FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 9/15 p. 7
  • Maresaka Momba An’i Moyen-orient

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Maresaka Momba An’i Moyen-orient
  • Mifohaza!—2015
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mpanamboatra Divay Tany Kanana
  • Nitombo Haingana be ny Mponina
  • Nahita Vola Madinika Nafenina
  • Divay sy Toaka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ny Fahagagana Voalohany Nataon’i Jesosy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Inona no fiheverana kristiana momba ny alkaola?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Ny fahagagana voalohany nataon’i Jesosy
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
Hijery Hafa
Mifohaza!—2015
g 9/15 p. 7
Arabe feno olona sy mpivarotra amoron-dalana any Moyen-Orient

TOPY MASO ERAN-TANY

Maresaka Momba An’i Moyen-orient

Nanomboka tany Moyen-Orient, izany hoe ny faritra atsinanan’ny Ranomasina Mediterane, ny ankamaroan’ny fandrosoana misy ankehitriny. Tsy mahagaga raha mahita zavatra maro any ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany.

Mpanamboatra Divay Tany Kanana

Siny lehibe telo

Nahita efitra lehibe fitehirizana divay tany ambany lakaly ny mpikaroka, tamin’ny 2013. Nampiasaina tamin’ny 3 700 taona lasa izy io. Nisy siny lehibe 40 tao, izay mahazaka divay mitovy amin’ny divay 3 000 tavoahangy amin’izao. Nitandrina tsara ny Kananita rehefa nanamboatra divay. Hita tamin’ny ambinambiny tao mantsy fa mitovy daholo ny taharon’ny divay tao amin’ny siny tsirairay.

FANTATRAO VE? Milaza ny Baiboly fa nahavita divay “faran’izay tsara” ny Israelita fahiny, ary nitahiry an’izany tao anaty siny lehibe.—Tononkiran’i Solomona 7:9; Jeremia 13:12.

Nitombo Haingana be ny Mponina

Milaza ny gazety The Guardian fa manan-tombo 560 000 ny zaza teraka tany Ejipta tamin’ny 2012, raha oharina amin’ny tamin’ny 2010. “Mbola tsy nisy hoatr’izany teo amin’ny tantaran’i Ejipta”, hoy i Magued Osman, avy ao amin’ny Baseera, fikambanana mpanao fikarohana any an-toerana. Milaza ny manam-pahaizana fa vao mainka tsy ho ampy ny rano sy ny angovo ary ny sakafo, raha toy izao foana ny fitomboan’ny mponina.

FANTATRAO VE? Tian’Andriamanitra ‘hameno ny tany’ ny olombelona, kanefa tsy hoe feno loatra. Tiany hanana ny ampy koa ny rehetra.—Genesisy 1:28; Salamo 72:16.

Nahita Vola Madinika Nafenina

Nahita vola madinika halimo 100 mahery teo amoron’ny lalambe iray tany Israely ny mpikaroka. Nisy soratra hoe “Taona Fahefatra” teo amin’izy ireo. Ny taona fahefatra nikomian’ny Jiosy tamin’ny Romanina izy io (taona 69-70). Io ilay fikomiana nitarika ny fandravana an’i Jerosalema. Hoy i Pablo Betzer, lehiben’ireo mpanao fikarohana: “Mety ho efa nihananatona ny tafika romanina tamin’izay, ka tsinjon’ilay olona hoe efa ho rava ilay tanàna. Nafeniny àry ny volany, satria nanantena izy fa ho afaka haka azy ireo any aoriana.”

FANTATRAO VE? Nilaza i Jesosy, tamin’ny taona 33, fa hanao fahirano an’i Jerosalema ny Romanina. Nasainy nandositra tany an-tendrombohitra àry ny Kristianina mba ho voaro.—Lioka 21:20-24.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara