FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • dg hevitra 4 p. 9-10
  • Mampahafantatra Antsika Momba ny Fikasany Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mampahafantatra Antsika Momba ny Fikasany Andriamanitra
  • Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Aiza no misy ny valiny?
  • Fanomezan’Andriamanitra
  • Avy amin’Andriamanitra marina tokoa ve ny Baiboly?
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Loharanom-pahendrena Ambony Tsy Manam-paharoa
    Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?
  • Nahoana Isika no Tokony Hamaky ny Baiboly?
    Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?
  • Ny Baiboly — Ny Boky Fianarantsika Lehibe Indrindra
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
Hijery Hafa
Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?
dg hevitra 4 p. 9-10

Fizarana Faha-4

Mampahafantatra Antsika Momba ny Fikasany Andriamanitra

1, 2. Ahoana no ahafantarantsika fa manome valiny ho an’ireo olona manontany amim-pahatsorana, Andriamanitra?

NY ANDRIAMANITRA be fitiavana iray dia tena mampiharihary tokoa ny fikasany amin’ireo olona tso-po mitady azy. Tena manome an’ireo olombelona maniry hahafantatra izy, ny valin’ny fanontaniana toy ny hoe nahoana izy no namela ny fijaliana hisy.

2 Manambara toy izao ny Baiboly: “Raha mitady Azy [Andriamanitra] hianao, dia hahita azy.” “Misy Andriamanitra any an-danitra, Izay mampiseho zava-miafina.” “Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony.” — 1 Tantara 28:9; Daniela 2:28; Amosa 3:7.

Aiza no misy ny valiny?

3. Aiza no ahitantsika ny antony amelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy?

3 Ny valin’ny fanontaniana toy ny hoe nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy, sy ny hoe inona no hataony momba azy io, dia hita ao amin’ny firaketana an-tsoratra nomeny tamin’ny tsindrimandry mba hahasoa antsika. Izany firaketana an-tsoratra izany dia ny Teniny, ny Baiboly Masina. “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” — 2 Timoty 3:16, 17.

4, 5. Inona no maha-boky tsy manam-paharoa ny Baiboly?

4 Tena boky tsy manam-paharoa marina ny Baiboly. Misy ny firaketana an-tsoratra marina indrindra ny amin’ny tantaran’olombelona izy io ary mitantara hatrany ambadiky ny famoronana ny olombelona mihitsy aza. Ankoatra izany, dia tsy lany andro izy io, satria ireo faminaniana ao aminy dia mifandray amin’ny zava-miseho amin’izao androntsika izao ary koa amin’ny hoavy tsy ho ela.

5 Tsy misy boky hafa na dia iray aza manana porofo fanamarinana toa azy io, raha ny amin’ny maha-marina azy eo amin’ny ara-tantara. Ohatra, ireo soratanan’ireo mpanoratra kilasika fahizay mbola misy dia vitsy monja. Kanefa ireo soratanana amin’ny Baiboly, tapany sy manontolo, dia maro be: 6 000 eo ho eo amin’ny Soratra Hebreo (ireo boky sivy amby telopolon’ny “Testamenta Taloha”), ary 13 000 eo ho eo amin’ny Soratra Grika Kristiana (ireo boky fito amby roapolon’ny “Testamenta Vaovao”).

6. Nahoana isika no afaka matoky fa ny Baiboly amin’izao andro izao, amin’ny fotony, dia mitovy amin’ny tamin’ny fotoana nanomezan’Andriamanitra azy tamin’ny tsindrimandry?

6 Nataon’ilay Andriamanitra Tsitoha, izay nanome ny Baiboly tamin’ny tsindrimandry, izay hitahirizana ny soratra manontolo tao aminy ao amin’ireo kopian’ireny soratanana ireny. Ny Baibolintsika amin’izao andro izao, amin’ny fotony, àry dia mitovy amin’ireo soratra voalohany azo tamin’ny tsindrimandry. Ny lafin-javatra hafa iray izay manampy antsika hahafantatra izany dia ny hoe: ny fahelan’ny sasany amin’ireo kopian’ny soratanan’ireo Soratra Grika Kristiana dia hatrany amin’ny zato taona taorian’ny fotoana nanoratana ilay tena izy voalohany. Ny fahelan’ireo kopian’ny soratanan’ireo mpanoratra tranainy vitsy mbola misy hatramin’izao, dia mahalana no hatrany amin’ny taonjato maromaro taorian’ireo mpanoratra azy voalohany aza.

Fanomezan’Andriamanitra

7. Manao ahoana ny fielezan’ny Baiboly?

7 Ny Baiboly no boky miely betsaka indrindra eo amin’ny tantara. Misy eo amin’ny telo arivo tapitrisa ny isan’ireo kopia natao pirinty taminy. Tsy misy boky hafa na dia iray aza manakaiky io tarehimarika io. Ankoatra izany, ny Baiboly na ny tapany aminy, dia nadika tamin’ny fiteny 2 000 any ho any. Noho izany, dia misy manombana fa ny 98 isan-jato amin’ny mponina amin’ny planetantsika dia afaka ny hahazo ny Baiboly.

8-10. Antony sasantsasany inona avy no mahatonga ny Baiboly ho mendrika ny handinihantsika azy?

8 Azo antoka fa ny boky iray milaza ho avy tamin’Andriamanitra sy manana ny porofon’ny maha-marina azy, avy any ivelany sy avy ao anatiny, dia mendrika ny handinihantsika azy.a Manazava ny zava-kendren’ny fiainana izy io, ny hevitr’ireo toe-piainana ambonin’ny tany ary izay raketin’ny hoavy. Tsy misy boky hafa na dia iray aza afaka manao izany.

9 Eny, ny Baiboly no fomba ifandraisan’Andriamanitra amin’ny fianakavian’olombelona. Nitarika ny fanoratana azy io tamin’ny alalan’ny heriny, na fanahiny, miasa izy, ka olombelona teo amin’ny 40 teo ho eo no nanao ny firaketana an-tsoratra. Araka izany, dia miresaka amintsika amin’ny alalan’ny Teniny, ny Baiboly Masina, Andriamanitra. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra izay notorinay hianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra.” — 1 Tesaloniana 2:13.

10 I Abraham Lincoln, prezidàn’i Etazonia faha-16, dia niantso ny Baiboly hoe “ny fanomezana tsara indrindra amin’izay rehetra nomen’Andriamanitra ny olona (...) Raha tsy nisy azy io, dia tsy ho nahalala ny tsara sy ny ratsy isika.” Noho izany, inona àry no lazain’io fanomezana fara tampony io momba ny fomba nanombohan’ny fijaliana, ny antony namelan’Andriamanitra azy io hisy ary izay hataony momba azy io?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mba hahazoana fanazavana misy antsipiriany kokoa momba ny maha-marina ny Baiboly, dia jereo ny boky hoe La Bible: Parole de Dieu ou des hommes?, natontan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., tamin’ny 1989.

[Sary, pejy 10]

Ny Baiboly, nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra, no fomba ifandraisany amin’ny fianakavian’olombelona

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara