FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g16 No. 4 p. 6
  • 3 Aza Mora Kivy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 3 Aza Mora Kivy
  • Mifohaza!—2016
  • Mitovitovy Aminy
  • Afaka ny Hanatratra ny Tanjonao Ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
  • Ahoana no tsy hiverenana indray amin’ny fahazaran-dratsy
    Mifohaza!—1991
  • Aoka Hahasoa Anao ny Fahazarana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Ahoana no Hananana Fahazarana Tsara?
    Mifohaza!—2016
Hijery Hafa
Mifohaza!—2016
g16 No. 4 p. 6
Vehivavy manisy marika eo amin’ny kalandrie

MATOAN-DAHATSORATRA | AHOANA NO HANANANA FAHAZARANA TSARA?

3 Aza Mora Kivy

Kalandrie misy marika

Maro no milaza fa afaka roatokombolana ny olona vao tena zatra amin’ny zavatra iray vaovao. Hitan’ny mpikaroka anefa fa mety ho latsaka na hihoatra an’izany ny fotoana ilain’ny olona sasany mba hanaovana fiovana lehibe. Tokony hahakivy anao ve izany?

Aoka hatao hoe te hizatra hanao fanatanjahan-tena intelo isan-kerinandro ianao.

  • Tratranao ny tanjonao ny herinandro voalohany.

  • Indroa ihany ianao no nanao fanatanjahan-tena ny herinandro faharoa.

  • Tratranao indray ny tanjonao ny herinandro fahatelo.

  • Indray mandeha ihany ianao no nahavita ny herinandro fahefatra.

  • Tratranao indray ny tanjonao ny herinandro fahadimy, ary hoatr’izay foana nanomboka teo.

Nila iray volana sy herinandro ianao vao zatra nanao an’ilay fanatanjahan-tena. Hoatran’ny ela be ny fahitanao an’izany, nefa faly ianao fa tratranao ny tanjonao ary manana fahazarana tsara ianao izao.

TORO LALAN’NY BAIBOLY: “Mety ho lavo impito ny marina, nefa ho tafarina ihany.”—Ohabolana 24:16.

Milaza ny Baiboly fa tsy tokony ho mora kivy isika. Ny tena zava-dehibe mantsy dia hoe impiry isika no tafarina, fa tsy hoe impiry isika no lavo.

Ny tena zava-dehibe dia hoe impiry isika no tafarina, fa tsy hoe impiry isika no lavo

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Aza mieritreritra hoe tsy hahomby mihitsy ianao raha tsy nahomby indray mandeha. Efa ampoizina ny hitrangan’izany.

  • Izay tsara vitanao ifantohana. Izao, ohatra, eritreretina raha efa miezaka hifampiresaka tsara amin’ny zanakao ianao: ‘Oviana aho no nahavita nifehy tena farany, ka tsy nivazavaza tamin’izy ireo na dia te hanao an’izany aza? Inona kosa no nataoko tamin’izay? Ahoana no hahavitako an’izany indray amin’ny manaraka?’ Tsy hitsetra tena ianao raha misaintsaina toy izany, fa vao mainka hiezaka hanatratra ny tanjonao.

Afaka manampy anao koa ny toro lalan’ny Baiboly mba tsy hanahy be loatra, hanana tokantrano sambatra, ary ho afa-po amin’ny fiainana. Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah na tsidiho ny tranonkalanay jw.org/mg.

TORO LALANA HAFA

“Aoka ny masonao hibanjina ny eo anoloanao.”—Ohabolana 4:25.

“Manadino ny zavatra any aoriana aho ary mikely aina hanatratra ny eo aloha. Miezaka ho tonga amin’ny tanjona aho.”—Filipianina 3:13, 14.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara