Fizarana Faha-6
Ny Antony Namelan’Andriamanitra ny Fijaliana Hisy
1, 2. Tamin’ny fomba ahoana no nanimban’ireo ray aman-drenintsika voalohany ny fiandohana tsara dia tsara nomen’Andriamanitra azy?
INONA no tsy nety? Inona no nitranga ka nanimba ny fiandohana tsara dia tsara nomen’Andriamanitra ireo ray aman-drenintsika voalohany tao amin’ny Paradisan’i Edena? Nahoana no tsy ny fiadanana sy ny filaminana tao amin’ilay Paradisa no nanjaka nandritra ny an’arivony taona maro, fa faharatsiana sy fijaliana?
2 Ny antony dia satria nampiasa ny safidiny malalaka tamin’ny fomba ratsy i Adama sy i Eva. Tsy hitan’izy ireo intsony fa tsy noforonina mba hahazo fanambinana ivelan’Andriamanitra sy ireo lalàny ny tenany. Nanapa-kevitra ny tsy hiankina amin’Andriamanitra izy ireo, tamin’ny fiheverana fa hanatsara ny fiainany izany. Nihoatra ireo fetra noferan’Andriamanitra ho an’ny safidy malalaka àry izy ireo. — Genesisy, toko faha-3.
Ny raharaha momba ny fiandrianana manerana izao rehetra izao
3-5. Nahoana Andriamanitra no tsy tonga dia nandringana an’i Adama sy i Eva fotsiny ka namerina hatrany am-boalohany indray?
3 Nahoana Andriamanitra no tsy tonga dia nandringana an’i Adama sy i Eva fotsiny ka namerina hatrany am-boalohany indray, tamin’ny famoronana mpivady olombelona hafa iray? Satria niharan’ny fihaikana ny fiandrianany manerana izao rehetra izao, izany hoe ny zony hanapaka tsy azo afindra na amin’iza na amin’iza.
4 Ny fanontaniana dia izao: Iza no manana ny zo hanapaka, ary ny fanapahan’iza no tsara? Ny maha-Tsitoha sady Mpamorona ny zavaboary rehetra azy dia manome an’Andriamanitra ny zo hanapaka amin’izy ireo. Koa satria manana ny fahendrena rehetra izy, dia ny fanapahany no tsara indrindra ho an’ny zavaboary rehetra. Niharan’ny fihaikana anefa izao ny fanapahan’Andriamanitra. Ambonin’izany, moa ve nisy tsy nety tamin’ny zavatra noforoniny — tamin’ny olombelona? Handinika ny idiran’ny tsy fivadihan’ny olombelona amin’izany isika ao aoriana.
5 Rehefa nanjary tsy niankina tamin’Andriamanitra ny olombelona, dia nisy fanontaniana hafa iray tafiditra: Ho tsara kokoa ve ny fiainan’ny olombelona raha tsy tapahin’Andriamanitra izy? Fantatry ny Mpamorona tsara ny valiny, kanefa ny fomba azo antoka hahitan’ny olombelona izany dia ny famelana azy ireo hanana ilay fahafahana feno notadiaviny. Nifidy izany lalana izany araka ny safidin’ny tenany manokana izy ireo, koa dia navelan’Andriamanitra hanao izany.
6, 7. Nahoana Andriamanitra no namela ny olombelona hanana fahafahana feno nandritra ny ela be toy izao?
6 Amin’ny famelana ny olombelona hanana fotoana ampy mba hanandramana izany fahafahana feno izany, Andriamanitra dia handamina indray mandeha ka ho mandrakizay, raha tsara kokoa ny fiainan’ny olombelona eo ambany fanapahan’Andriamanitra noho ny raha avela irery izy ireo. Ary ny fotoana nomena azy dia ho ampy tsara mba hamelana ny olombelona ho tonga eo amin’izay heveriny fa fara tampony amin’ny zava-bitany eo amin’ny lafiny ara-politika, eo amin’ny taozava-baventy, ara-tsiansa ary ara-pitsaboana.
7 Noho izany, dia namela ny olombelona hanana fahalalahana feno, hatramin’izao androntsika izao mihitsy, Andriamanitra, mba hampisehoana amin’ny fomba tsy misy isalasalana na dia kely aza, raha toa ka afaka mahomby ny fanapahan’olombelona tsy miankina aminy. Afaka nifidy àry ny olona hoe hatsaram-panahy sa halozana, fitiavana sa fankahalana, fahamarinana sa tsy fahamarinana. Niatrika ny vokatry ny fisafidianana nataony koa anefa izy: hatsarana sy fiadanana na faharatsiana sy fijaliana.
Fikomian’ireo zavaboary ara-panahy
8, 9. a) Ahoana no nipoahan’ny fikomiana tany amin’ny faritra ara-panahy? b) Iza, ankoatra an’i Adama sy i Eva, no notaomin’i Satana hikomy?
8 Misy lafin-javatra hafa iray tokony hodinihina. Tsy ireo ray aman-drenintsika voalohany no hany nikomy tamin’ny fanapahan’Andriamanitra. Iza koa anefa no efa nisy tamin’izany fotoana izany? Zavaboary ara-panahy. Talohan’ny namoronan’Andriamanitra ny olombelona, dia efa namorona karazam-piainana ambony kokoa izy, anjely maro be, mba hiaina tany amin’ny faritra any an-danitra. Noforonina nanana safidy malalaka koa izy ireo, ary koa mba hila ny hanaiky ny fanapahan’Andriamanitra. — Joba 38:7; Salamo 104:4, NW; Apokalypsy 5:11.
9 Ny Baiboly dia mampiseho fa nipoaka voalohany tany amin’ny faritra ara-panahy ny fikomiana. Naniry fahafahana feno ny zavaboary ara-panahy iray. Tiany hanompo azy mihitsy aza ny olombelona. (Matio 4:8, 9). Io mpikomy ara-panahy io dia nanjary anisan’izay nitaona an’i Adama sy i Eva hikomy, tamin’ny filazana tamin’ny fomba diso fa nisy zavatra tsara tsy navelan’Andriamanitra ho azon’izy ireo. (Genesisy 3:1-5). Antsoina hoe Devoly (Mpanendrikendrika) sy Satana (Mpanohitra) àry izy io. Tatỳ aoriana, dia nanosika zavaboary ara-panahy hafa hikomy izy. Nanjary fantatra ho ireo demonia izy ireo. — Deoteronomia 32:17; Apokalypsy 12:9; 16:14.
10. Inona no vokatry ny fikomian’ny olombelona sy ireo zavaboary ara-panahy?
10 Namela ny tenany ho mora azon’ny fitaoman’i Satana sy ireo demoniany ny olombelona, tamin’ny fikomiana tamin’Andriamanitra. Izany no antony iantsoan’ny Baiboly an’i Satana hoe “andriamanitr’izao tontolo izao”, izay ‘nanajamba ny sain’ny tsy mino’. Noho izany, ny Tenin’Andriamanitra dia milaza fa “izao tontolo izao (...) dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”. — 2 Korintiana 4:4; 1 Jaona 5:19; Jaona 12:31.
Raharaha roa
11. Momba ny raharaha hafa inona no nihaikan’i Satana an’Andriamanitra?
11 Nampipoitra raharaha hafa iray izay nihaika an’Andriamanitra koa, i Satana. Raha ny tena izy, dia niampanga izy fa diso Andriamanitra raha ny amin’ny fomba namoronany ny olombelona, ary koa fa tsy hisy na dia iray aza haniry hanao ny tsara rehefa ao anatin’ny fanerena. Raha ny marina, dia nihambo izy fa, ao anatin’ny fitsapana, dia hiteny ratsy an’Andriamanitra mihitsy aza izy ireo. (Joba 2:1-5, NW). Tamin’izany fomba izany, dia nahatonga fisalasalana momba ny tsy fivadihan’ny zavaboary olombelona i Satana.
12-14. Ahoana no hampihariharian’ny fotoana ny marina momba ireo raharaha roa napoitran’i Satana?
12 Noho izany, dia namela fotoana ampy tsara mba hijeren’ny ny zavaboary manan-tsaina rehetra ny fomba handaminana io raharaha io sy ilay raharaha momba ny fiandrianany, Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny Eksodosy 9:16.) Ny fanandraman-javatra hita eo amin’ny tantaran’ny olombelona amin’ny farany dia hampiharihary ny marina momba ireo raharaha roa ireo.
13 Voalohany indrindra, inona moa no hahariharin’ny fotoana momba ny raharaha mahakasika ny fiandrianana manerana izao rehetra izao, ny maha-ara-drariny ny fanapahan’Andriamanitra? Ho afaka ny hanapaka ny tenany amin’ny fomba tsara kokoa noho Andriamanitra ve ny olombelona? Hisy karazam-panapahana tarihin’olombelona ivelan’Andriamanitra ve hitondra tontolo sambatra iray ho afaka amin’ny ady, ny heloka bevava ary ny tsy rariny? Hisy hanafoana ny fahantrana ka hanome fanambinana ho an’ny rehetra ve? Hisy handresy ny aretina, ny fahanterana ary ny fahafatesana ve? Ny fanapahan’Andriamanitra dia natao mba hanao izany rehetra izany. — Genesisy 1:26-31.
14 Momba ilay raharaha faharoa, inona moa no hahariharin’ny fotoana raha ny amin’ny fahamendrehan’ny zavaboary olombelona? Nanao fahadisoana ve Andriamanitra tamin’ny famoronana ny olombelona araka ny fomba nanaovany azy? Hisy amin’izy ireo ve hanao ny zavatra mety ao anatin’ny fitsapana? Hisy olona ve hampiseho fa haniry ny fanapahan’Andriamanitra izy ireo, fa tsy ny fanapahan’olombelona tsy miankina aminy?
[Sary, pejy 13]
Namela fotoana ampy Andriamanitra mba hahatongavan’ny olombelona eo amin’ny fara tampony amin’ny zava-bitany
[Sary nahazoan-dalana]
Shuttle: Based on NASA photo