-
Fitenenana Misosa TsaraMandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
-
-
LESONA 4
Fitenenana Misosa Tsara
REHEFA mamaky teny amin’ny feo avo ianao, mampiakanakana anao ve ny teny sasany? Na, rehefa manao lahateny eo anoloan’ny mpanatrika ianao, voamarikao ve fa matetika ianao no mitady izay teny holazaina? Raha izany no izy, dia mety tsy hisosa tsara ny fitenenanao. Mivoaka tsara, toa tsy misy misakantsakana, ny teny sy ny hevitry ny olona iray miteny sy mamaky teny misosa tsara. Tsy midika akory izany hoe tsy mitsaha-miteny izy, miteny haingana be, na hoe miteny tsy amim-pieritreretana. Mahafinaritra kosa ny mihaino ny fomba fiteniny. Asiana fiheverana manokana ny fitenenana misosa tsara ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana.
Mety hisy antony samihafa mahatonga ny olona tsy hiteny misosa tsara. Diniho raha misy mahakasika anao ireto tanisaina manaraka ireto: 1) Ny tsy fahafantarana ny teny sasany, rehefa mamaky teny ho an’ny hafa. 2) Ny fiatoana kely matetika loatra. 3) Ny tsy fanaovana fanomanana. 4) Ny fanazavana tsy mirindra tsara, mandritra ny fanaovana lahateny. 5) Ny tsy fananana voambolana ampy. 6) Ny fanamafisana teny betsaka loatra. 7) Ny tsy fahafantarana ny fitsipi-pitenenana.
Tsy hivoaka ny Efitrano Fanjakana ara-bakiteny akory ny mpanatrika raha tsy misosa tsara ny fitenenanao, saingy mety hiriorio ny sainy. Ho vokany, dia mety ho very maina ny ankabeazan’izay lazainao.
Tsy maintsy mitandrina kosa anefa ianao sao ilay fitenenana tianao haneho fatokisan-tena sy hisosa tsara iny ka manjary mandidindidy, eny, mahasanganehana ny mpihaino mihitsy aza. Raha heverin’ny olona ho mivantambantana na tsy misy fahatsoram-po ny fiteninao, noho izy ireo tsy mitovy kolontsaina sy fiaviana aminao, dia tsy hanohina ny fony ianao. Mpandahateny za-draharaha, ohatra, ny apostoly Paoly. Na izany aza, dia nanatona ny Korintianina tamin’ny “fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be” izy, mba tsy hisarihana ny sain’izy ireo ho amin’ny tenany, tsy amin’ny antony.—1 Kor. 2:3.
Fahazaran-dratsy tokony hohalavirina. Olona maro no za-dratsy manao hoe “aaaa” rehefa miteny. Ny hafa mamerimberina teny toy ny hoe “izay”, “izay izany”, “ohatra ny hoe”, isaky ny fehezanteny. Angamba tsy fantatrao akory hoe manao izany matetika ianao. Nahoana raha manao fanazaran-tena ka mangataka olona iray mba hihaino anao sy hamerina ireo teny ireo isaky ny milaza an’ireo ianao? Mety ho gaga ianao, noho ny habetsahany.
Misy olona mamerina teny vao avy nolazainy na novakiny, izany hoe manomboka fehezanteny iray izy, ary avy eo dia manapaka ny teniny eny antenatenany, ka mamerina tapany iray amin’izay voalazany teo.
Ny hafa indray miteny haingana, nefa raha hevitra iray no anombohany ny fehezanteniny, dia manapaka ny teniny izy ary milaza hevitra hafa indray. Na dia misosa tsara aza ny teniny, dia mahatonga ny fitenenany tsy hisosa tsara ny fiovan’ny hevitra tampoka.
Fomba hanatsarana ny fitenenana. Raha sahirana foana ianao mitady teny holazaina, dia mila miezaka mafy mba hampitombo ny voambolanao. Mariho manokana ireo teny tsy fantatrao ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! ary ny boky hafa vakinao. Jereo ao amin’ny diksionera ny hevitr’ireny teny ireny, ary ampiasao izy ireny. Raha tsy misy diksionera azonao ampiasaina, dia mangataha olona mahay tsara ilay fiteny mba hanampy anao.
Hahita fihatsarana ianao raha ataonao ho fahazarana ny mamaky teny amin’ny feo avo tsy tapaka. Mariho ireo teny sarotra, ary lazao amin’ny feo avo imbetsaka izy ireny.
Mba hamakiana teny misosa tsara, dia ilaina ny mahatakatra hoe teny iza avy no miaraka ao anaty fehezanteny iray. Mazàna no ilaina hovakina miaraka ny teny sasany, mba hampitana tsara ny hevitr’ilay mpanoratra. Mariho manokana ireny teny mandeha miaraka ireny. Asio marika izy ireny, raha manampy anao izany. Tsy ny hamaky teny tsy misy diso fotsiny akory no zava-kendrenao, fa ny hampita hevitra mazava tsara koa. Rehefa avy namakafaka fehezanteny iray ianao, dia mifindrà amin’ilay manaraka, ary toy izany hatrany mandra-pamitanao ilay fehintsoratra manontolo. Fantaro tsara ny fizotran’ny hevitra. Avy eo, dia mizàra mamaky teny amin’ny feo avo. Averimbereno vakina ilay fehintsoratra, mandra-pamakinao azy tsy miakanakana na miato eo amin’ny toerana tsy tokony hiatoana. Avy eo, dia mifindrà amin’ny fehintsoratra manaraka.
Manaraka izany, dia ampitomboy ny hafainganan’ny famakianao teny. Raha takatrao hoe teny iza avy no miaraka ao anaty fehezanteny iray, dia hahita teny maromaro indray miaraka ny masonao ary ho afaka haminany ilay teny manaraka ianao. Tena hanatsara ny famakianao teny izany.
Tena fampiofanana tsara ny mizatra mamaky lahatsoratra mbola tsy hita mialoha. Mba hanaovana izany, ohatra, dia vakio amin’ny feo avo, tsy misy fanomanana mialoha, ny andinin-teny ho an’ny andro sy ny fanazavana azy; ataovy tsy tapaka izany. Zaro ny masonao hahita indray miaraka fitambaran-teny milaza hevitra feno, fa tsy teny tsirairay fotsiny.
Rehefa miresaka ianao, dia mila mieritreritra aloha vao miteny, raha te hiteny misosa tsara. Ataovy ho fahazaranao isan’andro izany. Eritrereto izay hevitra tianao holazaina sy ny filaharana tianao hilazana azy ireo; ary avy eo vao manomboha miteny. Aza maimaika, fa milazà kosa hevitra feno iray, alohan’ny hiatoana na hiovana hevitra eny antenatenany. Fehezanteny fohy sy tsotra ampiasaina.
Ho tonga ho azy ireo teny, raha fantatrao tsara izay hevitra tianao holazaina. Tsy ilaina, amin’ny ankapobeny, ny mifidy mialoha ireo teny hampiasainao. Ho fanazaran-tena, dia tsara raha mazava tsara ao an-tsainao ilay hevitra, ary avy eo vao mieritreritra ireo teny hampiasainao, eo am-pitenenana. Raha manao izany ianao, ary raha mifantoka amin’ilay hevitra ny sainao, fa tsy amin’ireo teny hilazanao azy, dia ho tonga ho azy izy ireo, ary dia hivoaka avy amin’ny fo ny tianao holazaina. Raha manomboka mieritreritra teny anefa ianao, fa tsy hevitra, dia mety ho tapatapaka ny fitenenanao. Ho afaka hiteny misosa tsara ianao, rehefa mihazatra. Ary tena ilaina izany, mba hahatonga ny fitenenana sy ny vakiteny handaitra.
Rehefa notendrena hisolo tena an’i Jehovah teo anatrehan’ny firenen’ny Isiraely sy ny Faraon’i Ejipta i Mosesy, dia nahatsiaro tena ho tsy nahay. Nahoana? Tsy nahay nandaha-teny izy, na hoe tsy niteny nisosa tsara; nety ho nanana kilema nahatonga azy tsy hahay hiteny tsara izy. (Eks. 4:10; 6:12) Nahita fialan-tsiny isan-karazany i Mosesy, nefa samy tsy nisy neken’Andriamanitra izy ireny. Naniraka an’i Arona hiaraka taminy, mba ho mpitondra teniny, i Jehovah. Nanampy an’i Mosesy hiteny koa anefa Izy. Tamin’ny farany, dia nahavita niteny imbetsaka sy tamin’ny fomba nandaitra i Mosesy, tsy tamin’ny olona tsirairay na tamin’ny fitambaran’olona sasantsasany ihany, fa tamin’ilay firenena manontolo koa. (Deot. 1:1-3; 5:1; 29:1; 31:1, 2, 30; 33:1) Ho afaka hampiasa ny fitenenanao mba hankalazana an’Andriamanitra koa ianao, raha manao izay rehetra azonao atao sady mitoky amin’i Jehovah.
-
-
Fiatoana Araka ny Tokony ho IzyMandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
-
-
LESONA 5
Fiatoana Araka ny Tokony ho Izy
TENA ilaina ny fiatoana eo amin’ny tokony hisy azy, rehefa miteny. Marina izany, na manao lahateny ianao, na miresaka amin’olona. Mety ho toy ny miteniteny foana tsy misy heviny ny olona iray, raha tsy misy fiatoana. Mazava kokoa ny fitenenana misy fiatoana araka ny tokony ho izy. Hahatonga ny mpihaino hahatadidy ireo hevi-dehibe lazainao koa izy io.
Ahoana no hamaritanao ny fotoana tokony hanaovana fiatoana? Tokony haharitra toy inona ny fiatoana?
Fiatoana takin’ireo mari-piatoana. Nanjary tapany tsy misaraka amin’ny soratra ny mari-piatoana. Mety hilaza ny faran’ny teny nolazaina na ny faran’ny fanontaniana izy ireny. Natao hanavahana tenin’olona tononina izy ireny, amin’ny fiteny sasany. Ny mari-piatoana sasany dia manondro ny fifandraisan’ireo tapany samihafa ao amin’ny fehezanteny iray. Mahita ireo mari-piatoana ny olona iray mamaky teny samirery. Rehefa mamaky amin’ny feo avo ho an’ny hafa kosa anefa izy, dia tsy maintsy mampita ny hevitra asehon’ireo mari-piatoana ny feony. (Jereo ny Lesona Voalohany hoe “Vakiteny Tsy Misy Diso.”) Raha tsy miato araka izay takin’ny mari-piatoana ianao, dia mety ho sarotra amin’ny hafa ny hahazo izay vakinao, na mety ho voaolana mihitsy aza ny hevitr’izay voasoratra.
Ankoatra ny mari-piatoana, ny fomba filaza ireo hevitra ao anatin’ny fehezanteny iray koa dia hamaritra ny toerana tokony hiatoana. Hoy ny mpahay mozika malaza iray, indray mandeha: “Tsy hoe mahay manaraka naoty kokoa noho ny mpitendry piano hafa aho akory. Ny fahaizana miato eo anelanelan’ireo naoty kosa anefa, eny, izany no ahitana ny hakingan’ny mpanakanto.” Mitovy amin’izany koa ny fitenenana. Raha mahay miato ianao, dia vao mainka hihatsara sy hisy heviny kokoa ny anjaranao izay efa nomaninao tsara.
Rehefa manomana famakian-teny ampahibemaso ianao, dia asio marika eo amin’ilay lahatsoratra hovakinao. Tsipika kely mitsangana iray no soraty eo amin’ny tokony hiatoana vetivety. Tsipika mitsangana roa mifanakaiky kosa no ampiasao, raha fiatoana maharitra kokoa no ilaina. Raha hafahafa aminao ny tapany sasany ao amin’ny fehezanteny iray, ka mamerimberina mandiso ny toerana iatoanao ianao, dia asio marika mampitambatra azy, ireo teny miaraka rehetra ao amin’izany tapany sarotra vakina izany. Vakio hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, ilay izy avy eo. Mpandahateny za-draharaha maro no manao toy izany.
Mazàna no tsy manahirana ny fiatoana rehefa miresaka andavanandro, satria fantatrao ireo hevitra tianao holazaina. Raha za-dratsy miato tsy tapaka anefa ianao, na takin’ilay hevitra lazainao izany na tsia, dia sady tsy hazava no tsy hisy heriny ny teninao. Misy fanoloran-kevitra hanatsarana izany, ao amin’ny Lesona Faha-4 hoe “Fitenenana Misosa Tsara.”
Fiatoana alohan’ny hifindrana ho amin’ny hevitra hafa. Rehefa miato ianao alohan’ny hifindrana ho amin’ny hevi-dehibe hafa, dia ho afaka hieritreritra ny mpihaino, haharaka izay lazainao, hahita fa hisy fiovan’ny zavatra holazaina, ary hahatakatra mora kokoa ilay hevitra manaraka. Mitovy amin’ny familiana fiara miadana kokoa rehefa handeha hivily lalana, izany fiatoana izany.
Ny antony iray mahamaika ny mpandahateny sasany hifindra ho amin’ny hevitra hafa, tsy misy fiatoana, dia ny fitadiavany hanazava zavatra be loatra. Efa fahazarana eo amin’ny fitenenany andavanandro izany, amin’ny olona sasany. Angamba miteny toy izany ny olona rehetra manodidina azy. Tsy mandaitra anefa ny fampianarana atao toy izany. Raha manan-javatra mendri-kohenoina sy mendri-kotadidina ianao, dia makà fotoana tsara hampisongadinana izany hevitra izany. Ekeo fa tena ilaina ny fiatoana, mba hampitana hevitra mazava.
Raha hanao lahateny miorina amin’ny drafitra ianao, dia alamino ny fanazavanao mba hahitanao tsara ny toerana tokony hiatoana eo anelanelan’ireo hevi-dehibe. Raha lahateny vakina kosa no hataonao, dia asio marika ireo toerana ifindrana ho amin’ny hevi-dehibe manaraka.
Mazàna ny fiatoana alohan’ny hifindrana ho amin’ny hevitra hafa no maharitra kokoa noho ny fiatoana takin’ny mari-piatoana, kanefa tsy maharitra loatra ka hahatonga ny lahateninao hitarazoka be. Raha maharitra loatra ny fiatoana, dia ho toy ny hoe tsy nanomana tsara ianao ary mitady izay holazainao manaraka.
Fiatoana ho fanamafisana. Matetika ny fiatoana ho fanamafisana no fiatoana manaitra, izany hoe mialoha na manaraka fanambarana iray na fanontaniana iray tiana hohamafisina. Rehefa miato toy izany ianao, dia afaka mieritreritra momba izay vao avy nolazainao ny mpihaino, na miandrandra izay hanaraka. Tsy mitovy ireo zavatra roa ireo, ka fidio izay mety indrindra. Tadidio anefa fa tokony hoferana ho amin’ny hevitra tena lehibe ny fiatoana ho fanamafisana. Raha tsy izany, dia tsy hisongadina izy ireny.
Nanao fiatoana nandaitra i Jesosy rehefa namaky ny Soratra Masina tao amin’ny synagogan’i Nazareta. Namaky momba ilay asa nanirahana azy tao amin’ny horonan’i Isaia mpaminany aloha izy. Talohan’ny nampiharana azy io anefa, dia nahorony ilay horonana ka naveriny tamin’ilay mpanao raharaha, ary dia nipetraka izy. Niteny toy izao izy avy eo, raha mbola nibanjina azy ny mason’ny rehetra tao amin’ny synagoga: “Andro-any no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.”—Lioka 4:16-21.
Fiatoana takin’ny toe-javatra. Mety hitaky ny hiatoanao koa indraindray ny fanelingelenana. Mety ho voatery hanapaka ny resaka ifanaovanao amin’ny tompon-trano iray eny amin’ny fanompoana ianao, rehefa misy fiara mandalo na zaza mitomany. Raha tsy dia tafahoatra ny fanelingelenana any amin’ny fivoriambe, dia mety ho afaka hanohy hiteny ianao, fa amin’ny feo mafy kokoa fotsiny. Raha mafy sy mitohy anefa ilay fanelingelenana, dia tsy maintsy miato ianao. Tsy hihaino anao akory ny mpanatrika, na hiteny aza ianao. Koa ampiasao tsara àry ny fiatoana, mba hanampiana ny mpihaino anao handre an’ireo zava-tsoa rehetra tianao holazaina aminy.
Fiatoana mamela hanome valin-teny. Na dia mety tsy hisy fandraisana anjaran’ny mpanatrika aza ny famelabelarana ataonao, dia omeo fahafahana hamaly ao an-tsainy izy ireo. Raha mametraka fanontaniana tokony hampieritreritra ny mpihaino anao ianao, nefa tsy miato, dia ho very maina ny zava-kendren’izany fanontaniana izany.
Mazava ho azy fa tena ilaina ny miato, tsy rehefa miteny avy eny amin’ny lampihazo ihany, fa rehefa mitory koa. Misy olona toa tsy miato mihitsy. Raha anisany ianao, dia miezaha mafy hamboly io lafiny iray amin’ny fahaiza-miteny io. Hanatsara ny fifampiresahanao amin’ny hafa sy ny fanompoanao eny amin’ny saha izany. Fotoam-panginana ny fiatoana, ary marina ilay filazana fa ny fanginana dia manasongadina, manamafy, misarika ny saina ary mampiala sasatra ny sofina.
Hevitra mifamaly ny resaka andavanandro. Ho vonona kokoa ny hihaino anao ny hafa, rehefa mihaino azy ianao ka maneho fahalianana amin’izay lazainy. Izany dia mitaky ny hiatoanao mba hahafahan’izy ireo hilaza ny heviny.
Handaitra kokoa ny fitoriantsika eny amin’ny saha fanompoana, rehefa ataontsika toy ny resaka. Vavolombelona maro no milaza ny anton-diany sy mametraka fanontaniana iray, aorian’ny fifampiarahabana. Miato izy ireo mba hahafahan’ilay olona hamaly, ary misaotra azy noho izay nolazainy, aorian’izay. Mety hanome an’ilay tompon-trano fahafahana hiteny matetika izy, mandritra ilay resaka. Fantany fa afaka manampy bebe kokoa ny olona iray ny tenany, raha mahafantatra ny fomba fiheviny momba ilay zavatra resahina.—Ohab. 20:5.
Mazava ho azy fa tsy ny rehetra no tia ny hametrahana fanontaniana. Niato foana anefa i Jesosy mba hamelana ny hafa hiteny, eny, na dia ny mpanohitra aza. (Marka 3:1-5) Ny famelana an’ilay olona hiteny dia mampirisika azy hieritreritra, ary mety hilaza izay ao am-pony izy amin’izany. Ny hanohina ny fon’ny olona tokoa mantsy no iray amin’ireo zava-kendren’ny fitoriantsika. Hanao izany isika, amin’ny fampisehoana aminy ireo zavatra lehibe dia lehibe ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izay tsy maintsy anaovany fanapahan-kevitra.—Heb. 4:12.
Tena mitaky fahaizana tokoa ny fiatoana araka ny tokony ho izy eo amin’ny fanompoantsika. Rehefa atao tsara ny fiatoana, dia mazava kokoa ireo hevitra ampitaina, ary matetika no tadidy ela be.
-
-
Fanamafisan-kevitra Mety TsaraMandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
-
-
LESONA 6
Fanamafisan-kevitra Mety Tsara
REHEFA miteny na mamaky teny amin’ny feo avo ianao, dia tsy ny hilazanao ny teny tsirairay tsy misy diso ihany no tena ilaina, fa ny hanamafisanao koa ireo teny fototra, mba hampita hevitra mazava tsara.
Tsy fanamafisana teny sasantsasany fotsiny akory no antsoina hoe fanamafisan-kevitra mety tsara. Ilay teny tena izy no tsy maintsy hamafisina. Raha ilay teny tsy izy no hamafisinao, dia mety tsy hazava amin’ny mpihaino ny hevitr’izay lazainao, ary mety hiriorio ny sain’izy ireo. Na tsara aza ilay fanazavana, nefa tsy mety tsara ny fanamafisan-kevitra, dia tsy hanosika ny mpihaino hanao zavatra ilay izy.
Misy fomba maro samihafa azo anamafisana hevitra, ka ampiasaina miaraka matetika: ny fampitomboana ny hamafin’ny feo, ny fanamafisana kokoa ny fihetseham-po aseho, ny fanononana miadana sy tsy maimaika, ny fiatoana aloha na aorian’ny fanambarana iray (na izy roa), ary ny fihetsehana sy izay asehon’ny endrika. Amin’ny fiteny sasany, dia afaka manamafy hevitra koa ny olona iray, raha ataony maranitra kokoa na midoboka kokoa ny feony. Ilay zavatra hazavainao sy ny toe-javatra hitenenanao no hamaritra ilay fomba mety indrindra aminy.
Mba hamaritana izay tokony hohamafisina, dia hevero izao manaraka izao. 1) Ao anatin’ny fehezanteny rehetra, dia tsy ilay fehezanteny dinihina ihany no mamaritra izay teny tokony hohamafisina, fa ireo fehezanteny manodidina koa. 2) Azo atao ny manamafy ny fiandohan’ny hevitra vaovao iray, na hevi-dehibe izany na fanjohian-kevitra hafa. Toy izany koa ny fifaranan’ny fanjohian-kevitra iray. 3) Mety hanamafy hevitra koa ny mpandahateny iray, mba hampisehoana ny fihetseham-pony momba ny foto-kevitra iray. 4) Hisongadina tsara koa ireo hevi-dehibe amin’ny lahateny na anjara iray, rehefa mety tsara ny fanamafisana azy.
Mba hanamafisan-kevitra toy izany, dia tsy maintsy mazava tsara amin’ny mpandahateny na ny mpamaky teny iray ilay zavatra lazainy na vakiny. Tsy maintsy tiany koa ny hahatakaran’ny mpihaino azy io. Hoy ny Nehemia 8:8, momba ny fampianarana nomena tamin’ny andron’i Ezra: “Novakiny mazava ny teny tao amin’ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon’ny olona tsara ny teny novakina.” Neken’ireo namaky sy nanazava ny Lalàn’Andriamanitra tamin’izay fa tena nilaina nampiana ny mpihaino mba hahatakatra ny hevitr’izay novakina, sy hitadidy azy, ary hampihatra azy.
Izay mety hiteraka zava-manahirana. Afaka milaza hevitra mazava ny ankamaroan’ny olona, eo amin’ny resaka ataony andavanandro. Rehefa mamaky zavatra nosoratan’olon-kafa anefa izy ireo, dia mety ho sahirana hamaritra izay teny na fitambaran-teny tokony hohamafisina. Tena hanampy azy ny fahazoany mazava tsara ny hevitr’ilay zavatra hovakiny. Mila mamakafaka tsara azy io àry izy. Koa raha angatahina hamaky teny any am-pivoriana ianao, dia tokony hanao fanomanana tsara.
Misy mampiasa ilay azo antsoina hoe “fanamafisana tsy miovaova”, fa tsy fanamafisan-kevitra. Manamafy teny iray na roa amim-pahazarana fotsiny izy ireo, na misy heviny izany fanamafisana izany na tsia. Ny hafa kosa manamafy be loatra ireo teny kely, toy ny teny mpampiankina sy ny teny mpampitohy. Rehefa tsy mampahazava kokoa ny hevitra ny fanamafisana, dia mora lasa fahazaran-dratsy manelingelina.
Misy mpandahateny miteny mafy kokoa mba hanamafisan-kevitra, nefa mety hahatonga ny mpihaino hahatsiaro tena ho bedesina ny fomba anaovany azy. Mazava ho azy fa tsy ho tsara ny vokatra haterak’izany. Raha amboamboarina, fa tsy tsotra, ny fanamafisan-kevitra ataon’ilay mpandahateny, dia mety ho toy ny hoe manambany ny mpihaino azy izy. Tsara lavitra ny manohina ny fon’izy ireo amim-pitiavana, sy manampy azy ireo hahita fa sady araka ny Soratra Masina no azo ekena tsara izay lazaina!
Ny fomba hanatsarana ny fahaiza-manamafy hevitra. Matetika ny olona tsy mahay manamafy hevitra no tsy mahalala izany akory. Mety hila ny hilaza izany aminy ny hafa. Raha toa ianao ka mila manatsara ny fahaiza-manamafy hevitra, dia hanampy anao amin’izany ny mpiandraikitra ny sekoly. Aza misalasala koa mangataka fanampiana amin’izay mahay mandaha-teny tsara. Asaivo mihaino anao tsara izy, rehefa mamaky teny sy miteny ianao, ary mangataha torohevitra aminy avy eo.
Mety hanoro hevitra anao mba hanao fanazaran-tena amin’ny alalan’ny lahatsoratra iray ao amin’ny Tilikambo Fiambenana izy, amin’ny voalohany. Mety hasainy hamakafaka ny fehezanteny tsirairay ianao, mba hahitanao izay teny na fitambaran-teny ilaina hohamafisina, mba ho mora takatra ny heviny. Mety hasainy hanamarika manokana ireo teny natao sora-mandry ianao. Tadidio fa toy ny hoe miara-miasa ireo teny ao anatin’ny fehezanteny iray. Fitambaran-teny matetika no tokony hohamafisina, fa tsy teny iray mitokana. Amin’ny fiteny sasany, dia mety hampirisihina koa ny mpianatra mba hitandrina kokoa ny fanamafisan-kevitra atoron’ireo mari-tsindrimpeo.
Manaraka izany, ilay mpanome torohevitra dia mety hampirisika anao hijery ireo fehezanteny manodidina, fa tsy ilay fehezanteny misy ilay hevitra hohamafisina fotsiny. Ohatra, inona no hevitra fototra velabelarina ao amin’ilay fehintsoratra manontolo? Ahoana no hamaritan’izany hevitra fototra izany izay hohamafisinao ao amin’ireo fehezanteny? Jereo ny lohatenin’ilay lahatsoratra sy ny lohatenikely amin’ny sora-matevina mialoha ilay fehintsoratra. Ahoana no hamaritan’izy ireo izay teny fidinao hohamafisina? Lafin-javatra tokony hoheverina daholo ireo rehetra ireo. Mitandrema anefa sao manamafy teny betsaka loatra.
Na mandaha-teny tsy an-kijery soratra ianao, na mamaky teny, dia mety hampirisika anao koa ilay mpanome torohevitra anao mba hampiasa ilay fanjohian-kevitra ao amin’ilay zavatra hovelabelarinao, mba hamaritana izay hevitra hohamafisinao. Ilainao hofantarina hoe aiza no mifarana ilay fanjohian-kevitra, na hoe aiza no misy fifindrana ho amin’ny hevi-dehibe hafa. Ho faly ny mpihaino, raha hitany avy amin’ny fomba fiteninao fa hisy fiovana toy izany. Azonao atao izany, amin’ny fanamafisana teny toy ny hoe voalohany aloha, manaraka izany, ary farany, noho izany, ary araka izany.
Hisarika ny sainao ho amin’ireo hevitra tokony hanehoanao fihetseham-po manokana koa ilay mpanome torohevitra anao. Mba hanaovana izany, dia mety hanamafy teny toy ny hoe tena, indrindra, tsy izany velively, tsy azo inoana, zava-dehibe, ary foana ianao. Ho tsapan’ny mpihaino anao avy amin’izany ny fiheveranao momba izay lazainao. Hisy fanazavana bebe kokoa momba izany ao amin’ny Lesona Faha-11 hoe “Hatsaram-panahy sy Fihetseham-po.”
Mba hanatsarana ny fanamafisanao hevitra, dia ataovy azo tsara ao an-tsainao koa ireo hevi-dehibe tianao hotadidin’ny mpihaino. Horesahina bebe kokoa izany ao amin’ny Lesona Faha-7 hoe “Fanamafisana Ireo Hevitra Fototra” mifandray amin’ny famakian-teny ampahibemaso, sy ao amin’ny Lesona Faha-37 hoe “Fanasongadinana Ireo Hevi-dehibe” mifandray amin’ny fanaovana lahateny sy anjara hafa.
Raha miezaka handroso eo amin’ny fanompoanao ianao, dia asio fiheverana manokana ny fomba famakianao andinin-teny. Mizàra manontany tena hoe: ‘Nahoana aho no mamaky ity andinin-teny ity?’ Raha mampianatra ianao, dia mazàna no tsy ampy ny mamaky teny tsy misy diso fotsiny. Mety tsy ho ampy koa na dia ny famakiana ilay andininy amim-pihetseham-po fotsiny aza. Raha mamaly ny fanontanian’ny olona iray ianao, na mampianatra fahamarinana fototra iray, dia hamafiso ireo teny na fitambaran-teny ao amin’ilay andininy, izay manohana ilay hevitra resahina. Mety tsy ho azon’ilay olona ilay hevitra, raha tsy izany.
Koa satria fanantitranterana kokoa ny teny sy ny fitambaran-teny sasany ny atao hoe fanamafisan-kevitra, dia mety hanamafy be loatra an’ireny teny sy fitambaran-teny ireny ny mpandahateny tsy za-draharaha. Mitovitovy amin’ny ataon’ny olona iray vao manomboka mianatra mitendry zavamaneno iray, izany. Rehefa mihazatra anefa izy, dia hanome “mozika” kanto sy milaza hevitra ny “naoty” tsirairay.
Rehefa avy nianatra ny sasany amin’ireo lesona fototra momba ny fanamafisan-kevitra ianao, dia diniho koa ny ataon’ireo mpandahateny za-draharaha. Tsy ho ela dia ho hitanao ny vokatra tsara azo, raha ovaovana ny hamafin’ny fanantitranterana. Ho takatrao koa fa afaka mampiasa fomba fanamafisana maro samihafa ianao, mba hampahazava izay lazainao. Handaitra kokoa ny vakiteninao sy ny fitenenanao, raha mianatra mampiasa ny fahaiza-manamafy hevitra mety tsara ianao.
Aza mianina amin’ny fahalalana fotsiny ny atao hoe fanamafisan-kevitra. Raha tianao handaitra ny fitenenanao, dia miezaha foana, mandra-pahafolakao tsara ny fahaiza-manamafy hevitra. Amin’izay, dia ho fitenenana tsy amboamboarina fa tsotra no handrenesan’ny hafa ny fomba fiteninao.
-
-
Fanamafisana Ireo Hevitra FototraMandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
-
-
LESONA 7
Fanamafisana Ireo Hevitra Fototra
TSY ny fehezanteny tsirairay, na ilay fehintsoratra misy ireo hevitra fototra akory aza, no jeren’ny mpamaky teny mahay. Tadidiny tsara ao an-tsaina izy ireo ao amin’ilay fehintsoratra na lahatsoratra manontolo, rehefa mamaky teny izy. Manampy azy hamantatra izay tokony hohamafisina izany.
Tsy hisy zava-misongadina ny vakiteniny, raha tsy manao izany ilay mpamaky teny. Tsy hisy na inona na inona hiavaka mazava tsara. Mety ho sarotra ny hitadidy izay zavatra niavaka rehefa vita ilay anjara.
Hanatsara ny famakiana fitantarana iray ao amin’ny Baiboly ny fanamafisana tsara ireo hevitra fototra. Manjary misy heviny kokoa ireo fehintsoratra vakina toy izany, any amin’ny fampianarana Baiboly na ao am-pivoriana. Ary tena ilaina indrindra izany, rehefa manao lahateny vakina, toy ny atao tsindraindray any amin’ireo fivoriamben’ny vondrom-paritra.
Ny fomba hanaovana azy. Mety hasaina hamaky tapany iray ao amin’ny Baiboly ianao, ao amin’ny sekoly. Inona no tokony hohamafisina? Raha misy hevitra fototra iray na fisehoan-javatra lehibe iray resahina ao, dia tsara ny hanasongadinanao azy.
Na tononkalo ilay zavatra hovakinao na soratra tsotra, na ohabolana na fitantarana, dia ho azon’ny mpihaino tsara raha vakinao tsara. (2 Tim. 3:16, 17) Koa tsy maintsy manisy fiheverana ilay zavatra hovakinao sy ny mpihaino anao àry ianao.
Raha hamaky teny avy ao amin’ny boky iray ianao, any amin’ny fampianarana Baiboly na ao am-pivoriana, inona avy moa ireo hevitra fototra ilainao hohamafisina? Ny valin’ireo fanontaniana vita pirinty ao amin’ilay toko na lahatsoratra mazàna no hevitra fototra ao. Hamafiso koa ireo hevitra mifandray amin’ilay lohatenikely amin’ny sora-matevina mialoha ilay zavatra vakinao.
Tsy ampirisihina hampiasa lahateny vakina ianao, rehefa manao lahateny ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Indraindray anefa, dia lahateny vakina no anaovana famelabelarana sasany amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, satria tiana hitovy sy haseho amin’ny fomba mitovy ireo hevitra lazaina any amin’ny fivoriambe rehetra. Tsy maintsy mamakafaka tsara ilay fanazavana aloha ilay mpandahateny mba hanamafisana ireo hevitra fototra ao amin’ny lahateny vakina toy izany. Inona avy, ohatra, ireo hevi-dehibe? Tokony ho hain’ilay mpandahateny ny hanavaka azy ireny. Tsy hevitra heveriny fa mahaliana fotsiny akory no atao hevi-dehibe, fa ireo hevitra fototra ifantohan’ilay fanazavana. Misy fehezanteny kely mamintina hevitra fototra iray indraindray, alohan’ny fitantarana na ny fanjohian-kevitra iray. Matetika kokoa anefa no misy fanambarana mafonja iray aorian’ilay fanaporofoan-kevitra. Tokony homarihin’ilay mpandahateny ao amin’ilay lahateniny ireny hevitra fototra ireny, rehefa hitany. Vitsivitsy ihany izy ireny mazàna, efatra na dimy angamba. Manaraka izany, rehefa manao famerenana mamaky izy, dia tokony hianarany hasongadina izy ireny, mba ho mora amin’ny mpihaino ny hamantatra azy ireny, mandritra ny lahateniny. Ireny no hevitra misongadina ao amin’ilay lahateny. Ho mora tadidy kokoa ireny hevitra fototra ireny raha mety tsara ny fanamafisana. Izany no tokony ho zava-kendren’ilay mpandahateny.
Afaka mampiasa fomba fanamafisana samihafa ny mpandahateny iray mba hanampiana ny mpihaino hamantatra ireo hevi-dehibe. Misy mampitombo ny hafanam-pony, manova ny hafainganam-piteniny, maneho fihetseham-po lalina kokoa, na mampiasa fihetsehana mety, raha ireo fotsiny aza no hotononina.
-