Fanantenana Azo Antoka ho An’ny Maty
Hoy ny vehivavy iray 25 taona: “Matin’ny kansera tamin’ny 1981 ilay reny nanangana ahy. Tena mafy taminay sy ilay anadahiko, zanak’ilay nanangana ahy, ny fahafatesany. Fito ambin’ny folo taona aho ary 11 taona ilay anadahiko, tamin’izany. Tena nalahelo be an’io reniko io aho. Te hamono tena aho mba hiarahana taminy satria nampianarina ahy fa lasa tany an-danitra izy. Mpinamana be mantsy izahay mianaka.”
Toa tsy rariny mihitsy raha ny fahafatesana no manana fahefana hanaisotra aminao ny olona iray tianao. Ary rehefa mitranga izany, dia tena tsy tanty ny mieritreritra hoe tsy ho afaka hiresaka, na hiara-mihomehy, na hamihina an’ilay hava-malala intsony ianao. Tsy voatery hikosoka an’io alahelo io ny filazana aminao fa any an-danitra ilay havanao.
Hafa tanteraka ny fanantenana omen’ny Baiboly. Araka ny efa hitantsika, dia asehony ao fa mety ho tafaray indray amin’ireo havantsika efa maty isika. Tsy ho ela izany, ary tsy ho any an-danitra tsy fantatsika any, fa eto an-tany mihitsy, ao anatin’ny fiadanana sy fahamarinana. Ho afaka hanantena fahasalamana lavorary ny olombelona amin’izay, ary tsy ho voatery ho faty indray. Mety hisy hilaza hoe: ‘Tsy nofinofy antoandro ve izany?’
Inona no hampiaiky anao fa azo antoka io fanantenana io? Mba hinoana fampanantenana iray, dia ilaina ho azo antoka, fa sady vonona no afaka hanatanteraka an’io fampanantenana io ny olona nanome azy. Iza àry no mampanantena fa ho velona indray ny maty?
Tany am-piandohan’ny taona 31, dia sahy nilaza toy izao i Jesosy Kristy: “Toy ny ananganan’ny Ray ny maty ka amelomany azy indray, dia toy izany koa no ameloman’ny Zanaka an’izay tiany hovelomina. Aza gaga amin’izany fa ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony [ny feon’i Jesosy], dia hivoaka izy ireo.” (Jaona 5:21, 28, 29) Nampanantena tokoa izy fa olona an-tapitrisa maty ankehitriny, no ho velona indray eto an-tany, ary ho afaka hiaina mandrakizay, ao amin’ny paradisam-piadanana. (Lioka 23:43; Jaona 3:16; 17:3; ampitahao amin’ny Salamo 37:29 sy Matio 5:5.) I Jesosy no nampanantena, ka tsy isalasalana fa vonona hanatanteraka izany izy. Ho afaka hanao izany ve anefa izy?
Roa taona latsaka taorian’io fampanantenana io, dia nasehon’i Jesosy tamin’ny fomba mahery fa sady vonona hanangana ny maty izy, no afaka hanao izany.
“Ry Lazarosy, mivoaha!”
Fisehoan-javatra nampihetsi-po ilay izy. Narary mafy i Lazarosy. Nampilaza toy izao tamin’i Jesosy, izay tany ampitan’ny Reniranon’i Jordana, i Maria sy Marta anabavin’i Lazarosy: “Tompo ô, marary ilay tsy foinao.” (Jaona 11:3) Fantatr’izy ireo fa tia an’i Lazarosy i Jesosy. Tsy te hitsidika an’ilay namany narary ve i Jesosy? Nahagaga fa tsy nankany Betania avy hatrany izy, fa mbola nijanona roa andro tany amin’ilay nisy azy.—Jaona 11:5, 6.
Maty i Lazarosy, fotoana kelikely taorian’ny nandefasana an’ilay hafatra. Fantatr’i Jesosy ilay izy, ary nikasa hanao zavatra izy. Efa maty efatra andro ilay namana tiany, vao tonga tany Betania i Jesosy. (Jaona 11:17, 39) Ho vitany ve ny hamelona olona maty efa ela be toy izany?
Rehefa ren’i Marta, vehivavy nazoto, fa tamy i Jesosy, dia nihazakazaka nitsena azy izy. (Ampitahao amin’ny Lioka 10:38-42.) Tohina i Jesosy nahita ny alahelony, ka niteny hoe: “Hitsangana ny anadahinao.” Rehefa nolazain’i Marta fa nino ny fitsanganan’ny maty mbola ho avy izy, dia hoy i Jesosy: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana. Izay maneho finoana ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.”—Jaona 11:20-25.
Rehefa tonga teo am-pasana i Jesosy, dia nasainy nesorina ny vato nanampina ny fidirana tao. Nivavaka tamin’ny feo avo izy avy eo, ary nandidy hoe: “Ry Lazarosy, mivoaha!”—Jaona 11:38-43.
Nibanjina ilay fasana ny maso rehetra. Nisy bikan’olona nipoitra avy tao amin’ny haizina. Nisy fehim-paty ny tongony aman-tanany, ary voafatotra lamba ny tarehiny. Hoy i Jesosy: “Vahao izy, ka avelao handeha.” Nianjera tamin’ny tany ny fehy novahana farany. I Lazarosy io. Io ilay lehilahy maty nandritra ny efatra andro!—Jaona 11:44.
Tena nitranga ve izany?
Asehon’ny Filazantsaran’i Jaona ho toy ny zava-nitranga ara-tantara ny fitsanganan’i Lazarosy tamin’ny maty. Tena manaitra ny saina ireo tsipiriany amin’ilay fitantarana, ka tsy hety ho fanoharana tsotra fotsiny izy io. Raha tsy mino azy io ny olona iray, dia toy ny tsy mino koa ny fahagagana rehetra ao amin’ny Baiboly, anisan’izany ny fitsanganan’i Jesosy Kristy. Ary raha mandà ny fitsanganan’i Jesosy izy, dia mandà ny finoana kristianina manontolo.—1 Korintianina 15:13-15.
Tsy tokony ho sarotra aminao anefa ny hino ny fitsanganana amin’ny maty, raha manaiky ianao fa misy Andriamanitra. Ity misy ohatra: Azon’ny olona atao ny maka amin’ny kasety vidéo ny sariny sy ny feony milaza ny sitrapony farany sy ny didim-pananany. Rehefa maty izy, dia azon’ny havana aman-tsakaizany atao ny mahita sy mijery azy manazava ny tokony hatao amin’ny fananany. Tsy azo nosaintsainina mihitsy ny zavatra toy izany, 100 taona lasa izay. Ary ho an’ny olona ankehitriny izay mipetraka any amin’ny faritra lavitra, dia toy ny fahagagana ny zava-bitan’ny kasety vidéo, satria tsy takatry ny sainy. Vitan’ny olona ny mampiasa ireo lalàn’ny siansa naorin’ny Mpamorona, mba hamerenana fisehoan-javatra iray amin’ny alalan’ny feo sy sary. Tsy tokony hihoatra lavitra noho izany ve ny mety ho vitan’ny Mpamorona? Tsy mety àry ve ny inoana fa vitan’Ilay namorona ny aina ny mamerina indray azy io?
Nampitombo ny finoana an’i Jesosy sy ny fitsanganana amin’ny maty ny fahagagana momba ny fananganana an’i Lazarosy. (Jaona 11:41, 42; 12:9-11, 17-19) Ahariharin’izany amin’ny fomba mampihetsi-po koa, fa sady vonona no maniry hanangana ny maty i Jehovah sy ny Zanany.
‘Halahelo Andriamanitra’
Mampiharihary ny fitiavana nananan’ilay Zanak’Andriamanitra ny fihetsiny tamin’i Lazarosy maty. Ny fihetseham-po lalina nasehony tamin’izay, dia mampiseho tsara fa tena maniry hanangana ny maty izy. Izao no vakintsika: “Nony tonga teo amin’i Jesosy i Maria, dia niankohoka avy hatrany teo amin’ny tongony raha vao nahita azy, ka nanao hoe: ‘Tompo ô, raha teto ianao dia tsy maty ny anadahiko.’ Nisento lalina i Jesosy rehefa hitany fa nigogogogo nitomany i Maria sy ireo Jiosy niaraka taminy, ka vonton’alahelo izy. Dia hoy izy: ‘Aiza no nametrahanareo azy?’ Hoy ireo: ‘Tompo ô, andao jereo!’ Ary nirotsaka ny ranomason’i Jesosy. Koa hoy ny Jiosy: ‘Lehibe tokoa izany fitiavany azy izany!’”—Jaona 11:32-36.
Misy teny telo eto, mampiseho ny haben’ny fangoraham-pon’i Jesosy, dia ny hoe: “vonton’alahelo”, “nisento lalina”, ary ‘nirotsaka ny ranomaso.’ Ny teny tany am-boalohany nampiasaina mba hitantarana an’io fisehoan-javatra nampihetsi-po io, dia mampiseho fa tohina mafy i Jesosy. Nanohina mafy azy ny fahafatesan’i Lazarosy, namany malalany, sy ny fahitana ny anabavin’i Lazarosy nitomany, ka nipotrapotraka ny ranomasony.a
Tsara homarihina fa efa nanangana olona roa hafa tamin’ny maty i Jesosy talohan’io. Ary tena nikasa hanao toy izany indray tamin’i Lazarosy izy. (Jaona 11:11, 23, 25) ‘Nirotsaka anefa ny ranomasony.’ Tsy nentim-pahazarana fotsiny àry i Jesosy, rehefa nanangana olona tamin’ny maty. Ny fitiavana lalina nasehony tamin’iny fotoana iny, dia mampiseho fa tena tiany ny hanafoana ny fahafatesana.
Ny fitiavana lalina nasehon’i Jesosy tamin’izy nanangana an’i Lazarosy, dia taratry ny faniriany mafy hanafoana ny fahafatesana
I Jesosy no ‘mampiseho tanteraka ny maha izy an’i Jehovah Andriamanitra’, ka rariny raha tsy latsaka noho ny nataony no antenaintsika avy amin’ilay Raintsika any an-danitra. (Hebreo 1:3) Hoy i Joba, lehilahy nahatoky, momba ny fahavononan’i Jehovah hanangana ny maty: “Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? ... Hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan’ny tànanao Hianao.” (Joba 14:14, 15) Ny teny tany am-boalohany nadika eto hoe “halahelo” ianao, dia mampiseho ny faniriana mafy ananan’Andriamanitra. (Genesisy 31:30; Salamo 84:2) Mazava fa tsy andrin’i Jehovah ny hananganana ny maty.
Tena afaka mino ny fampanantenana fitsanganana amin’ny maty ve isika? Eny, tsy isalasalana fa sady vonona no afaka manatanteraka izany i Jehovah sy ny Zanany. Inona no dikan’izany ho anao? Afaka manantena ho tafaray indray amin’ny havanao efa maty ianao, eto an-tany ihany, nefa ao amin’ny toe-piainana hafa tanteraka!
I Jehovah Andriamanitra, ilay nametraka ny olombelona tao amin’ny zaridaina nahafinaritra tany am-boalohany, no mampanantena fa hamerina ny Paradisa eto an-tany. Ilay Fanjakany any an-danitra tantanan’i Jesosy Kristy nomem-boninahitra no hitondra azy io. (Genesisy 2:7-9; Matio 6:10; Lioka 23:42, 43) Hanantena hifaly amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’io Paradisa tafaverina io ny fianakavian’olombelona, ary tsy harary intsony mihitsy. (Apokalypsy 21:1-4; ampitahao amin’ny Joba 33:25; Isaia 35:5-7.) Tsy hisy intsony koa ny fankahalana, ny fanavakavaham-bolon-koditra, ny herisetra ara-poko, ary ny tsindry hazo lena. Ao amin’io tany voadio io no hananganan’i Jehovah ny maty, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.
Hitondra fifaliana ho an’ny firenena rehetra ny fitsanganana amin’ny maty, miorina amin’ny sorom-panavotan’i Kristy Jesosy
Izany izao no fanantenan’ilay vehivavy kristianina voalaza teo am-piandohan’ity fizarana ity. Taona maromaro taorian’ny nahafatesan’ny reniny, dia nanampy azy hianatra tsara ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy izy: “Nitomany aho rehefa nianatra momba ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty. Faly be aho nahafantatra fa hahita an’i Neny indray.”
Raha maniry mafy hahita indray ny havanao efa maty koa ianao, dia ho faly hanampy anao ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hianatra ny fomba hahazoana an’io fanantenana azo antoka io. Manatòna any amin’ny Efitrano Fanjakana akaiky anao indrindra, na manorata any amin’ny adiresy voalaza eo amin’ny pejy faha-32.
a Ny teny grika nadika hoe “vonton’alahelo” na feno sento, dia avy amin’ny matoanteny (em·bri·maʹo·mai) izay midika hoe tohina mafy, na tohina lalina. Hoy ny manam-pahaizana momba ny Baiboly: “Ny hany mety ho dikany eto dia hoe tena nihetsi-po mafy i Jesosy ka nivoaka tsy nahy avy tao am-pony ny sento.” Ny fitenenana nadika hoe “tora-kovitra” dia avy amin’ny teny grika (ta·rasʹso), izay milaza fientanam-po. Araka ny mpanao diksionera iray, dia midika izy io hoe “mahatonga fikorontanana anaty, ... mahatonga fanaintainana na alahelo be.” Ilay fitenenana hoe “nitomany” dia avy amin’ny matoanteny grika (da·kryʹo) izay midika hoe “mandrotsa-dranomaso, mitomany mangina.”