FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 9/15 p. 12-13
  • Fitsidihana An’i Nikaragoà

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitsidihana An’i Nikaragoà
  • Mifohaza!—2015
Mifohaza!—2015
g 9/15 p. 12-13
Ometepe, ilay nosy misy tendrombohitra volkano roa eo amin’ny Farihin’i Nikaragoà

Ny Nosy Ometepe no anisan’ny misongadina eo amin’ny Farihin’i Nikaragoà. Lonaka be izy io ary misy tendrombohitra volkano roa, izay ampitohizin’ny andilan-tany

TANY SY MPONINA

Fitsidihana An’i Nikaragoà

Sarin-tanin’i Nikaragoà

MATETIKA ny olona no miantso an’i Nikaragoà hoe tanin’ny farihy sy volkano. Any no misy ny farihy lehibe indrindra any Amerika Afovoany. Farihin’i Nikaragoà no anaran’izy io, ary antsoin’ny tompon-tany hoe Cocibolca, na “Ranomasina Mamy.” Misy nosy an-jatony ao. Io ihany no ranomamy misy hazandrano fahita any an-dranomasina, toy ny antsantsa, trondro mivava-tsofa, ary bekapoka.

Franzipanie, ilay voninkazo mampiavaka an’i Nikaragoà

Ny franzipanie no voninkazo mampiavaka an’i Nikaragoà

Any Nikaragoà koa no misy ny toerana mitokana indrindra any Amerika Afovoany, dia ny Morontsirak’i Mosquito. Mahatratra 65 kilaometatra ny sakan’izy io, ary manaraka ny morontsiraka atsinanan’i Nikaragoà ka hatrany Honduras ny lavany. Ny Miskito (na Mosquito) no anisan’ireo tompon-tany any. Efa talohan’ny nahatongavan’ny Eoropeanina, tamin’ny taonjato faha-16, izy ireo no nonina tany.

Mifankatia be ny Miskito ary miavaka ny kolontsainy. Tsy manana teny manaja toy ny hoe “Andriamatoa” na “Ramatoa”, ohatra, izy ireo. Izany no mahatonga ny ankizy any ambanivohitra hiantso ny olon-dehibe hoe “Dadatoa” na “Nenitoa”, na havany ilay olona na tsia. Izao no fanaon’ny vehivavy mpinamana akaiky na mpihavana rehefa mifampiarahaba: Ataony mifampikasoka ny takolany ilany, dia mifoka rivotra lalina ilay vehivavy nanomboka an’ilay fiarahabana.

Mponina any Nikaragoà

Tompon-tany

Boky ara-baiboly amin’ny teny mayangnan sy miskito

Boky ara-baiboly amin’ny teny mayangnan sy miskito, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah

TOPY MASO

  • Mponina: 6 176 000

  • Fiteny: Espaniola. Ny miskito, mayangnan, rama, ary kreôla anglisy anefa no tena fampiasa any amin’ireo faritany mizaka tena

  • Fitondrana: Repoblika

  • Renivohitra: Managoà

  • Toetany: Mafana amin’ny ankapobeny, fa mangatsiatsiaka kosa ny any afovoan-tany

  • Vohon-tany: Lemaka ny any amoron-tsiraka, fa be tendrombohitra ny any afovoan-tany

HAINAO VE?

Marina sa Diso?

  1. Ny hoe Nikaragoà dia avy amin’ny anaran’ilay lehibem-poko fahiny hoe Nicarao.

  2. Io irery no firenena any Amerika Latinina sady nozanahin’ny Espaniola no nozanahin’ny Anglisy.

  3. Notafihin’ny jiolahin-tsambo avy any Karaiba ireo tanàna manamorona ny Farihin’i Nikaragoà, nandritra ny taonjato maro.

  4. I Nikaragoà no vitsy mponina indrindra any Amerika Afovoany.

Valiny: Marina daholo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara