FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 9/15 p. 10-11
  • Hérodote

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hérodote
  • Mifohaza!—2015
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • TSY TANTARA FOTSINY
  • MARINA VE NY ZAVATRA NOSORATANY?
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Hofra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Dia An-tsambo Fahiny Niala teo Mediterane
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Spelta
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Mifohaza!—2015
g 9/15 p. 10-11
Sarivongan’i Hérodote

FIANARANA AVY TAMIN’NY LASA

Hérodote

INONA no kolontsain’ny olona, an’arivony taona lasa izay? Nanao ahoana ny fiainana? Tsy afaka manome valiny feno ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany. Hahalala ny toe-tsain’ny olona fahiny anefa isika, raha nisy olona nandrakitra an-tsoratra ny zava-nisy tamin’ny androny. Nanao an’izany i Hérodote, izay velona efa ho 2 400 taona lasa izay. Mpahay tantara grika tamin’ny taonjato fahadimy Talohan’i Kristy (T.K.) izy, ary Ny Tantara no lohatenin’ilay boky nosoratany.

Nosoratan’i Hérodote tao anaty boky ny anton’ireo ady nataon’ny Grika, indrindra fa ny antony nahatonga ny Persianina hanafika an’io firenena io, tamin’ny taona 490 sy 480 T.K. Mbola kely i Hérodote tamin’ilay fanafihana faharoa. Tsy izay ihany anefa no noresahiny, fa izay rehetra fantany momba an’ireo firenena notafihin’ny Persianina.

TSY TANTARA FOTSINY

Mpanoratra nanan-talenta i Hérodote. Tiany ho feno tsara ny zavatra nosoratany, ka nampidiriny tao izay tsipirian-javatra hitany hoe nilaina. Tena niavaka ny zava-bitan’i Hérodote, satria tsy nahita tantaram-pirenena azony nakana hevitra izy.

Tsy nisy nisahirana nanoratra tantara tamin’izany, raha tsy hoe mba hireharehana noho ny zava-bita miavaka angaha. Tsangambato koa no nasiana azy ireny. Inona àry no nataon’i Hérodote? Tsy maintsy niantehitra tamin’izay nolazain’ireo vavolombelona nahita maso sy ny lovantsofina ary ny zavatra hitany sy reny izy. Nitety faritra maro koa izy. Tao amin’ilay zanatany grika atao hoe Halicarnasse (na Bodrum ankehitriny, any Torkia) izy no nihalehibe, ary efa nitety tanàna maro tany Gresy.

Nitety faritra maro i Hérodote mba hanangonana fanazavana

Nianavaratra koa izy, ka nankany amin’ny Ranomasina Mainty sy Skytia, any Ukraine ankehitriny, avy eo nianatsimo, ka nankany Palestina sy Ejipta Ambony. Niantsinanana indray izy ka tonga hatrany Babylona, ary avy eo niankandrefana tany amin’ny zanatany grika iray, any amin’ny faritra atsimon’i Italia ankehitriny. Tany angamba izy no maty. Nijery ny zava-nisy izy tany amin’izay toerana nalehany ary nanadihady. Afaka nahazo fanazavana tamin’ireo olona hitany hoe azo nitokisana izy tamin’izany.

MARINA VE NY ZAVATRA NOSORATANY?

Sombina taratasy papyrus avy tamin’ilay boky “Ny Tantara”

Sombina taratasy papyrus avy tamin’ilay boky Ny Tantara

Maro no miaiky an’izany, rehefa jerena ny toerana nalehany sy ny zavatra hitany. Miresaka fomba amam-panao tsy fantatry ny olona tany Gresy, ohatra, izy. Anisan’izany ny fandevenana mpanjaka tany Skytia na ny fitehirizana faty tany Ejipta. Mifanaraka amin’ny zavatra hitan’ny mpikaroka ny fanazavany. Voalaza fa “sarobidy lavitra noho izay rehetra voasoratra fahiny” momba an’i Ejipta ny fanazavana be dia be nosoratan’i Hérodote momba an’io tany io.

Matetika anefa i Hérodote no niantehitra tamin’ny fanambarana tsy azo antoka. Nino koa ny olona tamin’ny androny fa miditra amin’ny fiainan’ny olona ny andriamanitry ny mpanompo sampy. Tsy mahafeno ny fepetra takin’ny mpahay tantara amin’izao àry ny zavatra sasany nosoratany. Niezahan’i Hérodote nosarahina anefa ny tena zava-misy sy ny angano. Notsoriny koa fa tsy inoany daholo ny zavatra nolazaina taminy. Izany no fanatsoahan-keviny rehefa avy nandinika sy nampitaha an’ireo loharanon-kevitra izy.

Ny namita an’ilay boky hoe Ny Tantara no nandanian’i Hérodote ny androatokom-piainany. Niavaka ny zava-bitany, satria tsy dia nanana boky azo nakana hevitra izy.

MOMBAMOMBA AZY

  • Nantsoin’i Cicéron, mpanoratra latinina, (106-43 T.K.) hoe Rain’ny Tantara i Hérodote. Toa ilay boky hoe Ny Tantara mantsy no mirakitra ny ankamaroan’ireo zava-nitranga fahiny, hatreo amin’ny fotoana niainan-dry Hérodote.

  • “Sangan’asa tsy tontan’ny ela” ny boky Ny Tantara, hoy ny mpanoratra iray. “Tsy tantara tsotra fotsiny no ao, fa ny siansa momba ny olombelona, jeografia, teolojia, filozofia, siansa momba ny politika, ary tantara mampalahelo.”

  • Afaka nitahiry fanazavana momba an’i Gresy sy ny Faritra Andrefan’i Azia ary Ejipta i Hérodote, tamin’ny fotoana tsy dia nisian’ny tantara momba an’izao tontolo izao.

Hevitry ny olona momba an’i Hérodote

Hoy i Arnaldo Momigliano, mpahay tantara: “Azonay porofoina fa azo ianteherana ny asa sorany. Nandinika tsara azy io koa ireo manam-pahaizana momba ny kolontsaina tatsinanana. Nanampy azy ireo ny fikarohana ny any ambanin’ny tany, moa ry zareo koa nahay an’ireo fiteny tsy hain’i Hérodote. Niaiky ry zareo fa marina ny zavatra nosoratan’i Hérodote momba izay hitany sy reny. Raha nisy diso tamin’ilay izy, dia mety hoe ireo olona nitantara taminy no namitaka azy, na tsy azony tsara ny zavatra noresahina taminy.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara