FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • dg hevitra 7 p. 14-17
  • Inona no Vokatry ny Fikomiana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Vokatry ny Fikomiana?
  • Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny tarehin-javatra amin’izao andro izao
  • Izay nasehon’ny fotoana
  • Ny fomba fijerin’Andriamanitra ny any amin’ny lavitra
  • Efa Hifarana ny Famelan’Andriamanitra ny Fijaliana Hisy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Nahoana no Misy Fijaliana sy Tsy Rariny Be dia Be toy Izao?
    Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?
  • Hifarana Tsy ho Ela ny Fijaliana Rehetra!
    Hifarana Tsy ho Ela ny Fijaliana Rehetra!
  • Ny Antony Namelan’Andriamanitra ny Fijaliana Hisy
    Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?
Hijery Hafa
Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?
dg hevitra 7 p. 14-17

Fizarana Faha-7

Inona no Vokatry ny Fikomiana?

1-3. Ahoana no nanaporofoan’ny fotoana fa marina ny nolazain’i Jehovah?

MOMBA ny raharaha ny amin’ny maha-ara-drariny ny fanapahan’Andriamanitra, inona moa no vokatra nentin’ireo taonjato nanapahan’ny olombelona tsy niankina tamin’Andriamanitra rehetra ireo? Niseho ho mpanapaka tsara kokoa noho Andriamanitra ve ny olombelona? Raha mitsara izany araka ny halozana nasehon’ny olona tamin’ny olona ihany isika, dia azo antoka fa tsia.

2 Rehefa nanda ny fanapahan’Andriamanitra ireo ray aman-drenintsika voalohany, dia nanaraka izany ny loza. Nitondra fijaliana ho an’ny tenany sy ho an’ny fianakavian’olombelona rehetra naterany izy ireo. Ary tsy afaka ny hanome tsiny afa-tsy ny tenany ihany izy. Milaza toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Nanao zavatra tamin’ny fomba nanimba izy ireo; tsy zanany izy ireo, azy ireo ihany ny tsiny.” — Deoteronomia 32:5, NW.

3 Ny tantara dia mampiseho ny maha-marina ny fampitandremana nataon’Andriamanitra tamin’i Adama sy i Eva fa, raha miala amin’ny fandaharana nataon’Andriamanitra izy ireo, dia hihasimba ka ho faty amin’ny farany. (Genesisy 2:17; 3:19). Niala tamin’ny fanapahan’Andriamanitra tokoa izy ireo, ary tatỳ aoriana dia tena nihasimba ary maty tokoa.

4. Nahoana isika rehetra no teraka tsy tanteraka, mora voan’ny aretina sy ny fahafatesana?

4 Izay nitranga tamin’ny taranany rehetra tatỳ aoriana dia araka ny hazavain’ny Romana 5:12 manao hoe: “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray [Adama, lohan’ny fianakavian’olombelona] ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” Koa, rehefa nikomy tamin’ny fiandraiketan’Andriamanitra àry ireo ray aman-drenintsika voalohany, dia nanjary mpanota nisy tsiny. Mifanaraka amin’ny lalàn’ny fandovan-toetra, dia tsy afaka ny namindra tamin’ny taranany afa-tsy ny tsy fahatanterahana vokatr’izany, izy ireo. Izany no antony nahaterahantsika rehetra ho nisy tsiny, mora voan’ny aretina sy ny fahafatesana.

5, 6. Inona no nasehon’ny tantara raha ny amin’ny ezaky ny olona hitondra tena fiadanana sy fanambinana?

5 Taonjato maro no lasa. Nisy empira maro nipoitra ary rava. Nandramana avokoa izao karazam-pitondram-panjakana azo heverina rehetra izao. Kanefa, tsy an-kijanona ireo zavatra nahatsiravina nitranga tamin’ny fianakavian’olombelona. Aorian’ny enina arivo taona, dia hihevitra isika fa ho efa nandroso ka afaka nanorina fiadanana, rariny ary fanambinana maneran-tany ny olombelona, ary koa fa ho efa nahavita namboly ireo toetra tsaran’ny hatsaram-panahy, ny famindrampo ary ny fiaraha-miasa, izy ireo.

6 Mifanohitra tanteraka amin’izany anefa ny zava-misy. Tsy misy karazam-pitondram-panjakan’olombelona namboarina hatramin’izay nitondra tena fiadanana sy fanambinana ho an’ny rehetra. Tamin’izao taonjato faha-20 misy antsika izao fotsiny, isika dia nahita ny fandripahana olona an-tapitrisany maro nandritra ny “Holocauste” sy ny famonoana olona maherin’ny zato tapitrisa tamin’ny ady. Amin’izao androntsika izao, dia olona tsy hita isa no nampijalijalina, novonoina ary natao an-tranomaizina noho ny tsy fahaiza-milefitra sy ny tsy fitovian-kevitra ara-politika.

Ny tarehin-javatra amin’izao andro izao

7. Ahoana no azo ilazalazana ny toe-piainana misy ny fianakavian’olombelona amin’izao andro izao?

7 Fanampin’izany, dia diniho ny toe-piainana ankapobeny misy ny fianakavian’olombelona amin’izao andro izao. Miely hatraiza hatraiza ny heloka bevava sy ny herisetra. Miitatra fatratra ny fampiasana zavatra mahadomelina. Mihanaka ireo aretina azo avy amin’ny firaisana. Mahazo olona an-tapitrisany maro ny SIDA, izay aretina mahatahotra aoka izany. Olona an-tapitrisany maro isan-taona no maty noho ny hanoanana na ny aretina, kanefa misy olom-bitsy manana harena tondraka. Manimba sy mandroba ny tany ny olombelona. Hatraiza hatraiza dia rava ny fiainam-pianakaviana sy ny fitsipika ara-pitondrantena. Tena marina tokoa fa manome taratry ny fanapahana maharikorikon’i Satana, ilay “andriamanitr’izao tontolo izao”, ny fiainana amin’izao andro izao. Izao tontolo izao izay izy no tompony dia tsy misy fitiavana, tsy misy indrafo ary simba tanteraka. — 2 Korintiana 4:4.

8. Nahoana isika no tsy afaka miantso ny zava-bitan’ny taranak’olombelona hoe tena fandrosoana?

8 Namela ny hisian’ny fotoana ampy mba hahatongavan’ny olombelona eo amin’ny fara tampon’ny fandrosoany eo amin’ny ara-tsiansa sy ara-nofo, Andriamanitra. Kanefa tena fandrosoana ve ny fanoloana ny tsipìka sy ny lefona tamin’ny basy marovava, tanky, mpandatsaka baomba ary balafomanga noklehera? Fandrosoana ve ny fahaizan’ny olona ho any amin’ny habakabaka kanefa tsy afaka miara-miaina amim-pihavanana eto an-tany akory izy? Fandrosoana ve ny tahotry ny olona handeha eny amin’ny arabe amin’ny alina, na mandritra ny andro mihitsy aza any amin’ny toerana sasany?

Izay nasehon’ny fotoana

9, 10. a) Inona no nasehon’ireo taonjato maro lasa mazava tsara? b) Nahoana Andriamanitra no tsy hanala ny safidy malalaka?

9 Izay nasehon’ireo taonjato maro lasa natao ho fitsapana dia hoe tsy afaka ny hitarika ny diany irery amim-pahombiazana ivelan’ny fanapahan’Andriamanitra, ny olombelona. Tsy afaka manao izany izy, toy ny tsy hahafahany ho velona raha tsy mihinana, misotro ary miaina. Miharihary ny porofo: Novolavolaina mba hiankina amin’ny fitarihan’ny Mpamorona antsika isika, tsy misy hafa mihitsy amin’ny namoronana antsika mba hiankina amin’ny sakafo, ny rano ary ny rivotra.

10 Tamin’ny famelana ny faharatsiana hisy, Andriamanitra dia nampiseho indray mandeha ka ho mandrakizay ireo vokatra mampalahelon’ny fampiasana ny safidy malalaka amin’ny fomba ratsy. Ary ny safidy malalaka dia fanomezana sarobidy aoka izany, ka tsy nanala azy io tamin’ny olombelona Andriamanitra, fa namela azy ireo kosa hahita izay dikan’ny fampiasana azy io amin’ny fomba ratsy. Milaza ny marina ny Tenin’Andriamanitra rehefa manao hoe: “Tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany.” Milaza ny marina koa izy io rehefa manao hoe: “Misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.” — Jeremia 10:23; Mpitoriteny 8:9.

11. Nisy fanapahan’olombelona nanafoana ny fijaliana ve?

11 Ny famelan’Andriamanitra ny fanapahan’olombelona hisy nandritra ny enina arivo taona dia manaporofo amin’ny fomba mahery fa tsy afaka mampijanona ny fijaliana ny olombelona. Tsy nahavita izany mihitsy izy. Ohatra, tamin’ny andro nanjakany, i Solomona, mpanjakan’ny Isiraely, dia tsy afaka nanaisotra ny fijaliana vokatry ny fanapahan’olombelona, na dia teo aza ny fahendrena, ny harena ary ny fahefana rehetra nananany. (Mpitoriteny 4:1-3). Mitovy amin’izany koa fa, amin’izao androntsika izao, ireo filoha eo amin’izao tontolo izao, na dia eo aza ireo zava-bita teknika farany indrindra, dia tsy afaka manafoana ny fijaliana. Ratsy noho izany aza fa asehon’ny tantara fa ny olombelona tsy miankina amin’ny fanapahan’Andriamanitra dia nampitombo, fa tsy nanafoana, ny fijaliana.

Ny fomba fijerin’Andriamanitra ny any amin’ny lavitra

12-14. Soa any amin’ny lavitra inona avy no ho azo ho vokatry ny famelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy?

12 Ny famelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy dia nampanaintaina antsika. Kanefa naka fomba fijery ny any amin’ny lavitra izy, noho ny fahafantarany ireo vokatra tsara ho azo amin’ny farany. Ny fomba fijerin’Andriamanitra dia hitondra soa ho an’ny zavaboary, tsy mandritra ny taona vitsivitsy na mandritra ny an’arivony taona vitsivitsy monja, fa mandritra ny an-tapitrisany taona maro, eny, ho mandrakizay.

13 Raha sendra mipoitra ny tarehin-javatra any aoriana any hampiasan’ny olona iray ny safidy malalaka amin’ny fomba ratsy mba hampiteraka fisalasalana momba ny fomba fanaovan’Andriamanitra zavatra, dia tsy hilaina intsony ny hanomezana azy fotoana mba hanandramana hanaporofo ny fiheviny. Ho efa avy namela ny fisian’ny mpikomy nandritra ny an’arivony taona maro Andriamanitra ka ho efa nanorina ohatra hotononina ara-dalàna, izay ho azo ampiharina mandritra ny mandrakizay, na aiza na aiza eo amin’izao rehetra izao.

14 Satria i Jehovah namela ny faharatsiana sy ny fijaliana hisy hatramin’izao fotoana izao, dia ho efa ampy tsara ny fotoana mba hanaporofoana fa tsy misy na inona na inona tsy mifanaraka aminy, afaka ny hahomby. Ho efa naseho amin’ny fomba tsy misy isalasalana mihitsy, fa tsy misy teti-dratsin’ny olona na ny zavaboary ara-panahy tsy miankina na dia iray aza afaka ny hitondra soa maharitra. Noho izany, dia ho voamarina tanteraka Andriamanitra rehefa hanorotoro avy hatrany izay mpikomy rehetra. “Ny ratsy fanahy rehetra (...) haringany.” — Salamo 145:20; Romana 3:4.

[Sary, pejy 15]

Rehefa nifidy ny tsy fiankinana tamin’Andriamanitra ireo ray aman-drenintsika voalohany, dia nihantitra ary maty tamin’ny farany

[Sary, pejy 16]

Hita ho nitondra loza ny fanapahan’olombelona ivelan’Andriamanitra

[Sary nahazoan-dalana]

U.S. Coast Guard photo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara