FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • be p. 33-p. 38 feh. 4
  • Fomba Fanaovana Fikarohana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fomba Fanaovana Fikarohana
  • Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay fitaovantsika voalohany indrindra—Ny Baiboly
  • Mianara mampiasa ireo fitaovana fanaovana fikarohana hafa
  • Boky kristianina hafa
  • Manàna fitahirizan-taratasy anao manokana
  • Miresaha amin’ny olona
  • Tombano ireo vokatra azonao
  • Fitaovana Vaovao Fanaovana Fikarohana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Aoka isika hanatanteraka ny fanompoantsika ilay Fanjakana amin’ny alalan’ny fana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • ‘Aoka isika hitady teny mahafinaritra, teny mahitsy’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Nahoana no Asiana Fitehirizam-boky ao Amin’ny Efitrano Fanjakana?
    Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
Hijery Hafa
Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
be p. 33-p. 38 feh. 4

Fomba Fanaovana Fikarohana

I SOLOMONA MPANJAKA dia “nandinika sy nieritreritra ary nandahatra ohabolana maro.” Nahoana? Satria naniry hanoratra ‘tenin’ny fahamarinana izay mahitsy’ izy. (Mpit. 12:9, 10) I Lioka dia ‘namotopototra tsara ny zavatra rehetra hatramin’ny niandohany’, mba hitantarana araka ny filaharany ireo zava-niseho teo amin’ny fiainan’i Kristy. (Lioka 1:3) Samy nanao fikarohana ireo mpanompon’Andriamanitra roa ireo.

Inona no atao hoe fikarohana? Mitady fanazavana amim-pitandremana momba ny foto-kevitra iray ny hoe manao fikarohana. Mamaky teny ianao amin’izany, ary manaraka ireo fitsipika fampiasa amin’ny fianarana. Mety hametraka fanontaniana amin’olona koa ianao amin’izany.

Nahoana ianao no manao fikarohana? Indreto misy ohatra sasantsasany. Rehefa manao fianarana manokana na mamaky Baiboly ianao, dia mety hisy fanontaniana hipoitra, izay heverinao ho zava-dehibe. Mety hametraka fanontaniana ny olona iray itorianao, ka tianao ny hanana fanazavana voafaritra tsara mba hamaliana azy. Mety hasaina hanao anjara na lahateny iray ianao.

Aoka ity farany no horaisintsika. Mety ho fanazavana ankapobe no asaina velabelarinao. Ahoana no ampiharanao azy io amin’izay ilaina eo an-toerana? Manaova fikarohana mba hivoahan’ny hevitra tsara. Mety ho efa mazava be ny hevitra iray; nefa rehefa manome antontan’isa iray na roa na ohatra iray mifanentana amin’ny foto-kevitrao sy mahakasika ny fiainan’ny mpihaino anao ianao, dia manjary hahitana fianarana ilay hevitra, na hanosika hanao zavatra mihitsy aza. Mety ho natao ho an’ny mpamaky maneran-tany ilay lahatsoratra asaina velabelarinao, nefa mila manazava azy io kokoa ianao, sy manome ohatra, ary mampihatra ireo hevitra amin’ny fiangonana na amin’ny olona iray. Ahoana no tokony hanaovanao izany?

Aza tonga dia mihazakazaka hanao fikarohana, fa diniho aloha hoe iza no ho mpihaino anao. Inona no efa fantatr’izy ireo? Inona no ilainy ho fantatra? Avy eo, dia fantaro ny zava-kendrenao. Ny hanazava ve? Ny handresy lahatra ve? Ny hanaporofo ny fahadisoan’ny hevitra iray ve? Sa ny hanosika ny hafa hanao zavatra? Ny hoe manazava dia manome fanazavana fanampiny, mba hazava kokoa ny hevitra iray. Angamba efa mazava ireo hevitra fototra, nefa mety hilainao hovelabelarina kokoa ny hoe rahoviana na ny hoe ahoana no hanaovana ilay zavatra voalaza. Ny hoe mandresy lahatra dia manome porofo hoe nahoana no toy izao na izao ny zavatra iray. Ny hoe manaporofo ny fahadisoan’ny hevitra iray dia mitaky fahalalana feno ny andaniny roa amin’ny raharaha iray ary koa famakafakana tsara ny porofo ampiasaina. Mazava ho azy fa tsy mitady fanaporofoan-kevitra mafonja fotsiny isika, fa mitady koa fomba hanomezana fanazavana amin-katsaram-panahy. Ny hoe manosika ny hafa hanao zavatra dia manohina ny fony; izany hoe mandrisika ny mpihaino sy mampitombo ny faniriany hanao zavatra mifanaraka amin’ilay resahina. Afaka manohina ny fon’ny mpihaino ny fitantarana momba ny olona izay tena nanao ilay zavatra resahina, na dia tao anatin’ny zava-tsarotra aza.

Vonona hanomboka hanao fikarohana amin’izay ve ianao izao? Tsy mbola. Eritrereto hoe firy ny fanazavana ilainao. Mety hiankina be dia be amin’ny fotoana izany. Raha hanao izany eo anoloan’ny olon-kafa ianao, firy minitra no hanananao? Dimy minitra ve? Sa 45 minitra? Voafetra ve ilay fotoana, toy ny any amin’ny fivoriana, sa azo halavaina na hafohezina, toy ny amin’ny fampianarana Baiboly na ny fitsidihan’ny mpiandry?

Farany, fitaovana inona avy no misy eo aminao? Ankoatra izay anananao ao an-trano, misy hafa koa ve ao amin’ny fitahirizam-bokin’ny Efitrano Fanjakana? Moa ve ireo rahalahy nanompo an’i Jehovah hatramin’ny taona maro hamela anao hampiasa ny fitaovany? Misy tranombokim-panjakana ahafahanao mijery boky ve eo amin’ny misy anao, raha ilaina?

Ilay fitaovantsika voalohany indrindra—Ny Baiboly

Raha ny hevitry ny andinin-teny iray no tianao hanaovana fikarohana, dia atombohy amin’ny Baiboly avy hatrany.

Diniho ny teny manodidina. Manontania tena hoe: ‘Iza no ivantanan’ity andinin-teny ity? Inona no asehon’ireo andinin-teny manodidina momba ny toe-javatra nitarika ho amin’io teny io na momba ny fihetsik’ireo olona resahiny?’ Hanampy anao hahazo ny hevitry ny andinin-teny iray ny tsipirian-javatra toy izany, no sady hahavelombelona ilay lahateny hampiasanao azy.

Tononina matetika, ohatra, ny Hebreo 4:12 mba hampisehoana ny herin’ny Tenin’Andriamanitra hanohina ny fontsika sy ny vokany eo amin’ny fiainantsika. Mampitombo ny fahatakarantsika ny hevitr’izany ny teny manodidina. Miresaka momba ny zavatra niainan’ny Isiraely fony izy ireo tany an’efitra nandritra ireo 40 taona nialoha ny nidirany tao amin’ilay tany nampanantenain’i Jehovah an’i Abrahama, ireo teny ireo. (Heb. 3:7–4:13) Tsy maty “ny tenin’Andriamanitra”, izany hoe ny fampanantenany hitondra azy ireo tao amin’ny toeram-pitsaharana iray, araka ny fanekena nifanaovany tamin’i Abrahama; velona izy io ary nandroso ho amin’ny fahatanterahany. Nanana ny antony rehetra hanehoana finoana azy io ny Isiraelita. Niverimberina tsy naneho finoana anefa izy ireo, fony nitarika azy ireo avy tany Ejipta hatrany amin’ny Tendrombohitra Sinay ka hatrany amin’ny Tany Nampanantenaina i Jehovah. Araka izany, ny fihetsiny nanoloana ny fomba nanatanterahan’Andriamanitra ny teniny, dia nampiharihary izay tao am-pony. Toy izany koa amin’izao androntsika izao fa mampiharihary izay ao am-pon’ny olona ny teny fampanantenan’Andriamanitra.

Jereo ireo andininy hafa tondroina. Misy fanondroana andinin-teny hafa ny Baiboly sasany. Ny anao koa ve? Raha eny, dia mety hanampy anao izy ireny. Mariho ny ohatra iray ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Milaza ny 1 Petera 3:6 fa ohatra mendri-kotahafin’ny vehivavy kristianina manambady i Saraha. Manamafy izany ny fanondroana ny Genesisy 18:12, izay mampahafantatra fa niantso an’i Abrahama “anakampo” hoe itompokolahy i Saraha. Araka izany, dia avy tao am-pony ny fanekeny ny vadiny. Ankoatra ny fanazavana lalina toy izany, dia mety ho ny fahatanterahan’ny faminaniana iray na ny modely iray tao amin’ny faneken’ny Lalàna, no omen’ny fanondroana andinin-teny hafa. Misy anefa fanondroana andinin-teny hafa tsy natao hanomezana fanazavana toy izany. Mety hanondro hevitra mitovy na filazana ara-tantara na ara-jeografia fotsiny izy ireny.

Ampiasao ny fizahan-teny ara-baiboly. Ny fizahan-teny ara-baiboly dia lisitra araka ny abidy mitanisa ireo teny ampiasaina ao amin’ny Baiboly sy ny andininy misy azy. Hanampy anao hahita andinin-teny mifandray amin’ilay foto-kevitra anaovanao fikarohana izy io. Rehefa manadihady ireny andinin-teny ireny ianao, dia hianatra tsipirian-javatra hafa izay hanampy anao. Hahita porofon’ny “mariky” ny fahamarinana aseho ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ianao. (2 Tim. 1:13) Misy fanondroana ireo teny fototra ao amin’ny Baiboly ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Mirakitra teny betsaka lavitra aza ny lisitra ao amin’ny Fizahan-teny Feno (frantsay). Mety hanampy anao hanao fikarohana koa ilay boky amin’ny teny malagasy hoe Konkordansa na Fizahan-teny Amin’ny Baiboly.

Mianara mampiasa ireo fitaovana fanaovana fikarohana hafa

Mitanisa fitaovana hafa navoakan’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina” ilay faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-33. (Matio 24:45-47) Maro amin’izy ireo no misy fanondroam-pejy any aloha, ary maro aminy no misy fanondroana teny na andininy any amin’ny farany, izay natao hanampy anao hahita fanazavana voafaritra tsara sasany. Isaky ny faran’ny taona, dia misy fanondroana foto-kevitra ao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ho an’ireo lahatsoratra rehetra tamin’iny taona iny.

Handeha haingana kokoa ny fikarohana ataonao, raha fantatrao tsara ny karazana fanazavana ao amin’ireny boky fianarana Baiboly ireny. Aoka hatao hoe te hahafantatra momba ny faminaniana, na foto-pampianarana, na fitondran-tena kristianina, na fampiharana fitsipika iray ao amin’ny Baiboly ianao. Azo inoana fa hisy ilay zavatra tadiavinao Ny Tilikambo Fiambenana. Ny Mifohaza! kosa dia miresaka momba ny vaovao vao haingana, ny zava-manahirana ankehitriny, ny fivavahana, ny siansa ary ny olona any amin’ny tany samihafa. Ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany dia manazava ny fitantarana tsirairay ao amin’ireo Filazantsara, nalahatra araka ny fotoana nisehoany. Samy misy famakafakana ny andininy tsirairay ao amin’ilay bokin’ny Baiboly hazavainy, ny boky Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza!, sy ny boky Diniho ny Faminanian’i Daniela!, ary ireo boky roa amin’ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra. Ao amin’ny boky Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina ianao dia hahita valiny mahafa-po ho an’ny fanontaniana ara-baiboly an-jatony maro, izay fandre eny amin’ny fanompoana. Jereo ny boky Manontany ny Tanora—Valiny mandaitra mba hahafantarana ny olana mahazo ny tanora sy ny vahaolana. Manome fanazavana momba ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny ny bokikely Ny Vavolombelon’i Jehovah—Iza moa Izy Ireo? Inona no Inoany? Jereo ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah farany raha te hahafantatra ny fizotran’ny fitoriana ny vaovao tsara maneran-tany ankehitriny ianao. Ny boky Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina dia sady rakipahalalana no bokin-tsarintany ara-baiboly. Raha mila tsipirian-javatra momba ny olona, ny toerana, ny zavatra, ny fiteny na ny zava-niseho ara-tantara nifandray tamin’ny Baiboly ianao, dia io no boky faran’izay tsara ho amin’izany.

“Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Io Fanondroana io, izay mivoaka amin’ny fiteny maherin’ny 20, no hanoro anao ireo bokintsika maro isan-karazany. Voazara ho fanondroana foto-kevitra sy fanondroana andininy izy io. Mba hampiasana ny fanondroana foto-kevitra, dia teny iray mampiseho ilay foto-kevitra tianao hofakafakaina no tadiavo. Mba hampiasana ny fanondroana andininy kosa, dia tadiavo ao amin’ny lisitr’ireo andinin-teny ilay tianao hazava kokoa. Raha misy zavatra navoaka tamin’ny fiteninao momba io foto-kevitra io na io andinin-teny io tao anatin’ireo taona voafaoka ao amin’ilay Fanondroana, dia hahita lisitry ny boky azonao jerena ianao. Ampiasao ny fanazavana ao amin’ny pejy any aloha amin’ny Fanondroana, mba hahafantarana ireo fanafohezana ny anaran’ireo boky voatonona ao. (Izany, ohatra, no hahafantaranao fa ny hoe w 1/3/99 15 dia midika hoe Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Martsa 1999, pejy faha-15.) Ny lohateny lehibe toy ny hoe “Fitantarana Fanandraman-javatra” na “Fitantarana” sy ny hoe “Fitantarana Fiainan’ny Vavolombelon’i Jehovah” na “Tantaram-piainana”, dia manampy indrindra mba hanomanana anjara na lahateny hanosika ny fiangonana hanao zavatra.

Koa satria maharevo tanteraka indraindray ny fanaovana fikarohana, dia mitandrema sao hadinonao ny zava-kendrenao. Mifantoha foana amin’ny fikarohana ny fanazavana ilainao ho an’ilay foto-kevitrao. Mankanesa any amin’ilay (ireo) pejy ao amin’ilay boky natoron’ilay Fanondroana anao. Avy eo dia jereo ireo lohatenikely sy fehezanteny voalohan’ireo fehintsoratra, mba hitarihana anao any amin’ilay fanazavana ilainao. Raha mikaroka ny hevitry ny andinin-teny iray ianao, dia tadiavo eo amin’ilay pejy natoro anao aloha ilay andinin-teny. Avy eo dia diniho ireo fanazavana manodidina azy.

“Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah” amin’ny CD-ROM (frantsay). Raha afaka mampiasa ordinatera ianao, dia mety hanampy anao ny fampiasana ny Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny CD-ROM, izay mirakitra be dia be amin’ireo bokintsika. Manampy anao io fitaovana mora ampiasaina io mba hitady teny, fitambaran-teny, na andinin-teny ao amin’ny boky rehetra ao amin’ny Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Na dia tsy misy amin’ny fiteninao aza io fitaovana io, dia mety handraisanao soa ihany satria mety hisy ho hainao ireo fiteny iraisam-pirenena ivoahany.

Boky kristianina hafa

Tao amin’ny taratasiny ara-tsindrimandry faharoa ho an’i Timoty, i Paoly dia nangataka azy hitondra “ny boky, indrindra fa ireo boky hoditra”, tany aminy tany Roma. (2 Tim. 4:13) Sarobidy tamin’i Paoly ny soratra sasany, ka notahiriziny. Afaka manao izany koa ianao. Moa ve ianao mitahiry ny anao manokana amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! ary Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, na dia efa nianarana tany amin’ny fivoriana aza izy ireny? Raha eny, dia ho azonao ampiasaina ho fitaovana fanaovana fikarohana izy ireny, ankoatra ireo bokintsika hafa efa anananao. Ahitana fitahirizam-boky misy ny boky kristianina ny ankamaroan’ireo Efitrano Fanjakana. Natao ho an’ny fiangonana manontolo ireo, mba hampiasainy ao amin’ny Efitrano Fanjakana.

Manàna fitahirizan-taratasy anao manokana

Mariho tsara ireo fanazavana mahaliana, izay azonao ampiasaina rehefa mandaha-teny sy mampianatra. Raha mahita vaovao, na antontan’isa, na ohatra iray tao amin’ny gazety ianao ka azonao ampiasaina eo amin’ny fanompoanao, dia hetezo ilay izy na ataovy kopia. Soraty koa ny daty sy ny lohatenin’ilay gazety ary angamba ny anaran’ilay mpanoratra na mpampanonta. Any am-pivoriana, dia raiso an-tsoratra izay fanjohian-kevitra sy fanoharana mety hanampy anao hanazava ny fahamarinana amin’ny hafa. Efa mba nieritreritra fanoharana tsara iray ve ianao, nefa tsy nanana fahafahana nampiasa azy avy hatrany? Raiso an-tsoratra ilay izy, ary ampirimo ao amin’ny fitahirizan-taratasinao. Raha efa elaela no nandraisanao anjara tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana, dia efa maromaro ny anjara nomaninao. Aza ariana ny taratasy nanaovanao ireny anjara ireny, fa tahirizo. Mety mbola hilainao any aoriana ny fikarohana nataonao.

Miresaha amin’ny olona

Ny hevitry ny maro mahataka-davitra. Rehefa nandahatra ny fitantarany ao amin’ny Filazantsara i Lioka, dia tsy maintsy ho nahazo hevitra be dia be tamin’ny fanontaniana vavolombelona nanatri-maso. (Lioka 1:1-4) Angamba mahay manazava kokoa ny foto-kevitra iray efa niezahanao nanaovana fikarohana ny Kristianina iray hafa. Araka ny Efesiana 4:8, 11-16, dia nampiasa ‘lehilahy izay fanomezana’ i Kristy, mba hanampiana antsika hampitombo ‘ny fahalalantsika araka ny marina ny Zanak’Andriamanitra.’ Mety hahazoana hevitra mahasoa maro ny fanontaniana ireo nanompo an’Andriamanitra hatramin’ny ela. Mety hampahafantatra izay eritreretin’ny olona koa ny firesahana aminy, ka hanampy anao hanomana fanazavana tena ho azo ampiharina.

Tombano ireo vokatra azonao

Ilaina hesorina avy ao anaty akotry ny fotsim-bary rehefa avy nojinjaina ny vary. Toy izany koa ny vokatry ny fikarohana nataonao. Mbola tsy vonona ny hampiasaina ilay izy, raha tsy avahanao amin’izay tsy ilaina aloha izay tena ilainao.

Raha lahateny no tianao hampiasana hevitra iray, dia manontania tena hoe: ‘Tena hanohana tsara ny famelabelarako an’ilay foto-kevitra ve ity hevitra ity? Sa hampihataka ny sain’ny mpihaino amin’ilay foto-kevitra ilay izy, na dia mahaliana aza?’ Raha mikasa hampiasa zava-niseho vao haingana ianao, na vaovao iray ara-tsiansa na ara-pitsaboana izay miovaova lava, dia ataovy azo antoka fa ny fanazavana farany ilay izy. Fantaro koa fa mety ho efa nahitsy ny hevitra sasany ao amin’ireo bokintsika tranainy kokoa. Koa jereo àry izay fanazavana farany indrindra navoaka momba ilay foto-kevitra.

Mila mitandrina indrindra ianao, raha mifidy ny haka fanazavana avy amin’ny boky tsy ara-pivavahana. Aza hadinoina na oviana na oviana fa ny Tenin’Andriamanitra no fahamarinana. (Jaona 17:17) I Jesosy no manana ny anjara asa lehibe indrindra eo amin’ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra. Noho izany, dia hoy ny Kolosiana 2:3: “[Izy no] iafenan’ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra.” Tombano araka izany ireo vokatry ny fikarohana nataonao. Manontania tena toy izao momba ny fikarohana ao amin’ny boky tsy ara-pivavahana: ‘Sao dia nitarina ve ity fanazavana ity na tombantombana fotsiny na tsy mitsinjo ny lavitra? Nisy fitiavan-tena na fitadiavana tombom-barotra ve ny antony nanoratana azy ity? Miombon-kevitra aminy ve ny boky hafa mendri-pitokisana? Ambonin’ny zavatra rehetra, mifanaraka amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ve izy ity?’

Mampirisika antsika ny Ohabolana 2:1-5 mba tsy hitsahatra hikaroka fahalalana sy fahendrena, ‘toy ny fitady volafotsy sy harena afenina.’ Ezaka mafy nefa koa valisoa tondraka no dikan’izany. Mitaky ezaka ny fanaovana fikarohana, nefa hanampy anao hahita ny hevitr’Andriamanitra, sy hanitsy hevi-diso ary hampiorina mafy ny fahatakaranao ny hevitry ny fahamarinana. Izany koa dia hampisy heviny sy aina kokoa ny famelabelaranao, ka ho fahafinaretana ny manolotra azy sy ny mihaino azy.

IZA AMIN’IRETO FITAOVANA IRETO NO ANANANAO?

  • Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

  • Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!

  • Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina

  • Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah

  • Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra

  • Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara