FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g16 No. 4 p. 4
  • 1 Mahaiza Mandanjalanja

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 1 Mahaiza Mandanjalanja
  • Mifohaza!—2016
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka Hahasoa Anao ny Fahazarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Fampidirana
    Mifohaza!—2016
  • Azo Resena ve ny Fahazaran-dratsy?
    Mifohaza!—2004
  • 2 Manaova Zavatra Mialoha
    Mifohaza!—2016
Hijery Hafa
Mifohaza!—2016
g16 No. 4 p. 4
Vehivavy iray manao lisitra

MATOAN-DAHATSORATRA | AHOANA NO HANANANA FAHAZARANA TSARA?

1 Mahaiza Mandanjalanja

Tianao hovana avy hatrany angamba ny fahazaranao rehetra. Mieritreritra ianao hoe: ‘Manomboka amin’ity herinandro ity aho, dia tsy hifoka sigara intsony, tsy hiteny ratsy, ary tsy hiari-tory intsony, fa hanomboka hanao fanatanjahan-tena, hihinana sakafo mahasalama, ary hitsidika an’i Dadabe sy Bebe.’ Tsy hisy tanjona ho tratranao anefa raha tadiavinao hotratrarina indray miaraka izy rehetra!

TORO LALAN’NY BAIBOLY: ‘Izay manetry tena no hendry.’—Ohabolana 11:2.

Mahay mandanjalanja ny olona manetry tena. Ekeny fa voafetra ny fotoanany sy ny heriny ary ny fananany. Tsy iezahany ovana indray miaraka àry ny zava-drehetra fa ataony tsikelikely.

Tsy hisy tanjona ho tratranao raha tadiavinao hotratrarina indray miaraka izy rehetra!

INONA NO AZONAO ATAO?

Zavatra iray na roa aloha iezahana. Ohatra hoe:

  1. Manaova lisitra anankiroa. Soraty eo amin’ny iray ny fahazarana tsara tianao hananana, ary eo amin’ilay iray hafa ny fahazaran-dratsy tianao hialana. Soraty daholo izay tonga ao an-tsainao.

  2. Alaharo ireo fahazarana ao amin’ireo lisitra, ka izay zava-dehibe aminao no ataovy loha laharana.

  3. Mifidiana fahazarana vitsivitsy (na dia iray na roa fotsiny aza) avy ao amin’ny lisitra tsirairay, ary ireo aloha ifantohana. Avy eo dia mifidiana indray fahazarana iray na roa hafa.

Soloy fahazarana tsara ny fahazaran-dratsy, raha tianao ho haingana kokoa ilay fiovana. Ahoana, ohatra, raha ao amin’ny lisitry ny fahazaran-dratsy ny hoe mijery tele be loatra, ary ao amin’ny lisitry ny fahazarana tsara ny hoe mifandray kokoa amin’ny havana aman-tsakaiza? Aza tonga dia alefa ny tele rehefa mody avy miasa, fa antsoy an-telefaonina ny namanao na ny havanao iray ary miresadresaha aminy.

TORO LALANA HAFA

‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’—Filipianina 1:10.

“Aleo ny fiafaran’ny raharaha toy izay ny fiandohany.”—Mpitoriteny 7:8.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara