FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g16 No. 4 p. 16
  • Ny Tsingerim-piainan’ny Jorery

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Tsingerim-piainan’ny Jorery
  • Mifohaza!—2016
  • Mitovitovy Aminy
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2016
  • Ny Tontolo Mahagagan’ireo Bibikely
    Mifohaza!—2000
  • Bibikely
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Tsy Hohadinoinay Mihitsy Ilay Nihinana Bibikely
    Mifohaza!—2012
Hijery Hafa
Mifohaza!—2016
g16 No. 4 p. 16

NISY NAMORONA VE?

Ny Tsingerim-piainan’ny Jorery

AHITANA jorery ny kontinanta rehetra, afa-tsy ny Tendrontany Atsimo. Miavaka anefa ny jorery fahita any amin’ny faritra avaratratsinanan’i Amerika, ary efa ela izy ireo no nahaliana ny mpikaroka.

Jorery

Diniho izao: Jorery an-tapitrisany no mipoitra tampoka rehefa lohataona, nefa velona mandritra ny herinandro vitsivitsy monja. Miofo izy ireo, mamoaka feo mankarenin-tsofina, manidina, manatody, ary avy eo maty. Mahagaga fa afaka 13 na 17 taona indray vao mipoitra ny taranany, arakaraka ny karazany. Hoatran’ny ahoana ny fiainan’ireo zanany ireo mandra-pahatongan’izay?

Andeha àry hojerentsika ny tsingerim-piainan’ny jorery. Manao firaisana ny jorery lahy sy vavy, herinandro eo ho eo aorian’ny ipoirany. Manatody ao anaty rantsankazo ny vavy, ary mahatratra 400 ka hatramin’ny 600 ny atodiny. Maty daholo ireo jorery ireo tsy ela aorian’izay. Foy ny zanany rehefa afaka herinandro vitsivitsy. Milatsaka amin’ny tany izy ireo, manao lavaka hisitrihany, ary manomboka ny fiainany ao anaty tany. Ranoka avy amin’ny fakan-javamaniry no ivelomany mandritra ny taona maro. Mivoaka avy ao anaty tany ireo jorery efa lehibe, rehefa afaka 13 na 17 taona.

Milaza ny gazetiboky Natiora (anglisy) fa “nampiady saina an’ireo mpahay siansa nandritra ny taonjato maro” ny tsingerim-piainan’ny jorery, izay be pitsiny tokoa. “Ary na hatramin’izao aza, dia mbola iezahan’ny mpikaroka fantarina hoe ahoana no nampiova miandalana ny tsingerim-piainan’io bibikely io.” Mbola zava-miafina amin’ny manam-pahaizana izany.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny tsingerim-piainan’ny jorery sa nisy namorona?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara