FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • hf fizarana 9 hevitra 1-2
  • Miaraha Manompo An’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miaraha Manompo An’i Jehovah
  • Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • 1 HATSARAO NY FIFANDRAISANAO AMIN’I JEHOVAH
  • 2 ANKAFIZO NY FOTOAM-PIVAVAHAN’NY FIANAKAVIANAREO
  • Fanomezana ho An’ny Fianakaviana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Inona no Atao hoe Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana?
    Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
  • Ataovy Mahafinaritra Kokoa ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Omany ao anatin’ny fianakaviana ny ho avinao mandrakizay
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
Hijery Hafa
Tianao ho Sambatra ve ny Fianakavianao?
hf fizarana 9 hevitra 1-2
Mpivady iray miara-mianatra Baiboly

FIZARANA 9

Miaraha Manompo An’i Jehovah

“Mivavaha amin’Ilay nanao ny lanitra sy ny tany.”—Apokalypsy 14:7

Hitantsika tato fa misy toro lalana maro afaka manampy anao sy ny mpianakavinao ao amin’ny Baiboly. Tian’i Jehovah ho sambatra ianao. Mampanantena izy fa hanome izay tena ilainao, raha ataonao loha laharana ny fanompoana azy. (Matio 6:33) Tena tiany ho lasa namany ianao. Ataovy àry izay rehetra azo atao mba hahatonga anao ho naman’Andriamanitra. Izany no voninahitra lehibe indrindra ho an’ny olombelona.—Matio 22:37, 38.

1 HATSARAO NY FIFANDRAISANAO AMIN’I JEHOVAH

Mpivady iray miara-mitory

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “ ‘Ho rainareo aho, ary ianareo ho zanako lahy sy zanako vavy’, hoy i Jehovah.” (2 Korintianina 6:18) Tian’i Jehovah ho lasa namany akaiky ianao. Anisan’ny manampy anao amin’izany ny vavaka. Mampirisika anao mba ‘tsy hitsahatra hivavaka’ i Jehovah. (1 Tesalonianina 5:17) Tena te hihaino izay eritreretinao lalina sy izay mampanahy anao izy. (Filipianina 4:6) Rehefa miara-mivavaka amin’ny mpianakavinao ianao, dia ho tsapan’izy ireo hoe tena mino ianao fa misy Andriamanitra.

Mila mihaino an’Andriamanitra koa ianao, fa tsy miresaka aminy fotsiny. Manao izany ianao rehefa mianatra ny Teniny sy ireo boky ara-baiboly. (Salamo 1:1, 2) Saintsaino izay ianaranao. (Salamo 77:11, 12) Mila manatrika tsy tapaka an’ireo fivoriana kristianina koa ianao.—Salamo 122:1-4.

Ankoatra izany, dia tena ilainao ny miresaka amin’ny hafa momba an’i Jehovah, raha tianao ny hanatsara ny fifandraisanao aminy. Arakaraka ny iresahanao momba azy no ahatsapanao ho akaiky azy.—Matio 28:19, 20.

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Manokàna fotoana hamakiana Baiboly sy hivavahana, isan’andro

  • Izay zavatra mifandray amin’ny fivavahana no ataovy loha laharana ao an-tokantrano, izay vao ny fialam-boly sy fialan-tsasatra

2 ANKAFIZO NY FOTOAM-PIVAVAHAN’NY FIANAKAVIANAREO

Raim-pianakaviana iray manomana ny fotoam-pivavahan’ny fianakaviana. Miara-manao fotoam-pivavahana izy mianakavy avy eo

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.” (Jakoba 4:8) Mila manokana fotoana hanaovana Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana tsy tapaka ianareo, ary manaja an’izany fotoana izany. (Genesisy 18:19) Tsy ampy anefa izany. Tadidio foana Andriamanitra amin’izay ataonareo isan’andro. Ampio hifandray kokoa aminy ny mpianakavinao, ka iresaho momba azy “na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha eny an-dalana, na mandry, na mifoha.” (Deoteronomia 6:6, 7) Ataovy tanjonao ny hitovy amin’i Josoa, izay nilaza hoe: “Izaho sy ny ankohonako kosa hanompo an’i Jehovah.”—Josoa 24:15.

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Ataovy tsy tapaka ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana ary ataovy mifanaraka amin’izay ilain’ny mpianakavy tsirairay

Reny iray mamaky teny ho an’ny zanany lahikely; fianakaviana iray milalao tantara ara-baiboly; raim-pianakaviana iray mampianatra ny zanany vavy

MAHASAMBATRA NY MANOMPO AN’I JEHOVAH

Tsy misy tsara noho ny manompo an’i Jehovah Andriamanitra. Tena faly izy mahita anareo mianakavy manompo azy amin’ny fo. Vao mainka ho tia an’i Jehovah sy hanahaka azy ianareo, rehefa manao izany. (Marka 12:30; Efesianina 5:1) Hihamafy ny fatoram-panambadianareo mivady raha mifandray tsara amin’Andriamanitra ianareo. (Mpitoriteny 4:12; Isaia 48:17) Ho sambatra mandrakizay ianareo mianakavy, satria fantatrareo fa “efa notahin’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.”—Deoteronomia 12:7.

ERITRERETO IZAO:

  • Oviana izahay mivady no niara-nivavaka farany?

  • Inona no azonay mianakavy iarahana mianatra mba hanatanjaka ny finoanay an’i Jehovah?

HO AN’NY LOHAM-PIANAKAVIANA

  • Aza avela hisy na inona na inona hisakana anareo tsy hanao ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana

  • Ampahafantaro mialoha an’ireo mpianakavinao ny zavatra hodinihina, mba ho afaka hiomana izy ireo

  • Ataovy azo antoka hoe eo daholo ny rehetra

  • Ataovy mahafinaritra ny rehetra ilay izy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara