-
Mbola ho Voafehy Ihany ve Izao Tontolo Izao?Mifohaza!—2017 | No. 6
-
-
MATOAN-DAHATSORATRA | TSY VOAFEHY INTSONY VE IZAO TONTOLO IZAO?
Mbola Ho Voafehy Ihany Ve Izao Tontolo Izao?
NAHAKIVY ny fanambarana nataon’ny mpahay siansa, tamin’ny Janoary 2017. Tsy mbola notandindomin-doza hoatr’izao mihitsy, hono, ny tontolo misy antsika, tato anatin’ny 60 taona mahery. Nampiasa an’ilay hoe Famantaranandro Manondro ny Fara Andro izy ireo, mba hampisehoana hoe kely sisa dia ho potika izao tontolo izao. Narosony 30 segondra ny fanjaibe amin’izy io, ka afaka roa minitra sy sasany dia tonga eo amin’ny misasakalina, na ny fara andro.
Hojeren’ny mpahay siansa indray rehefa mingadona ny 2018, raha mihamanakaiky ny faran’izao tontolo izao. Hanondro indray ve ilay famantaranandro hoe efa ambivitra ny loza iray tsy roa aman-tany? Ahoana ny hevitrao? Tsy voafehy intsony ve izao tontolo izao? Mety ho sarotra aminao ny hamaly an’izany, satria na ny manam-pahaizana aza tsy mitovy hevitra. Tsy ny rehetra koa no mino hoe ho potika izao tontolo izao.
Olona an-tapitrisany mantsy no manantena hoavy mamirapiratra. Manana porofo, hono, izy ireo hoe tsy ho potika mihitsy ny tany, hisy olona hiaina foana eto, ary ho tsara be ny fiainana. Marim-pototra ve ny porofo ananany? Mbola ho voafehy ihany ve izao tontolo izao?
-
-
Fanontaniana Mampiady SainaMifohaza!—2017 | No. 6
-
-
MATOAN-DAHATSORATRA | TSY VOAFEHY INTSONY VE IZAO TONTOLO IZAO?
Fanontaniana Mampiady Saina
MITEBITEBY na matahotra ve ianao, satria be loatra ny vaovao ratsy renao? Tsy ianao irery no hoatr’izany. Misy vokany amin’ny olona maro koa ny vaovao ratsy resahin’ny gazety. Lasa mihevitra izy ireo fa ‘tsy voafehy intsony izao tontolo izao, ary tsy misy na inona na inona azo atao’, araka ny tenin’i Barack Obama, filohan’i Etazonia teo aloha, tamin’ny 2014.
Nafana fo erỳ anefa avy eo Atoa Obama niresaka an’ireo tetikady handaminana an’ireny olana ireny. Nilaza izy fa nisy fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana, ary “vaovao tsara” izany. “Tena manantena”, hono, izy hoe “hihatsara ny toe-javatra.” Mino izy fa ho voafehin’ny olona tsara sitrapo izao tontolo izao, ka ho azo sorohina ny loza.
Maro no mitovy hevitra aminy. Misy, ohatra, matoky fa ny siansa no tena vahaolana. Handroso be mantsy, hono, ny teknolojia. Nilaza izay hitranga amin’ny 2030 any ho any ny manam-pahaizana iray. Hoy izy: “Ho avo arivo heny noho ny amin’izao ny zava-bitan’ny teknolojia, ary ho avo iray tapitrisa heny izany amin’ny 2045.” Hoy koa izy: “Efa tsara ny vitantsika. Marina fa be noho ny hatramin’izay ny olana atrehintsika, nefa ho voalamintsika haingana izy ireny.”
Tena ratsy marina ve ny fiainan’ny zanak’olombelona? Mananontanona tokoa ve ny loza maneran-tany? Na milaza aza ny mpahay siansa sy ny mpanao politika sasany fa tsy misy atahorana, dia mbola maro no manahy momba ny hoavy. Nahoana?
FITAOVAM-PIADIANA MAHERY VAIKA. Tsy mahavita mampihena ny fitaovam-piadiana niokleary ny Firenena Mikambana sy ny fikambanana hafa, na dia miezaka mafy aza. Misy mpitondra aza manao tsinontsinona an’ireo lalàna mifehy ny fampiasana fitaovam-piadiana. Misy koa firenena efa manana fitaovam-piadiana niokleary, nefa mbola manamboatra fitaovam-piadiana mahery vaika kokoa. Na ireo tsy nanana fitaovam-piadiana mahafaty olona be dia be aza, lasa afaka mandripaka olona tsy hita isa.
Lasa mampidi-doza àry ny tontolo misy antsika, na dia amin’ny fotoana lazaina hoe “milamina” aza. “Tena mampanahy ny fisian’ny fitaovam-piadiana tonga dia afaka ‘mamono’, nefa tsy mila baikoin’olona akory.”—Gazetin’ny Mpahay Siansa Momba ny Ataoma.
ARETINA TSY MITSAHA-MITOMBO. Voafetra ihany ny vitan’ny siansa eo amin’ny sehatry ny fitsaboana. Mihabetsaka ny aretina vokatry ny fiakaran’ny tosidra, hatavezana be loatra, rivotra maloto, ary fidorohana zava-mahadomelina. Mitombo ny isan’ny olona matin’ny kansera, aretim-po, diabeta, sy ny sisa. Ao ny mitondra takaitra noho ny aretina hafa, toy ny aretin-tsaina. Misy valanaretina nirongatra koa tato ato, toy ireo avy amin’ny virosin’i Ebola sy Zika. Raha tsorina dia hoe tsy voafehin’ny olombelona ny aretina sady toa tsy ho voafehiny mihitsy!
SIMBA NY TONTOLO IAINANA. Mbola mandoto ny atmosfera ihany ny orinasa. An-tapitrisany isan-taona no maty satria mifoka rivotra maloto.
Arian’ny olona sy ny fikambanana sasany any anaty ranomasina ny rano maloto sy ny plastika ary ny fako hafa avy amin’ny toeram-pitsaboana na toeram-pambolena sy fiompiana. Hoy ny Rakipahalalana Momba ny Fikarohana any An-dranomasina (anglisy): “Tsy ny biby sy ny zavamaniry ihany no voapoizin’ireny fako ireny, fa ny olona mihinana hazandranomasina koa.”
Tsy ampy koa ny rano fisotro madio. Hoy i Robin McKie, Anglisy mpanoratra boky momba ny siansa: “Tsy ho ampy rano ny faritra rehetra eto an-tany.” Miaiky ny mpanao politika fa ny ataon’ny olona ihany no mahatonga an’izany sy ny olana lehibe hafa.
LOZA VOAJANAHARY. Mandravarava ary mahatonga tondra-drano sy fihotsahan’ny tany ny oram-baratra, rivo-doza, rambondanitra, ary horohoron-tany. Maro be noho ny hatramin’izay ny olona maty na mitondra takaitra vokatr’izy ireny. Nilaza ny Sampan-draharaha Amerikanina Misahana ny Sambon-danitra sy ny any Ambony Tsy Taka-maso fa mety “hahery kokoa ny oram-baratra, hahafaty kokoa ny hafanam-be, ary hisesy kokoa ny tondra-drano sy ny hain-tany.” Ho ripaky ny loza voajanahary àry ve ny olombelona?
Misy loza hafa koa angamba hitanao hoe mety handripaka ny olona. Hiady saina momba ny hoavy foana ianao, raha ny zava-dratsy rehetra mitranga no fakafakainao, na ny tenin’ny mpanao politika sy ny mpahay siansa. Efa hitantsika teo aloha anefa fa maro no nahita valiny mahafa-po amin’ireo fanontaniana momba ny hoavy sy ny olana eran-tany. Aiza no ahitana an’izany valiny izany?
-
-
Inona no Lazain’ny Baiboly?Mifohaza!—2017 | No. 6
-
-
Tsy ho potika ny tany amin’ilay ora eritreretin’ny mpahay siansa, satria mampanantena hoavy tsara Andriamanitra
MATOAN-DAHATSORATRA | TSY VOAFEHY INTSONY VE IZAO TONTOLO IZAO?
Inona no Lazain’ny Baiboly?
EFA ela ny Baiboly no niresaka momba ny zava-dratsy misy ankehitriny. Noresahiny koa anefa ny hoavy tsara miandry ny olombelona. Betsaka ny zavatra noresahin’ny Baiboly efa tanteraka amin’ny an-tsipiriany, ka tsy tokony holavina avy hatrany izay lazainy.
Diniho, ohatra, ireto faminaniana ireto:
“Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hamely fanjakana. Ary hisy mosary sy horohoron-tany any amin’ny toerana samy hafa.”—Matio 24:7.
“Amin’ny andro farany, dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho matin-kambo, hanambony tena, ho mpanevateva, tsy hankatò ray aman-dreny, tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ho mpamadika, ho be di-doha, ho mpieboebo, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra.”—2 Timoty 3:1-4.
Mety hisy hilaza hoe: “Tsy voafehy mihitsy izao tontolo izao, ary vao mainka aza miharatsy!” Marina izany raha jerena ireo faminaniana ireo. Tsy voafehin’ny olona tokoa ny tontolo misy antsika. Milaza mantsy ny Baiboly fa tsy manana ny fahendrena sy ny hery hitondrana vahaolana maharitra ny olombelona. Izany no asongadin’ireto andinin-teny ireto:
“Misy lalana heverin’ny olona ho mahitsy, nefa any amin’ny fahafatesana no iafaran’izany.”—Ohabolana 14:12.
“Nanjakazaka tamin’ny namany ny olona ka nampiditra loza taminy.”—Mpitoriteny 8:9.
“Tsy natao hitondra samirery ny fiainany ... ny olona.”—Jeremia 10:23.
Ho potika izao tontolo izao raha mbola manao izay saim-pantany ny olona. Soa fa tsy hitranga izany! Hoy mantsy ny Baiboly:
“[Naorin’Andriamanitra] ny tany, ary nataony mafy orina ny fototra iorenany, ka tsy ho voahozongozona mandrakizay doria.”—Salamo 104:5.
“Lasa ny taranaka iray, ary mandimby ny taranaka iray, fa ny tany kosa maharitra mandrakizay.”—Mpitoriteny 1:4.
“Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”—Salamo 37:29.
“Hahavokatra be ny tany, ary na eny an-tampon-tendrombohitra aza dia ho be ny vokatra.”—Salamo 72:16.
Mazava ireo andininy ireo. Tsy ho ripaka ny olona na dia maloto aza ny tontolo iainana, tsy ampy ny sakafo sy rano, ary mihanaka ny aretina. Tsy ho potiky ny ady niokleary koa ny tanintsika. Voafehin’Andriamanitra mantsy ny hoavin’ny tany. Marina fa nomena safidy ny olona, nefa izy ireo ihany no hizaka ny vokatry ny fanapahan-keviny. (Galatianina 6:7) Tsy toy ny fiara tapaka fihisatra izao tontolo izao, ka hoe tsy voafehy intsony fa hivarina any an-kady. Tsy avelan’Andriamanitra hanao zavatra tafahoatra, izay hanimba ny tenany, ny olombelona.—Salamo 83:18; Hebreo 4:13.
Ankoatra izany, dia hataon’Andriamanitra izay hisian’ny “fiadanam-be.” (Salamo 37:11) Vao santionany amin’ilay hoavy tsara resahin’ny Baiboly ny fanazavana hitantsika tato. Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany no nahafantatra an’ireo rehefa nianatra Baiboly.
Misy lehilahy sy vehivavy samy hafa taona sy fiaviana ny Vavolombelon’i Jehovah. Mivavaka amin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra resahin’ny Baiboly, izy ireo. Tsy matahotra ny hoavy izy ireo, satria hoy ny Isaia 45:18: “Izao no nolazain’i Jehovah, ilay Mpamorona ny lanitra, Ilay tena Andriamanitra, ilay Mpamolavola ny tany sy Mpanao azy, Ilay nanao azy ho mafy orina, ary tsy hoe tsy misy antony ny namoronany azy fa nataony honenana: ‘Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa.’”
Noresahina tato ny zavatra sasany ampianarin’ny Baiboly momba ny hoavin’ny tany sy ny olombelona. Miresaka bebe kokoa momba izany ny lesona 5, amin’ny bokikely Vaovao Tsara Natao ho Anao! Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io, ary azo alaina ao amin’ny www.pr2711.com/mg
Azonao jerena koa ilay video hoe Inona no Antony Namoronan’Andriamanitra ny Tany? ao amin’ny www.pr2711.com/mg. (Jereo ao amin’ilay hoe ZAVATRA MISY > VIDEO)
-