FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • hf fizarana 7 hevitra 1-4
  • Ahoana no Hitaizana ny Ankizy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Hitaizana ny Ankizy?
  • Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • 1 MIEZAHA HO MORA IRESAHANA
  • 2 FANTARO IZAY TENA TIANY HOLAZAINA
  • 3 ASEHOY FA MIRAY SAINA IANAREO MIVADY
  • 4 ERITRERETO MIALOHA NY FOMBA HITAIZANA NY ZANAKAREO
  • Ampiofano Manomboka eo Amin’ny Maha-zazakely Azy ny Zanakao
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
  • Ry Ray Aman-dreny, Tezao Amim-pitiavana ny Zanakareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Afaka Manampy Anao Hitaiza ny Zanakao ve ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Tezao mba ho tia an’i Jehovah ny zanakao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
Hijery Hafa
Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
hf fizarana 7 hevitra 1-4
Raim-pianakaviana iray sy ny zanany lahy, miara-manamboatra bisikileta

FIZARANA 7

Ahoana no Hitaizana ny Ankizy?

“Aoka ho ao am-ponao ireto teny andidiako anao anio ireto. Dia alenteho tsikelikely ao an-tsain’ny zanakao izany.”—Deoteronomia 6:6, 7

Nankinin’i Jehovah tamin’ny ray aman-dreny ny fikarakarana ny zanaka, tamin’izy namorona ny fianakaviana. (Kolosianina 3:20) Andraikitrao ny mampianatra ny zanakao mba ho tia an’i Jehovah sy ho lasa olon-dehibe matotra. (2 Timoty 1:5; 3:15) Mila mamantatra an’izay ao am-pony koa ianao, ary miezaka ho modely. Tsy tena ho afaka hampianatra ny zanakao ny Tenin’i Jehovah ianao, raha tsy ianao mihitsy aloha no mandrakitra an’izany ao am-ponao.—Salamo 40:8.

1 MIEZAHA HO MORA IRESAHANA

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? Aoka ianao “ho mailaka hihaino” sy “tsy ho maika hiteny.” (Jakoba 1:19) Ataovy izay hahatsapan’ny zanakao fa afaka miresaka malalaka aminao izy. Tokony ho tsapany fa vonona hihaino azy foana ianao rehefa te hiresaka izy. Ataovy izay hampihavana tsara anareo mianakavy, dia ho mora amin’ny ankizy ny hilaza ny heviny. (Jakoba 3:18) Mety tsy hilaza izay tena ao am-pony izy, raha matahotra hoe hasiaka ianao na hanakiana azy. Manàna faharetana amin’ny zanakao ary omeo toky matetika izy hoe tianao.—Matio 3:17; 1 Korintianina 8:1.

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Aoka ianao ho vonona hihaino rehefa te hiresaka ny zanakao

  • Miresaha foana amin’ny zanakao, fa aza miandry hoe efa misy olana vao hiresaka

2 FANTARO IZAY TENA TIANY HOLAZAINA

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Toy ny rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona, fa izay manana fahaiza-manavaka kosa mahay manovo azy ihany.” (Ohabolana 20:5) Raha te hahalala izay tena ao am-pon’ny zanakao ianao, dia ilainao indraindray ny mandinika kokoa rehefa miteny izy. Manitatra ny tanora matetika, na milaza zavatra tsy tena avy ao am-pony. “Izay mamaly nefa mbola tsy nihaino akory, dia hadalana sy henatra ho azy izany.” (Ohabolana 18:13) Aza mora tezitra.—Ohabolana 19:11.

Reny iray tezitra be amin’ny zanany vavy, noho ny zavatra nolazain’izy io

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Aoka ianao ho tapa-kevitra ny tsy hitroatra na hanapaka ny tenin-janakao, na inona na inona lazainy

  • Miezaha hitadidy hoe inona no tsapanao tamin’ianao nitovy taona taminy ary inona no noheverinao ho zava-dehibe

3 ASEHOY FA MIRAY SAINA IANAREO MIVADY

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Henoy, anaka, ny anatry ny rainao, ary aza atao tsinontsinona ny lalàn-dreninao.” (Ohabolana 1:8) Samy nomen’i Jehovah fahefana amin’ny zanany ny ray sy ny reny. Tsy maintsy ampianarinareo hanaja sy hankatò anareo ny zanakareo. (Efesianina 6:1-3) Tsapan’ny ankizy rehefa tsy ‘miray saina’ tsara ny ray aman-dreniny. (1 Korintianina 1:10) Mety tsy hiray hevitra ianareo, nefa tsara raha tsy asehonareo ny zanakareo izany. Mety hahatonga azy tsy hanaja anareo mantsy izany.

Lehilahy iray mananatra mitokana ny zanany lahy. Ao amin’ny efitra ilany ny vadiny sy ny zanany lahy iray hafa

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Iaraho midinika hoe ahoana no hifehezana ny ankizy, ary mifanaraha tsara

  • Miezaha hahatakatra ny fomba fihevitry ny vadinao, raha tsy mitovy hevitra ianareo eo amin’ny fomba fitaizana

4 ERITRERETO MIALOHA NY FOMBA HITAIZANA NY ZANAKAREO

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza.” (Ohabolana 22:6) Tsy voatery hahatonga ny ankizy ho tsara taiza izay fomba hitaizanao azy. Mila dinihina mialoha ny fomba fitaizana, anisan’izany ny fomba hifehezana ny ankizy. (Salamo 127:4; Ohabolana 29:17) Tsy midika fotsiny hoe manasazy ny hoe mifehy, fa midika koa hoe manampy ny ankizy hahazo ny anton’ny fitsipika omena azy. (Ohabolana 28:7) Ampianaro izy ho tia ny Tenin’i Jehovah sy hamantatra ny toro lalana ao. (Salamo 1:2) Ho voaofana tsara ny feon’ny fieritreretany amin’izay.—Hebreo 5:14.

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Ampio ny zanakao hino fa tena misy Andriamanitra ary azo itokisana

  • Ampio izy hamantatra sy hanalavitra izay mety hahatonga azy hanao ratsy, anisan’izany ny zavatra mampidi-doza ao amin’ny Internet sy ny tranonkala fifaneraserana. Atoroy azy koa izay azo atao mba tsy hisy hametaveta

Ankizilahy iray ampianarin’ny ray aman-dreniny hanompo an’i Jehovah, manomboka amin’ny fahazazany ka hatramin’ny batisany

“Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza”

HITAHY NY EZAKA ATAONAO I JEHOVAH

Manana andraikitra manokana ianareo ray aman-dreny, dia ny hampianatra ny zanakareo ny fomba fisainan’i Jehovah. (Efesianina 6:4) Fantatr’i Jehovah fa ilana ezaka be izany. Matokia anefa fa hitondra dera ho an’Andriamanitra sy fifaliana lehibe ho anao ny zanakao, raha tsara taiza.—Ohabolana 23:24.

ERITRERETO IZAO:

  • Inona no azoko atao mba ho sahy hiresaka ny zava-drehetra amiko ny zanako?

  • Inona no azoko ianarana avy amin’ny fomba fitaizan’ny hafa?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara