FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yp2 toko 10 p. 92-98
  • Fa Maninona Aho no Nataony An’izany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fa Maninona Aho no Nataony An’izany?
  • Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fa nisy inona?
  • Ny fomba hihavanana indray
  • “Tsy aleo ve resahina ilay izy?”
  • Nahoana no Nanao Izay Nampalahelo Ahy ny Namako?
    Mifohaza!—2000
  • Nahoana Aho no Tsy Mahazona Namana?
    Mifohaza!—1996
  • Iza no Tena Namako?
    Mifohaza!—2011
  • Tokony Handaza ny Namako ve Aho?
    Mifohaza!—2008
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
yp2 toko 10 p. 92-98

Toko 10

Fa Maninona Aho no Nataony An’izany?

“Mpinamana be izahay sy Kaliana. Tsy nanana fiara izy, ka nalaiko isaky ny avy niasa. Tsy ela anefa dia hitako fa nanararaotra ahy fotsiny izy.

“Ilaozany mandefa hafatra na miresaka an-telefaonina fotsiny ao anaty fiara. Tsy mba nisaotra ahy mihitsy izy, ary tsy nanome vola hividianana lasantsy intsony. Be taraina koa izy. Sorena be aho tamin’ny farany, satria efa ela loatra no nandeferako!

“Nilaza moramora tamin’i Kaliana aho indray andro hoe tsy ho afaka haka azy intsony. Tsy noraharahainy intsony aho nanomboka teo, ka vao mainka hitako hoe te hanararaotra ahy fotsiny izy. Izay ihany no nitiavany ahy. Tena mampalahelo ilay izy!”—Harisoa.

METY hitranga amin’ny olona mpinamana be izany. Tsy mifankafoy izy ireo, nefa tampoka eo dia lasa tsy mifampiteny intsony. Fa nahoana ny mpinamana be no lasa mpifahavalo vetivety eo?

● Nifindra lavitra be, ohatra, ny naman’i Rija. Niova tanteraka àry ny fifandraisan’izy roa lahy. Hoy i Rija: “Tsy niantso ahy intsony izy, ka nalahelo be aho.”

● Mpinamana be nandritra ny dimy taona i Miora sy ny ankizy iray. Hitany anefa fa niova io namany io. Hoy i Miora: “Tena nampahatahotra ahy ny fihetsiny sy ny teniny. Lasa nokianiny sy tsy tiany maizina ny zavatra tiako. Niezaka niresaka izahay, nefa nilaza izy hoe miseho ho masina be aho, sady namadika azy. Tsy mety aminy intsony, hono, ny minamana amiko!”

● Nialan’ny namany koa i Jaëlle, nefa tsy nisy antony nazava. Hoy izy: “Nifankatia be izahay tamin’ny voalohany. Nilaza tamiko izy hoe noraisiny hoatran’ny rahavaviny mihitsy aho. Tampoka teo anefa dia napetrapetrany aho. Namorona an’izao fialan-tsiny rehetra izao izy, mba tsy hiarahana tamiko.”

● Lasa tsy nifankahazo intsony koa i Léa sy Ony, satria nangalarin’i Léa ny sipany. Hoy i Ony: “Nifampiresaka ela be tamin’ny telefaonina ry zareo, na dia efa fantatr’i Léa aza fa niaraka izahay. Votso-droa aho satria sady namadika ahy ilay namako be, no nafoiko ilay ankizilahy saika ho vadiko!”

Fa nisy inona?

Manao fahadisoana isika rehetra. Azo inoana àry fa hanao na hilaza zavatra mampalahelo anao ny namanao, na ho ela na ho haingana. Na ianao aza angamba mahatsiaro, fa efa mba nanao zavatra nampalahelo ny hafa koa. (Mpitoriteny 7:22) Hoy i Liva: “Tsy lavorary isika rehetra, ka mety hampahatezitra ny namantsika indraindray, ary izy koa hampahatezitra antsika.” Mety ho hevitra tsy mifankahazo fotsiny no mahatonga disadisa eo amin’ny mpinamana. Matetika no voalamina ilay izy, rehefa mifampiresaka kely fotsiny izy ireo.

Misy antony hafa koa mahatonga ny tanora tsy hinamana intsony. Hitan’izy ireo, rehefa mandeha ny fotoana, fa hay tsy mitovy ny zavatra tiany. Miova mantsy ny zavatra mahaliana anao rehefa mihalehibe ianao, ary toy izany koa ny an’ny namanao. Inona no azonao atao raha lasa tsy dia miaraka intsony ianareo?

Ny fomba hihavanana indray

Efa nanana akanjo tena tianao ve ianao, nefa rovitra ilay izy? Inona no nataonao? Narianao ve ilay izy, sa namboarinao? Azo inoana fa nitady fomba hanjairana an’ilay akanjo ianao, raha mbola azo atao, ary raha tena tianao ilay izy. Afaka manao toy izany koa ianao, raha tsy miaraka intsony ianao sy ny namanao. Hitady fomba hihavanana aminy indray ianao, raha mbola azo atao, ary raha tena tianao izy.a

Aoka hatao hoe nanao teny nandratra na nanao zavatra nampalahelo anao ny namanao. Mety ho vitanao ny hanadino an’ilay izy, raha harahinao ity torohevitra ao amin’ny Salamo 4:4 ity: ‘Tazòny ao am-ponao ihany ny teninao, eo am-pandriana. Ary aoka hangina ianao.’ Mieritrereta tsara àry alohan’ny hanapahana ilay fifandraisana. Nanao fanahy iniana ve izy? Raha tsy tena azonao antoka izany, nahoana raha hatao ao an-tsaina fotsiny hoe tsy nieritreri-dratsy izy? Matetika no azo atao ny mamela ‘ny fitiavana hanarona fahotana maro be.’—1 Petera 4:8.

Diniho koa sao dia mba anisan’ny nahatonga ilay olana ianao. Aoka hatao hoe namoaka ny tsiambaratelonao ny namanao. Sao dia tsy tokony ho nolazainao taminy kosa ilay izy, satria tsy zakany ka noresahiny tamin’ny olona? Tsara jerena koa raha niteniteny foana ianao, na nitantara zavatra be loatra, ka mety ho izany no nahatezitra azy. (Ohabolana 15:2) Mieritrereta àry hoe: ‘Sao dia mila miova aho mba hohajain’ny namako kokoa?’

“Tsy aleo ve resahina ilay izy?”

Ahoana anefa raha sarotra aminao ny manadino izay nataony? Tsara raha miresaka aminy ianao, rehefa afakafaka ny hatezeranao. Hoy ny Baiboly: “Mampisy fifandirana ny olona tezitra be, fa mampitsahatra fifamaliana kosa ny olona tsy mora tezitra.” (Ohabolana 15:18) Miandrasa àry ho tony, vao mandamina an’ilay disadisa.

Rehefa tena miresaka aminy ianao, dia tadidio fa tsy ny ‘hamaly ratsy ny ratsy’ no tanjonao. (Romanina 12:17) Ny hifanazava sy hamitram-pihavanana kosa no tanjonao. (Salamo 34:14) Lazao àry izay tena ao am-ponao. Afaka miteny, ohatra, ianao hoe: “Efa elaela izay isika no mpinamana. Hoatran’ny nifampihafahafa anefa isika tato ho ato. Fa nisy inona? Tsy aleo ve resahina ilay izy?” Ho mora kokoa aminao ny hihavana aminy indray, raha fantatrao ny nahatonga ilay olana. Aza malahelo anefa raha tsy mety miresaka izy. Tadidio fotsiny hoe efa mba niezaka nihavana taminy ianao.

Matokia fa ‘misy namana mifikitra noho ny rahalahy’, na dia “misy mpinamana vonona hifamotika” aza. (Ohabolana 18:24) Marina fa mety hifamaly indraindray, na ny mpinamana be aza. Ataovy anefa izay hihavanana indray. Aoka àry ianao ho vonona handamina disadisa. Ho hita amin’izay fa mihamatotra ianao.

JEREO ILAY BOKY TEO ALOHA, TOKO 8, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Mifampiresaka ela be ao amin’ny Internet angamba ny namanao sasany. Nahoana izy ireo no tia manao an’izany?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Tsy tsara ny minamana be amin’ny olona sasany, indrindra fa ireo tsy manaraka intsony ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena.—1 Korintianina 5:11; 15:33.

ANDININ-TENY

“Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra.”—Romanina 12:18.

SOSO-KEVITRA

Aza maika hitsara ny namanao, fa henoy aloha izay lazainy.—Ohabolana 18:13.

FANTATRAO VE... ?

Haharitra ny fifandraisanao sy ny namanao, raha avelanao hanana namana hafa izy, ary tsy miditra loatra amin’ny fiainany ianao. (Ohabolana 25:17) Tsy haharitra kosa ny fihavananareo, raha terenao hiaraka aminao foana izy, sady tsy hanampy afa-tsy ianao.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no holazaiko amin’ny namako, raha tena tsy zakako ny zavatra nataony tamiko: ․․․․․

Izao no hataoko mba tsy ho rava ny fifandraisanay sy ny namako, na dia nahatezitra ahy aza izy: ․․․․․

Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Inona indraindray no mahatonga ny olona tsy dia hinamana firy intsony?

● Inona no fahadisoana mety hataon’ny namanao aminao, ka azonao hadinoina? Inona kosa no hitanao hoe tsy maintsy resahinao aminy?

● Efa nisy namanao nahatezitra anao ve? Inona no lesona noraisinao avy tamin’izany?

● Inona no azonao atao, mba tsy hahatonga anao ho tezitra matetika amin’ny namanao?

[Teny notsongaina, pejy 95]

Nieritreritra aho hoe tsy hanao fahadisoana mihitsy ilay namako. Tahaka izay aho tsy nieritreritra an’izany. Tokony ho nihaino sy nanampy azy aho, fa tsy nifantoka tamin’ny fahadisoany. Izao vao fantatro hoe hay mila mahay mandresy zava-tsarotra ny mpinamana, raha tiany haharitra ny fifandraisany.’’—Kiady

[Sary, pejy 94]

Toy ny akanjo rovitra ny fihavanana rava. Samy azo amboarina ireo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara