FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g16 No. 4 p. 12-13
  • Fitsidihana An’i Kirghizistan

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitsidihana An’i Kirghizistan
  • Mifohaza!—2016
Mifohaza!—2016
g16 No. 4 p. 12-13
Yourte any amin’ny Lohasahan’i Tach Rabat, any Kirghizistan

Tranolay antsoina hoe yourte any amin’ny Lohasahan’i Tach Rabat

TANY SY MPONINA

Fitsidihana An’i Kirghizistan

Sarintanin’i Kirghizistan

ANY Azia Afovoany no misy an’i Kirghizistan, izany hoe eo anelanelan’i Kazakhstan, Ouzbékistan, Tadjikistan, ary Chine. Voahodidina tendrombohitra avo rakotra ranomandry izy io. Efa ho ny 90 isan-jaton’ilay tany no feno tendrombohitra. Any no misy ny tendrony avo indrindra amin’ilay tandavan-tendrombohitra atao hoe Tian Shan. Mirefy 7 439 metatra ambonin’ny haabon’ny ranomasina izy io. Rakotra ala ny 4 isan-jaton’ny velaran-tanin’i Kirghizistan. Tsara homarihina anefa fa ny alana noaie any no anisan’ny midadasika indrindra eran-tany.

Vavolombelon’i Jehovah mampianatra Baiboly vehivavy iray any Kirghizistan

Mitarika fampianarana Baiboly amin’ny olona an’arivony ny Vavolombelon’i Jehovah any Kirghizistan

Tia mandray vahiny ny mponina any sady manaja olona. Hafa ny mpisolo anarana ampiasainy, rehefa miresaka amin’ny olon-dehibe. Omeny toerana ny zokiolona rehefa ao anaty fitateram-bahoaka. Ny toerana mihaja indrindra koa no omeny azy rehefa misakafo.

Manan-janaka telo na mihoatra ny ankamaroan’ny mpivady. Ny faralahy mazàna no miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreniny, na dia efa manambady aza, mba hikarakara azy ireo rehefa antitra.

Mbola kely ny ankizivavy dia efa ampianarina hikarakara tokantrano. Efa mahay tsara an’izany izy rehefa feno 15 taona eo ho eo. Mazàna no ampitondraina haren-jazavavy ny vehivavy rehefa hanambady. Anisan’izany ny lambam-pandriana isan-karazany, fitafiana samihafa, ary karipetra natao tanana. Ny mpampakatra kosa manome vodiondry, izay tsy inona fa vola sy biby fiompy.

Mamono ondry na soavaly ny mponina any rehefa fety na rehefa misy maty. Tetitetehina ilay hena avy eo, ary efa misy fomba itsinjarana azy io. Arakaraka ny taonan’ny vahiny sy ny toerana tanany ny anjara omena azy. Mari-panajana daholo izany! Aroso avy eo ny beshbarmak, izay sakafo mampiavaka an’io tany io. Hena tetehina manify ampiarahina amin’ny paty izy io, ary hanina amin’ny tanana.

Tovolahy mitendry komuz

Zavamaneno be mpitia ny komuz

TOPY MASO

Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Efa misy amin’ny teny kirghiz ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Azo jerena ao amin’ny Internet koa io boky io, ao amin’ny www.pr2711.com

  • Mponina: 5 776 000

  • Renivohitra: Bichkek

  • Fiteny: Kirghiz, rosianina

  • Zavatra aondrana: Landihazo, volonondry, volamena, volavelona na merkiora, ioraniôma

  • Fivavahana: Silamo (80 isan-jaton’ny mponina)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara