FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g16 No. 1 p. 10-11
  • Ahoana no Hahazoana Tena Namana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Hahazoana Tena Namana?
  • Mifohaza!—2016
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • OLANA
  • TSARA HO FANTATRAO
  • INONA NO AZONAO ATAO?
  • Inona no Vokatry ny Teknolojia Amin’ny Fifandraisanao Amin’ny Namanao?
    Mifohaza!—2021
  • Mpinamana Foana eo Amin’ny Tontolo Iray Tsy Manam-pitiavana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Nahoana Aho no Tsy Mahazona Namana?
    Mifohaza!—1996
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Namana?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Mifohaza!—2016
g16 No. 1 p. 10-11
Tovolahy roa mifampiresaka

HO AN’NY FIANAKAVIANA | TANORA

Ahoana no Hahazoana Tena Namana?

OLANA

Tovolahy roa mijoro eo amin’ny andaniny sy ankilany amin’​ny tetezana

Mandroso izao ny teknolojia, ka afaka mifandray amin’ny olona maro kokoa noho ny hatramin’izay ianao, ary tsy sarotra ny manao an’izany. Toa tsy tena mifandray am-po anefa ianao sy ny namanao. Hoy ny lehilahy iray: “Hoatran’ny hoe vetivety dia ho rava ny fifandraisanay sy ny namako. Ny dadanay anefa mana-namana akaiky efa hatramin’ny am-polony taona.”

Nahoana no sarotra ankehitriny ny mahazo namana tsara sy maharitra?

TSARA HO FANTATRAO

Mety ho vato misakana ny teknolojia. Noho ny hafatra an-telefaonina (SMS), ny tranonkala fifaneraserana, sy ny maro hafa, dia lasa toy ny hoe afaka ny ho mpinamana ny olona na dia tsy mifankahita aza. Tsy mifampiresaka tsara intsony izy ireo fa mifandefa hafatra fohy tsy an-kijanona fotsiny. Hoy ny boky Fahamatorana Sarintsariny (anglisy): “Tsy dia mifanerasera mivantana intsony ny olona. Mandany fotoana betsaka kokoa eo anoloan’ny efijery ny mpianatra, fa zara raha miaraka amin’ny namany.”

Noho ny teknolojia koa dia mety hieritreritra ianao hoe akaiky be anao ny olona sasany, nefa tsy izany akory. Hoy i Benja,a 22 taona: “Tsapako tato ho ato fa izaho foana no nanao zavatra voalohany rehefa nandefa SMS mba hahalalako ny fahasalaman’ny namako. Tsy nandefa SMS intsony àry aho mba hahitako hoe firy amin-dry zareo no hiezaka hifandray amiko. Tena vitsy aloha e! Tsy tena akaiky ahy araka ny nieritreretako azy ny namako sasany.”

Fa angaha moa ny SMS sy ny tranonkala fifaneraserana tsy manampy anao hifandray amin’ny olona sady manamafy ny fifandraisanareo? Izany tokoa! Indrindra raha miampy fifandraisana mivantana izany. Toy ny tetezana mampifandray anao amin’ny hafa fotsiny anefa matetika ny tranonkala fifaneraserana, fa tsy mahatonga anao ho akaiky kokoa azy ireo.

INONA NO AZONAO ATAO?

Fantaro ny atao hoe tena namana. Olona “mifikitra noho ny rahalahy” no antsoin’ny Baiboly hoe namana. (Ohabolana 18:24) Toy izany ve ianao? Karazana namana toy izany ve no tianao? Mba hanampiana anao hamaly an’ireo fanontaniana ireo, dia manorata toetra tsara telo tianao hananan’ny namanao. Soraty indray avy eo ny toetra tsara telo anananao. Saintsaino hoe: ‘Iza amin’ireo olona ifaneraserako ao amin’ny Internet no manana an’ireo toetra tiako ireo? Inona no toetra tsara holazain’izy ireo hoe ananako?’—Toro lalan’ny Baiboly: Filipianina 2:4.

Eritrereto izay tena zava-dehibe. Mitovy zavatra tiana matetika ny mpinamana ao amin’ny Internet, ohatra hoe fialam-boly. Zava-dehibe kokoa noho izany anefa ny hoe mitovy ny fitsipika arahinareo. Hoy i Prisca, 21 taona: “Tsy be namana aho, nefa manampy ahy ho tsara toetra kokoa izay namana iarahako.”—Toro lalan’ny Baiboly: Ohabolana 13:20.

Miresaha mivantana amin’ny olona. Tsy misy tsara hoatran’ny miresaka mivantana. Hita mantsy amin’izay raha misy fiovana ny toe-peo na ny endrika na ny fihetsika.—Toro lalan’ny Baiboly: 1 Tesalonianina 2:17.

Manorata taratasy. Hoatran’ny hoe efa lany andro io fanao io, nefa raha manao an’izany ianao dia mampiseho amin’ny namanao fa tena miahy azy ary mieritreritra azy foana. Tsy fahita firy intsony ny toy izany satria be atao ny olona. Mitantara, ohatra, i Sherry Turkle ao amin’ilay bokiny hoe Tsy Irery Nefa Manirery (anglisy) fa tsy mba naharay taratasy avy tamin’ny namany mihitsy ny tovolahy iray, hatrizay niainany. Hoy ilay tovolahy rehefa niresaka ny fotoana nanoratan’ny olona taratasy: “Malahelo an’ireny fotoana ireny aho, na dia mbola tsy nisy aza aho tamin’izany.” Ampiasao mba hahazoana namana àry io ‘teknolojia tranainy’ io.

Fehiny: Tsy hoe mifampiresaka fotsiny ny tena mpinamana. Mila mampiseho fitiavana, mangoraka, manam-paharetana, ary mahay mifamela koa ianao sy ny namanao. Hahafinaritra ny fifandraisanareo amin’izay. Sarotra anefa ny mampiseho an’ireo toetra ireo raha amin’ny alalan’ny Internet fotsiny ianareo no mifampiresaka.

a Novana ny anarana sasany.

ANDININ-TENY FOTOTRA

  • “Aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.”—Filipianina 2:4.

  • “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry.”—Ohabolana 13:20.

  • “Niezaka mafy mihoatra lavitra noho ny efa fanaonay izahay mba hahita ny endrikareo.”—1 Tesalonianina 2:17.

Alisabel

ALISABEL

“Samy mila olona hiresahana isika rehefa kivy. Ny namana no tena mahatakatra ny manjo antsika sy mahay mampahery antsika. Tsy miara-mifaly amintsika fotsiny ry zareo fa manampy antsika koa rehefa lavo isika.”

Jordan

JORDAN

“Tia nitokantokana aho tamin’ny mbola kely, sady tsy niezaka ny hahazo namana. Izany no fotoana nanjombona indrindra teo amin’ny fiainako. Niova ihany anefa aho. Tena ilaina ny namana afaka manampy anao ao anatin’ny sarotra sy azonao izarana ny hafalianao.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara