TOKO 4
Fomba Andaminana sy Itarihana ny Fiangonana
HOY ny apostoly Paoly tao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintianina: “Andriamanitra tsy Andriamanitry ny fikorontanana, fa Andriamanitry ny filaminana.” Anisan’ny tena mampiavaka an’Andriamanitra izany. Niresaka momba ny fivorian’ny fiangonana izy avy eo, ka nilaza hoe: “Ataovy amin’ny fomba mendrika sy milamina tsara ... ny zava-drehetra.”—1 Kor. 14:33, 40.
2 Nanome torohevitra ho an’ny fiangonan’i Korinto i Paoly teo am-piandohan’io taratasy io, satria tsy nifanaraka ireo rahalahy tao. Nampirisihiny izy ireo mba ‘hifanara-kevitra amin’izay lazainy’, ary “hiray hina tsara ka hiray saina sy hiray hevitra.” (1 Kor. 1:10, 11) Nanome torohevitra momba an’ireo zavatra sasany tsy nampifanara-tsaina azy ireo i Paoly avy eo. Niresaka momba ny vatan’olombelona izy, mba hampirisihana ny rehetra hiray saina sy hiara-miasa tsara. Nampirisihiny ny rehetra mba hifankatia sy hifanampy, na inona na inona andraikiny eo anivon’ny fiangonana. (1 Kor. 12:12-26) Tsy maintsy voalamina tsara ny fiangonana vao ho afaka hiara-miasa toy izany ny olona eo anivony.
3 Iza àry no nandamina ny fiangonana kristianina tamin’izany? Ahoana no nandaminana azy io? Iza avy no niandraikitra azy? Hahita valiny mazava tsara momba izany isika rehefa mandinika izay lazain’ny Baiboly.—1 Kor. 4:6.
VOALAMINA ARAKA NY FITSIPIK’ANDRIAMANITRA
4 Voalamina ‘araka ny fitsipik’Andriamanitra’ ny fiangonana kristianina fahiny. Teny avy ao amin’ny Baiboly ny hoe ‘araka ny fitsipik’Andriamanitra’, ary avy amin’ny teny grika roa hoe Teôs (Andriamanitra) sy kratôs (fitondrana na fitsipika na hery) izany. Misy an’ireo teny grika roa ireo ao amin’ny 1 Petera 5:10, 11, ary nadika hoe ‘Andriamanitra’ sy “hery” izy ao. Matetika anefa ny hoe kratôs no adika hoe fitondrana na fitsipika. Voalamina ‘araka ny fitsipik’Andriamanitra’ àry ny fiangonana kristianina fahiny. Niorina tamin’ny Pentekosta taona 33 izy io, izany hoe efa ho 2 000 taona lasa izay. Hita hoe Andriamanitra mihitsy no nanorina ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra, rehefa dinihina ny zava-nitranga tany Jerosalema tamin’io fotoana io. (Asa. 2:1-47) Trano naorin’Andriamanitra ny fiangonana, ka lasa anisan’ny ankohonany. (1 Kor. 3:9; Efes. 2:19) Ny fomba fiasa sy ny fomba nandaminana ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany ihany no arahintsika ankehitriny.
Ny fomba fiasa sy ny fomba nandaminana ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany ihany no arahintsika ankehitriny
5 Olona 120 teo ho eo no anisan’ilay fiangonana voalohany, rehefa niforona izy io. Nilatsaka tamin’izy ireo aloha ny fanahy masina, ka tanteraka ny Joela 2:28, 29. (Asa. 2:16-18) Mbola nisy olon-kafa 3 000 teo ho eo anefa natao batisa tao anaty rano tamin’io andro io, ka lasa anisan’ny fiangonan’ny Kristianina nateraky ny fanahy koa. Nanaiky ny fampianarana momba an’i Kristy izy ireo, ary “nihaino tsara foana ny fampianaran’ny apostoly.” Taorian’izay, dia “nisy olona voavonjy nataon’i Jehovah nanampy isa azy ireo isan’andro.”—Asa. 2:41, 42, 47.
6 Nandroso be ilay fiangonana, ka nitaraina ny mpisoronabe jiosy hoe nofenoin’ireo mpianatra ny fampianarany i Jerosalema. Maro tamin’ny mpisorona jiosy koa aza no lasa mpianatra, ka nanjary anisan’ilay fiangonana.—Asa. 5:27, 28; 6:7.
7 Hoy i Jesosy: “Ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra eto an-tany ianareo.” (Asa. 1:8) Niparitaka eran’i Jodia sy Samaria tokoa ny mpianatra, rehefa mafy ny fanenjehana tany Jerosalema taorian’ny nahafatesan’i Stefana. Nitory ny vaovao tsara foana izy ireo tany amin’izay toerana nalehany, ka nihamaro ny mpianatra vaovao, anisan’izany ny Samaritanina sasany. (Asa. 8:1-13) Nitoriana ny vaovao tsara koa ny olona tsy jiosy tany amin’ny firenena maro, ary nisy vokany tsara izany. (Asa. 10:1-48) Vao mainka nihamaro ny mpianatra noho ilay asa fitoriana, ka lasa nisy fiangonana tany amin’ny tanàna hafa ankoatra an’i Jerosalema.—Asa. 11:19-21; 14:21-23.
8 Inona no natao mba ho azo antoka hoe nifanaraka tamin’ny fitsipik’Andriamanitra ny fomba nandaminana sy nitarihana an’ireny fiangonana vaovao ireny? Nisy mpiandry lefitra notendrena mba hikarakara ny andian’ondry. Azo natao izany satria niasa teo anivon’ny fiangonana ny fanahy masina. Nanendry anti-panahy tany amin’ireo fiangonana notsidihiny i Paoly sy Barnabasy, nandritra ny dia misionera voalohany nataony. (Asa. 14:23) Nitantara i Lioka, mpanoratra Baiboly, fa niteny tamin’ny anti-panahy tany Efesosy i Paoly hoe: “Tandremo tsara ny tenanareo ary karakarao tsara ny ondry rehetra, satria notendren’ny fanahy masina ho mpiandraikitra azy ireny ianareo. Amin’izay ianareo dia ho mpiandry ny fiangonan’Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny ran’ny Zanany.” (Asa. 20:17, 28) Notendrena ho anti-panahy ireny rahalahy ireny, satria nahafeno ny fepetra takin’ny Soratra Masina. (1 Tim. 3:1-7) Nomena fahefana hanendry anti-panahy tany amin’ny fiangonan’i Kreta i Titosy, mpiara-miasa tamin’i Paoly.—Tit. 1:5.
9 Nihamaro ny fiangonana, tamin’ny taonjato voalohany, ka lasa nisy azy ireny koa tany amin’ny firenena maro. Mbola ny apostoly sy ny anti-panahy ihany anefa no tena niandraikitra ny asa, satria izy ireo no filan-kevi-pitantanana tamin’izany.
10 Afaka miray saina foana ny fiangonana rehefa manaiky ny fahefan’i Jesosy Kristy. Nohazavain’ny apostoly Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny fiangonan’i Efesosy fa hahavita an’izany izy ireo raha manaiky hotarihin’ny fanahy masina hatrany. Nampirisihin’i Paoly ny Kristianina tany mba hanetry tena sy ‘ho tafaray foana satria efa nampiraisin’ny fanahy masina’, izany hoe hiray saina sy hihavana amin’ny olona rehetra eo anivon’ny fiangonana. (Efes. 4:1-6) Nilaza i Paoly fa tanteraka ny Salamo 68:18, rehefa nanome lehilahy mahafeno fepetra i Jehovah mba hikarakara izay ilain’ny fiangonana. Nisy tamin’izy ireo nataony apostoly, mpaminany, mpitory ny vaovao tsara, mpiandry, ary mpampianatra. Fanomezana avy tamin’i Jehovah ireny lehilahy ireny, ary natao hanampy ny fiangonana mba ho matotra ara-panahy, ka hampifaly an’Andriamanitra.—Efes. 4:7-16.
MANARAKA NY MODELIN’NY APOSTOLY NY FIANGONANA ANKEHITRINY
11 Toy ny fomba nandaminana ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany ihany no andaminana ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany ankehitriny. Miray saina izy ireo ka toy ny fiangonana iray ihany, izay samy manaraka ny fitarihan’ireo rahalahy voahosotry ny fanahy. (Zak. 8:23) Vitan’izy ireo izany satria manampy azy ireo i Jesosy Kristy. Efa nampanantena mantsy izy hoe hanohana an’ireo mpianany voahosotra foana “mandra-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.” Mino ny vaovao tsara momba an’Andriamanitra ireo olona lasa anisan’ny fiangonana. Manokan-tena ho an’i Jehovah izy, ary atao batisa ka lasa mpanara-dia an’i Jesosy. (Mat. 28:19, 20; Mar. 1:14; Asa. 2:41) I Jesosy Kristy, ilay “mpiandry tena tsara”, no eken’izy ireo ho Lohan’ny andian’ondry, izany hoe Lohan’ny Kristianina voahosotra sy ny “ondry hafa.” (Jaona 10:14, 16; Efes. 1:22, 23) Lasa “andiany iray” izy ireo, ary miray saina satria manaiky ny fitarihan’i Kristy sy ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”, izay notendreny hiandraikitra ny fandaminana. Enga anie isika ka hatoky tanteraka an’io mpanompo io foana.—Mat. 24:45.
NAHOANA NO ILAINA NY FIKAMBANANA ARA-PIVAVAHANA?
12 Nisy fikambanana noforonina mba hahafahana hizara sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety sy hahafahana hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, alohan’ny hahatongavan’ny farany. Voasoratra ara-dalàna ireny fikambanana ireny any amin’ny firenena maro, ary miara-miasa tsara. Manamora ny fitoriana ny vaovao tsara eran-tany izy ireny.
FANDAMINANA SAMPANA
13 Misy biraon’ny sampana any amin’ny tany maro, ka anti-panahy telo na mihoatra no tendrena ho Komitin’ny Sampana. Izy ireo no manara-maso ny asa eo amin’ilay (na ireo) tany iandraiketan’ilay sampana. Mpandrindra ny Komitin’ny Sampana ny iray amin’izy ireo.
14 Miandraikitra fiangonana maro ny sampana iray, ary zarazaraina ho faritra maromaro izy ireny. Tsy mitovy ny isan’ny fiangonana ao amin’ny faritra tsirairay, arakaraka ny haben’ilay faritra sy ny fiteny ampiasaina ao ary ny isan’ny fiangonana iandraiketan’ilay sampana. Tendrena hitsidika ny fiangonana ao amin’ny faritra iray ny mpiandraikitra ny faritra. Ny biraon’ny sampana no manome toromarika azy ireo hoe ahoana no hanaovany ny andraikiny.
15 Manaiky ny lamina eo anivon’ny fandaminana daholo ny fiangonana, satria natao hahasoa ny rehetra izy ireny. Eken’izy ireo izay anti-panahy tendrena hiandraikitra ny sampana sy faritra ary fiangonana. Miantehitra amin’ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina izy ireo mba hahazoana sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety. Ny mpanompo mendri-pitokisana kosa manaraka akaiky ny fitarihan’i Kristy, sady manaiky ny fitarihan’ny fanahy masina, ary tsy miala mihitsy amin’ny torolalan’ny Baiboly. ‘Hihamatanjaka ny finoan’ny fiangonana’, toy ny tamin’ny taonjato voalohany ihany, ary ‘hihabetsaka isan’andro’ ireo olona eo anivony, rehefa miara-miasa sy miray saina ny rehetra.—Asa. 16:5.