FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • be p. 62-p. 65 feh. 4
  • Fomba Fanatsarana ny Fahaiza-miresaka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fomba Fanatsarana ny Fahaiza-miresaka
  • Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Atombohy ao an-tokantrano
  • Firesahana amin’ny olona tsy fantatra
  • Ny fomba anohizana ny resaka
  • Rehefa miresaka amin’ny mpiray finoana
  • Resaka Mampandroso
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Hatsarao ny Fanompoanao: Manomboha Resaka mba Hitoriana Tsy Ara-potoana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Fahaizana Iray ny Miresaka
    Mifohaza!—1995
  • Ahoana no Hahaizako Miresaka Kokoa?
    Manontany ny Tanora
Hijery Hafa
Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
be p. 62-p. 65 feh. 4

Fomba Fanatsarana ny Fahaiza-miresaka

MORA aminao ve amin’ny ankapobeny ny miresaka amin’ny hafa? Amin’ny olona maro, ny hoe hanombo-dresaka amin’ny hafa fotsiny, indrindra fa amin’olona tsy fantany, dia efa mampivarahontsana azy. Mety ho saro-kenatra ny olona toy izany. Mety hanontany tena izy ireo hoe: ‘Inona no tokony horesahiko? Ahoana no hanombohako resaka? Ahoana no hanohizako azy?’ Ny olona matoky tena sy sariaka kosa dia mety hibodo ny resaka. Sarotra amin’izy ireo ny hampiteny ny hafa sy ny hianatra ny hihaino izay lazaina. Ilaintsika rehetra àry ny mianatra ny fahaiza-miresaka, na saro-kenatra isika na sariaka.

Atombohy ao an-tokantrano

Mba hanatsarana ny fahaizanao miresaka, nahoana raha manomboka ao an-tokantrano? Tena hampitombo ny fahasambaran’ny fianakaviana ny resaka mampahery.

Ny fifampiahiana lalina no fanalahidy voalohany indrindra amin’izany. (Deot. 6:6, 7; Ohab. 4:1-4) Miahy ny hafa isika raha miresaka aminy ary mihaino azy rehefa milaza zavatra izy. Lafin-javatra iray lehibe hafa ny fananana zavatra mendrika holazaina. Raha mamaky sy mianatra ny Baiboly tsy tapaka isika, dia hanan-javatra be dia be horesahina amin’ny hafa. Hitarika ho amin’ny fifampiresahana koa ny fampiasantsika tsara ny bokikely Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro. Na angamba isika nahita zavatra nahafinaritra teny amin’ny fanompoana. Nety ho nisy zavatra nianarantsika na nampihomehy antsika tao amin’ny boky na gazety iray novakintsika. Tokony hataontsika ho fahazarana ny miresaka momba ireny zavatra ireny amin’ny mpianakavintsika. Hanampy antsika hiresaka amin’ny olona ivelan’ny fianakaviantsika koa izany.

Firesahana amin’ny olona tsy fantatra

Olona maro no miahotra rehefa hoe hanombo-dresaka amin’ny olona tsy fantany. Noho ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny namany anefa, dia miezaka ny Vavolombelon’i Jehovah hianatra ny fomba firesaka mba hampahafantarana ny fahamarinana ara-baiboly amin’ny hafa. Inona no hanampy anao hihatsara amin’io lafiny io?

Manampy be dia be ny toro lalana ao amin’ny Filipiana 2:4. Ampirisihina isika ao mba tsy ‘samy hihevitra ny antsika ihany, fa samy hihevitra ny an’ny namantsika koa.’ Izao eritreretina: Raha mbola tsy nahita ilay olona mihitsy ianao taloha, dia raisiny ho toy ny olon-tsy fantatra ianao. Ahoana no hanampianao azy tsy ho saikatsaikatra? Amin’ny fitsikiana amim-pisakaizana sy amin’ny fiarahabana azy amin-katsaram-panahy. Misy zavatra hafa tokony hoheverina anefa.

Mety ho nanapaka ny eritreriny ianao. Raha tsy manisy fiheverana izay ao an-tsainy ianao, fa mitady hanery azy hiresaka momba izay ao an-tsainao, moa ve ho tsara ny fihetsiny? Inona no nataon’i Jesosy, fony izy nahita vehivavy iray teo am-pantsakana iray tany Samaria? Ny hantsaka rano no tao an-tsain’ilay vehivavy. Nampiasa izany i Jesosy mba hanombohan-dresaka, ary vetivety dia navadiny ho resaka velombelona momba ny zavatra ara-panahy ilay izy.—Jaona 4:7-26.

Hahay hamantatra izay mety hoeritreretin’ny olona koa ianao, raha mahay mandinika. Falifaly sa malahelo ny fahitanao azy? Zokiolona ve izy, efa osa angamba? Mahamarika ve ianao fa misy ankizy ao amin’ilay trano? Hitanao ve fa olona manana ilay tompon-trano, sa miady mafy amin’ny fiainana kosa? Mampahafantatra anao ny amin’ny fivavahany ve ny haingon-tranony na ny firavaka anaovany? Raha manisy fiheverana an’ireo ianao ao amin’ny teny fiarahabana ataonao, dia mety ho hitan’ilay olona fa manan-javatra iombonana ianareo.

Raha tsy mifanatri-tava amin’ilay olona ianao, fa mahare ny feony avy ao ambadiky ny varavarana mihidy lakile fotsiny, mety hilaza inona aminao moa izany? Mety hiaina ao anatin’ny tahotra ilay olona. Azonao ampiasaina mba hanombohan-dresaka avy atỳ ambadiky ny varavarana ve izany?

Any amin’ny toerana sasany, dia afaka misarika ny olona iray hiresaka ianao, amin’ny filazana aminy zavatra momba ny tenanao hoe: avy aiza ianao, nahoana ianao no eo am-baravarany, nahoana ianao no mino an’Andriamanitra, nahoana ianao no nanomboka nianatra ny Baiboly, ary ahoana no nanampian’ny Baiboly anao. (Asa. 26:4-23) Mazava ho azy fa mila ny ho malina sy hanan-java-kendrena mazava ao an-tsaina ianao, rehefa manao izany. Mety hanosika ilay olona hilaza zavatra momba ny tenany sy ny fomba fijeriny zavatra koa izany.

Anisan’ny fomba amam-panao ny fahaiza-mandray vahiny, any amin’ny tany sasany. Mety hampandroso anao avy hatrany sy hanasa anao hipetraka ny olona. Rehefa tafapetraka ianao, ka manontany amim-pahalalam-pomba ny amin’ny fahasalaman’ilay fianakaviana, ary mihaino amim-pahatsorana ny valiny, dia mety hanao toa anao koa ilay tompon-trano, ka hihaino izay lazainao. Mihoatra noho izany aza any amin’ny tany hafa, ny fahalianan’ny olona amin’izay tonga mitsidika azy, ka mety haharitra ny fifampiarahabana. Mety ho hitany, mandritra izany, fa manan-javatra iombonana aminao izy. Hitarika ho amin’ny resaka mahasoa momba ny zavatra ara-panahy izany.

Ahoana raha misy olona maro miteny amin’ny fiteny hafa eo amin’ny misy anao? Ahoana no ahafahanao miresaka amin’izy ireny? Raha mianatra na dia fiarahabana tsotra amin’ireo fiteny ireo fotsiny aza ianao, dia ho hitan’izy ireny fa manam-piheverana azy ianao. Mety hanokatra ny lalana hifampiresahana bebe kokoa izany.

Ny fomba anohizana ny resaka

Aoka ianao ho liana amin’ny hevitr’ilay olona iresahanao mba hitohizan’ny resaka. Ampirisiho hilaza ny heviny izy, raha vonona ny hanao izany. Mametraha fanontaniana voafidy tsara. Ny fanontaniana momba ny heviny no tsara indrindra, satria mazàna no tsy hoe “eny” na “tsia” fotsiny no valin-teny ho azonao. Ohatra, rehefa avy nanonona zava-manahirana iray teo an-toerana ianao, dia mety hanontany hoe: “Inona no heverinao fa nahatonga io tarehin-javatra io?”, na hoe: “Inona no heverinao fa ho fanafodiny?”

Rehefa mametraka fanontaniana ianao, dia henoy tsara ny valiny. Asehoy amin’ny alalan’ny teny kely, ny fihatokatohan-doha kely, na ny fihetsehana kely, fa tena liana ianao. Aza tapahina ny teniny. Raha malala-tsaina ianao, dia hihevitra izay lazain’ilay olona. ‘Aoka ianao halady hihaino, ho malai-miteny.’ (Jak. 1:19) Rehefa mamaly ianao, dia asehoy fa tena nihaino izay nolazainy ianao.

Fantaro anefa fa tsy ny rehetra no hamaly ny fanontanianao. Mety hiketrona na hitsiky fotsiny ny sasany. Ny hafa mety hilaza hoe “eny” na “tsia” fotsiny. Aza kivy. Manehoa faharetana. Aza mitady hanery ilay olona hiresaka. Raha vonona ny hihaino izy, dia hararaoty izany mba hilazana aminy hevitra ara-baiboly mampahery. Mety handray anao ho toy ny namana izy, amin’ny farany. Amin’izay angamba izy tsy hisalasala sy ho vonona kokoa hilaza ny heviny.

Rehefa miresaka amin’ny olona ianao, dia eritrereto mialoha ny fitsidihana manaraka. Raha mametraka fanontaniana maromaro ny olona iray, dia valio ny sasany, nefa mamelà iray na roa horesahina amin’ny manaraka. Lazao fa hanao fikarohana ianao, ary avy eo dia resaho aminy ny valiny. Raha tsy mametraka fanontaniana izy, dia ianao no afaka mamarana ny resakareo amin’ny fanontaniana iray, izay heverinao fa hahaliana azy. Lazao fa hiresaka momba azy io ianareo amin’ny fitsidihanao manaraka. Misy hevitra be dia be ao amin’ny boky Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina, sy ao amin’ny bokikely Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?, ary ao amin’ireo nomerao farany amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!

Rehefa miresaka amin’ny mpiray finoana

Rehefa mifankahita voalohany amin’ny Vavolombelon’i Jehovah hafa ianao, moa ve ianao manao ny dingana voalohany mba hifankahalalana aminy? Sa ianao mijoro sy mangina fotsiny? Tokony hanosika antsika haniry hifankahalala aminy ny fitiavantsika an’ireo rahalahintsika. (Jaona 13:35) Ahoana no hanombohanao izany? Azonao atao fotsiny ny milaza ny anaranao sy manontany ny azy. Anontanio azy ny fomba nianarany ny fahamarinana, ary dia resaka mahaliana no ho tohin’izany. Hanampy anareo hifankahalala koa izany. Na dia toa tsy misosa tsara aza ny filazanao zavatra, ny ezaka ataonao dia mampiseho amin’ilay olona fa miahy azy ianao, ary izany no zava-dehibe.

Inona no hanampy anao hanao resaka mampahery amin’ny iray amin’ny mpiara-manompo aminao? Manehoa fiheverana amim-pahatsorana an’ilay olona sy ny fianakaviany. Vao avy nifarana ve ny fivoriana? Miresaha momba ny hevitra voalaza tao ka hitanao fa hanampy anareo. Hahasoa ny andaniny sy ny ankilany izany. Azo atao anton-dresaka ny hevitra mahaliana iray ao amin’ny nomerao farany amin’ny Tilikambo Fiambenana na ny Mifohaza! Tsy tokony hatao mba hisehosehoana na mba hitsapana fahalalan’olona anefa izany, fa mba hilazana zavatra iray hitanao fa tena nahafinaritra. Azo ifanakalozana hevitra koa ny anjaran’ny iray aminareo amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, sy ny fomba azo anaovana azy. Azonao atao koa ny mitantara zavatra hita teny amin’ny fanompoana.

Mazava ho azy fa rehefa manam-piheverana ny olona isika, dia miresaka momba ny olona, ny zavatra lazainy sy ataony. Mety ho anisan’ny resaka ataontsika koa ny vazivazy. Hampahery ve ny zavatra holazaintsika amin’ny resaka toy izany? Raha mandray am-po ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra isika, ka voatosiky ny fitiavana araka an’Andriamanitra, dia tena hampahery ny resaka ataontsika.—Ohab. 16:27, 28; Efes. 4:25, 29; 5:3, 4; Jak. 1:26.

Miomana isika, alohan’ny hanombohantsika ny fanompoana eny amin’ny saha. Nahoana koa isika raha manomana zava-mahaliana horesahina amin’ny namantsika? Mariho ireo hevitra tianao horesahina amin’ny hafa, rehefa mamaky sy mahare zavatra mahaliana ianao. Hanan-javatra be dia be ho azonao isafidianana ianao amin’ny farany. Raha manao izany ianao, dia tsy hianina amin’ny firesahana momba ny zavatra andavanandro fotsiny. Ambonin’ny zavatra rehetra, dia enga anie ny teninao hanome porofo fa sarobidy aminao ny Tenin’Andriamanitra!—Sal. 139:17.

FANOMBOHAN-DRESAKA

  • Araho ny fomba amam-panao eo an-toerana

  • Manaova teny fiderana avy amin’ny fo

  • Milazà zava-mahaliana iombonana

  • Anontanio izay heviny

TOETRA TSARA HANANANA

  • Fihetsika falifaly

  • Hatsaram-panahy sy fahatsoram-po

  • Fanehoana fiheverana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara