FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lff lesona 7
  • Hoatran’ny Ahoana i Jehovah?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hoatran’ny Ahoana i Jehovah?
  • Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ANDAO HOHALALININTSIKA
  • FAMINTINANA
  • JEREO KOA IRETO
  • Hoatran’ny Ahoana ny Toetran’i Jesosy?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Tafio Foana ny “Toetra Vaovao” na dia Efa Vita Batisa aza Ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Ny Fanahy Masina: Fanomezan’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Fanahy Masina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
lff lesona 7
Lesona 7. Lehilahy iray mijoro eo amoron-dranomasina, ary mitazana ny ranomasina amin’ny andro harivariva.

LESONA 07

Hoatran’ny Ahoana i Jehovah?

Endrika Sary
Endrika Sary
Endrika Sary

Inona no tonga ao an-tsainao rehefa mieritreritra an’i Jehovah Andriamanitra ianao? Misy miteny hoe manana toerana ambony be izy dia mendrika hohajaina, nefa sarotra ny mifandray aminy. Ny sasany indray mieritreritra hoe matanjaka be fotsiny izy fa tsy manana fihetseham-po. Hoatran’ny ahoana marina àry izy? Ampahafantariny ao amin’ny Baiboly ny toetrany, ary asehony ao koa hoe tia anao izy.

1. Maninona isika no tsy afaka mahita an’Andriamanitra?

“Andriamanitra dia Fanahy.” (Jaona 4:24) Tsy hoatran’ny an’ny olombelona ny vatany. Fanahy mipetraka any an-danitra izy, ary tsy afaka mahita ny any isika.

2. Inona, ohatra, ny toetran’i Jehovah?

Tsy afaka mahita an’i Jehovah isika. Rehefa mahafantatra azy anefa isika, dia lasa tia azy satria tena misy izy sady manana toetra tsara be dia be. Hoy ny Baiboly: “Tia rariny i Jehovah, ka tsy hahafoy an’izay tsy mivadika aminy.” (Salamo 37:28) “Tena be fitiavana” koa izy “sady mamindra fo”, indrindra amin’ireo olona mijaly. (Jakoba 5:11) “Akaiky an’izay torotoro fo i Jehovah, ary mamonjy an’izay kivy.” (Salamo 34:18) Fantatrao koa ve fa mety hahafaly an’i Jehovah na hampalahelo azy ny zavatra ataontsika? Diso fanantenana sy malahelo izy rehefa manao zavatra ratsy isika. (Salamo 78:40, 41) Tena faly kosa izy rehefa manao ny tsara isika.​—Vakio ny Ohabolana 27:11.

3. Ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe tia antsika izy?

Ny fitiavana no toetran’i Jehovah miavaka indrindra. Milaza mihitsy ny Baiboly hoe “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Tsy rehefa mamaky Baiboly ihany isika no mahita hoe be fitiavana izy, fa rehefa mandinika ny zavatra noforoniny koa. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 14:17.) Diniho, ohatra, ny nanaovany antsika. Nataony afaka mahita loko tsara tarehy isika, mihaino mozika mahafinaritra, ary mankafy sakafo matsiro. Hita hoe tiany hankafy ny fiainana isika.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hojerentsika hoe inona no ampiasain’i Jehovah mba hahavitana zavatra miavaka, ary ahoana no ampisehoany ny toetrany.

4. Hery ampiasain’Andriamanitra ny fanahy masina

Sary: Zavatra nampiasana ny fanahy masin’Andriamanitra. 1. Planeta vitsivitsy sy vahindanitra. 2. Mpanoratra Baiboly manoratra ny hevitr’Andriamanitra ao anaty horonam-boky.

Mampiasa ny fanahy masina i Jehovah rehefa manao zavatra, hoatr’antsika mampiasa ny tanantsika rehefa miasa. Milaza ny Baiboly hoe tsy Andriamanitra ny fanahy masina fa hery ampiasain’Andriamanitra. Vakio ny Lioka 11:13 sy ny Asan’ny Apostoly 2:17, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Homen’Andriamanitra fanahy masina izay rehetra mangataka an’izany aminy. Araka ny hevitrao, Andriamanitra ve izany ny fanahy masina sa hery ampiasain’Andriamanitra? Nahoana?

Mampiasa ny fanahy masina i Jehovah mba hanaovana zavatra miavaka. Vakio ny Salamo 33:6a sy ny 2 Petera 1:20, 21, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Ahoana, ohatra, no nampiasan’i Jehovah ny fanahy masina?

Sary: Zavatra nampiasana ny fanahy masin’Andriamanitra. 1. Planeta vitsivitsy sy vahindanitra. 2. Mpanoratra Baiboly manoratra ny hevitr’Andriamanitra ao anaty horonam-boky.

5. Mahafinaritra ny toetran’i Jehovah

Efa ela i Mosesy no nanompo an’Andriamanitra, nefa mbola te hahafantatra bebe kokoa an’ilay Mpamorona azy izy. Niteny taminy i Mosesy hoe: ‘Ampahafantaro ahy ny lalanao, mba hahafantarako anao.’ (Eksodosy 33:13) Nolazain’i Jehovah tamin’i Mosesy àry hoe hoatran’ny ahoana ny toetrany. Vakio ny Eksodosy 34:4-6, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Inona avy ny toetran’i Jehovah nampahafantariny an’i Mosesy?

  • Inona ny toetran’i Jehovah tena tianao?

6. Mahita ny fijalian’ny olona i Jehovah

Vehivavy iray mivavaka.

Nisy fotoana andevo tany Ejipta ny vahoakan’Andriamanitra. Inona no tsapan’i Jehovah rehefa hitany ny fijalian’izy ireo? Alefaso ilay RAKI-PEO dia araho ao amin’ny Baibolinao, na vakio ny Eksodosy 3:1-10. Iaraho midinika avy eo ny fanontaniana.

RAKI-PEO: Hitan’i Jehovah ny Fijalian’izy Ireo (2:45)

  • Araka io tantara io, inona no tsapan’i Jehovah rehefa mahita olona mijaly izy?​—Jereo ny andininy 7 sy 8.

  • Araka ny hevitrao, tena te hanampy ny olona ve i Jehovah ary vitany ve izany? Nahoana?

7. Hita amin’ny zavaboary ny toetran’i Jehovah

Sary: Trozona iray miaraka amin’ny zanany, voninkazo, ary kôlibria.

Hitantsika amin’ny zavatra noforonin’i Jehovah ny toetrany. Alefaso ilay VIDEO. Vakio ny Romanina 1:20 avy eo, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

VIDEO: Hita Amin’ny Zavaboary hoe Be Fitiavana i Jehovah: Ny Vatan’ny Olombelona (1:57)

  • Inona avy ny toetran’i Jehovah hitanao avy amin’ny zavatra noforoniny?

MISY MITENY HOE: “Tsy miraharaha antsika Andriamanitra.”

  • Ahoana ny hevitrao?

  • Nahoana ianao no miteny an’izany?

FAMINTINANA

Fanahy tsy hita maso i Jehovah. Manana toetra tsara be dia be izy, ary ny fitiavana no lehibe indrindra amin’izany.

Famerenana

  • Maninona isika no tsy afaka mahita an’i Jehovah?

  • Inona ny fanahy masina?

  • Inona, ohatra, ny toetran’i Jehovah?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Manana toetra efatra tena miavaka i Jehovah. Inona avy izany?

“Hoatran’ny Ahoana Andriamanitra?” (Ny Tilikambo Fiambenana No. 1 2019)

Marina ve ilay hoe misy an’Andriamanitra daholo ny zava-drehetra?

“Eny Rehetra Eny ve Andriamanitra Amin’ny Fotoana Rehetra?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Nahoana ny fanahy masina no antsoin’ny Baiboly hoe tanan’Andriamanitra?

“Inona moa ny Fanahy Masina?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Tsy nino ny lehilahy jamba iray hoe tia azy Andriamanitra. Inona no nampiova hevitra azy?

“Afaka Manampy Olona Aho na dia Jamba Aza” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 2015)

a Ny fanahy masina no tiana holazaina amin’ilay hoe ‘fofonaina’ ao amin’ny Salamo 33:6.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara