FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • hf fizarana 6 hevitra 1-3
  • Manova ny Tokantrano ny Zazakely

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manova ny Tokantrano ny Zazakely
  • Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • 1 NAHOANA NO MIOVA NY FIAINANA REHEFA MISY ZAZAKELY?
  • 2 HAMAFISO NY FIFANDRAISANAREO
  • 3 AMPIOFANO DIENY MBOLA KELY NY ZANAKAREO
  • Miova ny Tokantrano Rehefa Tonga ny Zaza
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Ny ankizy — andraikitra sy valisoa
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
  • Inona no Ilain’ny Zaza sy Tiany?
    Mifohaza!—2004
  • Fiangaviana avy Amin’ny Fo
    Mifohaza!—1997
Hijery Hafa
Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
hf fizarana 6 hevitra 1-3
Mpitsabo mpanampy mitondra an’ilay zaza vao teraka eo amin’ny ray aman-dreniny

FIZARANA 6

Manova ny Tokantrano ny Zazakely

“Lova avy amin’i Jehovah ny zanaka.”—Salamo 127:3

Sambany vao niteraka ve ianareo mivady? Faly sahirana ny mpivady rehefa tera-bao. Mety ho gaga ianareo fa ho lany hikarakarana an’ilay zaza ny ankamaroan’ny fotoana sy ny herinareo. Eo koa ny tsy fahampian-torimaso sy ny fiovan’ny fihetseham-po, izay mety hanimba ny fifandraisanareo. Samy mila manao fanitsiana àry ianareo mba ho afaka hikarakara an’ilay zaza sady hifandray tsara foana. Afaka manampy anareo hiatrika an’ireo olana ireo ny torohevitry ny Baiboly.

1 NAHOANA NO MIOVA NY FIAINANA REHEFA MISY ZAZAKELY?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? ‘Ny fitiavana mahari-po, tsara fanahy, tsy mitady izay hahasoa ny tenany, ary tsy mora tezitra.’ (1 Korintianina 13:4, 5) Raha vehivavy sambany vao niteraka ianao, dia ara-dalàna raha variana amin’ny zanakao. Mety hihevitra àry ny vadinao hoe tsy miraharaha azy ianao. Tadidio fa mila ny fiahianao koa izy. Ampio izy hahatsapa hoe ilaina sady manana anjara amin’ny fikarakarana ny zanakareo. Miezaha hahari-po sy ho tsara fanahy rehefa manao izany.

Raim-pianakaviana iray mamahana ny zanany. Mikarakara an’ilay zaza izy mandritra ny alina

“Ianareo lehilahy, aoka ianareo hiara-mitoetra foana amin’ny vadinareo araka ny fahalalana.” (1 Petera 3:7) Tokony ho tsapanao fa ny fikarakarana ny zanakareo izao no tena handany ny herin’ny vadinao. Lasa manana andraikitra vaovao izy, ka mety hiady saina sy ho vizana be ary ho ketraka mihitsy. Mety ho tezitra aminao aza izy. Miezaha anefa mba ho tony foana, satria “aleo olona tsy mora tezitra toy izay lehilahy matanjaka.” (Ohabolana 16:32) Miezaha hahatsapa izay mahazo ny vadinao, ka omeo azy ny fanampiana ilainy.—Ohabolana 14:29.

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Ho an’ny lehilahy: Ampio hikarakara an’ilay zaza ny vadinao, na dia amin’ny alina aza. Fero ny fotoana ampiasainao amin-javatra hafa, mba hanananao fotoana betsaka kokoa iarahana amin’ny vadinao sy ny zanakao

  • Ho an’ny vehivavy: Ekeo ny fanampian’ny vadinao, raha te hanampy anao hikarakara an’ilay zaza izy. Aza kianina izy raha tsy mety tsara ny zavatra ataony. Atoroy amin-katsaram-panahy kosa izy

2 HAMAFISO NY FIFANDRAISANAREO

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Ho nofo iray ihany izy ireo.” (Genesisy 2:24) Tadidio fa mbola “nofo iray” ihany ianareo mivady, na dia miampy iray aza ny mpianakavy. Ataovy izay rehetra azo atao mba hahatonga anareo roa hifandray tsara foana.

Ry vehivavy, ankasitraho ny fanampian’ny vadinao. Mety ‘hanasitrana’ ny teny fankasitrahana lazainao. (Ohabolana 12:18) Ry lehilahy, lazao amin’ny vadinao fa tena tianao sy sarobidy aminao izy. Derao izy noho ny fikarakarany ny fianakaviana.—Ohabolana 31:10, 28.

“Aoka ny tsirairay hitady mandrakariva, tsy izay hahasoa ny tenany, fa izay hahasoa ny hafa.” (1 Korintianina 10:24) Izay tena hahasoa ny vadinao foana atao. Manokàna fotoana mba hahafahanareo hifampiresaka sy hifampihaino, ary hifanao teny fiderana. Aza tia tena eo amin’ny resaka firaisana. Hevero izay ilain’ny vadinao. Hoy ny Baiboly: “Aoka tsy hisy aminareo tsy hanaiky hanao ny adidy amim-bady, raha tsy efa ifanarahanareo angaha.” (1 Korintianina 7:3-5) Mifampiresaha amim-pahatsorana momba ny firaisana àry. Hihamafy ny fifandraisanareo raha manam-paharetana ianareo ary samy miezaka hahatsapa an’izay mahazo ny iray.

Mpivady manararaotra miresadresaka, rehefa matory ny zanany kely

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Aza hadinoina ny manokana fotoana iarahanareo roa irery

  • Manaova zavatra tsotsotra mba hahatsapan’ny vadinao fa tianao izy, ohatra hoe mandefa SMS na manome zavatra kely

3 AMPIOFANO DIENY MBOLA KELY NY ZANAKAREO

Reny mamaky teny ho an’ny zanany kely

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Mbola zazakely ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay nampahahendry anao ho amin’ny famonjena.” (2 Timoty 3:15) Eritrereto mialoha izay hataonao mba hampianarana ny zanakao. Tena mora miana-javatra mantsy izy, na dia mbola any am-bohoka aza. Mahafantatra ny feonao izy ary misy vokany eo aminy ny fihetseham-ponao, na dia mbola tsy teraka aza izy. Amakio teny izy, na dia mbola zazakely aza. Marina fa mety tsy ho azony izay vakinao, nefa hanampy azy izany mba ho tia mamaky teny rehefa lehibe.

Aza mieritreritra hoe mbola kely loatra ilay zanakao ka tsy afaka mandre anao miresaka momba an’Andriamanitra. Ataovy henony ianao rehefa mivavaka. (Deoteronomia 11:19) Miresaha momba ny zavatra nataon’Andriamanitra, na dia rehefa miara-milalao aminy aza. (Salamo 78:3, 4) Ho tsapan’ny zanakao rehefa mihalehibe izy fa tia an’i Jehovah ianao, ka ho lasa tia azy koa izy.

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Mangataha fahendrena amin’i Jehovah mba hahaizanao mitaiza ny zanakao

  • Mieritrereta teny tianao ho hain’ilay zaza, ary averimbereno aminy izany. Aloha be izy amin’izay dia efa miana-javatra

AFAKA MANATSARA NY TOKANTRANO NY ZAZAKELY

Tsy hatahotahotra intsony ianareo mivady rehefa mandeha ny fotoana, fa hanjary hatoky tena rehefa mitaiza ny zanakareo. Mety hahatonga anareo ho be fitiavana kokoa sy hanam-paharetana kokoa ary ho tsara fanahy kokoa ny mitaiza. Vao mainka hifankatia ianareo roa, raha miara-miasa sy mifanampy amin’ny fitaizana ny zanakareo. Ho tsapanareo amin’izay fa marina ny voalazan’ny Salamo 127:3 hoe: “Valisoa ny aloaky ny kibo.”

ERITRERETO IZAO:

  • Inona no nataoko tamin’ny herinandro mba hampisehoana fa mankasitraka izay ataon’ny vadiko ho an’ny ankohonanay aho?

  • Oviana no niresahako farany tamin’ny vadiko momba anay roa, fa tsy momba ny zanakay?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara