehivavy roa mifampijery sady samy tezitra

ZAVA-DEHIBE KOKOA NOHO NY VOLA NY FIANAKAVIANA

“Nanao didim-pananana i Dada, vao haingana. Nataony kely kokoa noho ny an’ireo zokiko mianadahy ny anjarako. Niresaka momba an’ilay izy izahay mianaka. Azoko tsara ny antony nandraisany an’ilay fanapahan-kevitra, ary nanaja an’izany aho. Tsy havelako hanimba ny fifandraisanay mianakavy mihitsy ny resa-bola, satria tsy izany no zava-dehibe indrindra.”—Rivo, 55 taona.

BE MPITIA KOKOA IZAY MANAM-BOLA

“Ankahalaina ny mahantra, ary na ny namany aza mankahala azy, fa maro kosa ny naman’ny mpanankarena.”—Ohabolana 14:20.

Hitantsika avy amin’io andinin-teny io, fa mety hisy vokany eo amin’ny fomba itondrantsika ny hafa ny fiheverantsika ny vola. Mety hanambany an’ireo mahantra sy tsy afaka manao zavatra ho antsika, ohatra, isika, fa hila ranondranony amin’ny mpanankarena, amin’izay mahazo sitraka aminy na hoe homeny vola.

Melohin’ny Baiboly ny olona manavakavaka, izany hoe ireo manambany ny mahantra na “mandoka olona mba hahazoana tombony.” (Joda 16; Isaia 10:1, 2) Miezaha àry mba tsy hizaha tavan’olona.

TOROHEVITRY NY BAIBOLY

Milaza ny Baiboly fa...

  • ‘Fiarovana ny vola.’ —MPITORITENY 7:12.

Mampitandrina koa anefa izy io hoe...

  • ‘Tsy hitoetra ho tsy manan-tsiny izay maimay te hanan-karena.’—OHABOLANA 28:20.

  • “Izay tapa-kevitra ny ho tonga mpanankarena dia latsaka ao amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny faniriana maro tsy misy antony sady manimba.” —1 TIMOTY 6:9.

Mampirisika antsika àry ny Baiboly hoe...

  • “Aoka ny fomba fiainanareo tsy hisy fitiavam-bola.” —HEBREO 13:5.

  • “Mitandrema amin’izay rehetra mety ho fitsiriritana, satria na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.”—LIOKA 12:15.

  • “Aza manadino hanao soa sy hizara amin’ny hafa.” —HEBREO 13:16.

Inona no soa ho azo avy amin’izany?

  • “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—ASAN’NY APOSTOLY 20:35.

  • “Hovalian-tsoa ny olona malala-tanana, ary izay manao soa be dia be, dia handray soa be dia be koa.”—OHABOLANA 11:25.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara