FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • hf fizarana 4 hevitra 1-2
  • Ahoana no Hahaizana Mitantam-bola?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Hahaizana Mitantam-bola?
  • Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • 1 MANDINIHA TSARA MIALOHA
  • 2 AZA MANAFINAFINA ARY MIERITRERETA TSARA
  • Mahaiza Mitantam-bola
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Ahoana no Fiheveranao ny Vola?
    Mifohaza!—2015
  • Vola
    Mifohaza!—2014
  • Ny Vola ve no Fototry ny Ratsy Rehetra?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
hf fizarana 4 hevitra 1-2
Mpivady iray mandinika tsara ny fomba ampiasany ny volan’izy ireo

FIZARANA 4

Ahoana no Hahaizana Mitantam-bola?

“Ho tanteraka izay kasaina raha misy mpanolo-tsaina.”—Ohabolana 20:18

Mila vola isika rehetra mba hamelomana ny fianakaviantsika. (Ohabolana 30:8) ‘Fiarovana ny vola.’ (Mpitoriteny 7:12) Mety hanahirana ny mpivady ny miresaka momba azy io, nefa aza avela hampisy olana eo aminareo ny resa-bola. (Efesianina 4:32) Tokony hifampatoky ny mpivady ary hifampiresaka rehefa hanapa-kevitra hoe ahoana no hampiasana ny vola.

1 MANDINIHA TSARA MIALOHA

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? ‘Iza aminareo no te hanorina tilikambo nefa tsy mipetraka aloha manao kajy ny amin’izay ho lany, mba hahitana raha manana ny ampy hamitana azy izy, na tsia?’ (Lioka 14:28) Ilaina ny miara-mandinika ny fomba ampiasana ny vola. (Amosa 3:3) Fantaro hoe inona no tokony hovidina ary ohatrinona no vola azo ampiasaina amin’izany. (Ohabolana 31:16) Tsy hoe rehefa ampy hividianana zavatra iray ny vola, dia tsy maintsy hividy. Miezaha tsy hitrosa, ary aza mandany vola mihoatra noho izay ananana.—Ohabolana 21:5; 22:7.

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Raha misy ambiny ny volanareo rehefa faran’ny volana, dia miaraha manapa-kevitra hoe ahoana no hampiasana azy

  • Raha tsy tody faran’ny volana ny volanareo, dia diniho izay azo atao mba hampihenana ny fandaniana. Aza mividy sakafo masaka, ohatra, fa mandrahoa

Mpivady iray mieritreritra an’ireo zavatra mety hampiasany vola be

2 AZA MANAFINAFINA ARY MIERITRERETA TSARA

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? Manaova zavatra “amim-pahamarinana, tsy eo imason’i Jehovah ihany, fa eo imason’ny olona koa.” (2 Korintianina 8:21) Tsory amin’ny vadinao hoe ohatrinona ny karamanao. Aza afenina azy koa ny vola nolaninao.

Miresaha amin’ny vadinao foana rehefa misy fanapahan-kevitra lehibe horaisina momba ny vola. (Ohabolana 13:10) Hanampy anareo mba hifandray tsara foana ny miresaka momba ny vola. Eritrereto hoe anareo mianakavy ny karamanao, fa tsy anao irery.—1 Timoty 5:8.

Mpivady iray miantsena ary mijery ny lisitry ny zavatra hovidiana

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Mifanaraha hoe ohatrinona ny vola azon’ny tsirairay lanina nefa tsy voatery hifampierana

  • Aza miandry hoe efa misy olana ara-bola, izay vao hifampiresaka momba ny vola

TSY NY VOLA NO ZAVA-DEHIBE INDRINDRA

Marina fa ilaina ny vola, nefa aza avela hanakorontana ny tokantranonareo izy io, na hampanahy be anareo. (Matio 6:25-34) Tsy hoe mila vola be ianareo vao ho afaka hankafy fiainana. Hoy ny Baiboly: “Mitandrema amin’izay rehetra mety ho fitsiriritana.” (Lioka 12:15) Sarobidy lavitra noho izay zavatra rehetra azo vidim-bola ny fanambadianareo. Mahaiza mianina àry, ary aza atao tsirambina mihitsy ny fifandraisanareo amin’Andriamanitra. Ho sambatra ny tokantranonareo amin’izay, ary hahazo sitraka amin’i Jehovah ianareo.—Hebreo 13:5.

ERITRERETO IZAO:

  • Inona no azonay mianakavy atao mba tsy hidi-trosa?

  • Oviana izahay mivady no farany niresaka tsy an-kifonofono momba ny vola?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara