FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lff lesona 24
  • Iza ny Anjely ary Inona no Ataony?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza ny Anjely ary Inona no Ataony?
  • Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ANDAO HOHALALININTSIKA
  • FAMINTINANA
  • JEREO KOA IRETO
  • Ny Anjely Tsara sy ny Anjely Ratsy
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Misy Heriny eo Amintsika ve ny Anjely?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Ny Anjely Tsara sy ny Anjely Ratsy
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Mahery Noho ny Demonia i Jesosy
    Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
Hijery Hafa
Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
lff lesona 24
Lesona 24. Tsangambato mampiseho anjely iray.

LESONA 24

Iza ny Anjely ary Inona no Ataony?

Endrika Sary
Endrika Sary
Endrika Sary

Tian’i Jehovah hahafantatra ny fianakaviany any an-danitra isika. Anisan’ny fianakaviany ny anjely. Antsoina hoe “zanak’Andriamanitra” izy ireo. (Joba 38:7) Inona no lazain’ny Baiboly momba ny anjely? Inona no ataon’izy ireo? Ary ny anjely rehetra ve no anisan’ny fianakavian’Andriamanitra?

1. Iza ny anjely?

Namorona ny anjely i Jehovah talohan’ny namoronany ny tany. Tsy hita maso izy ireo ary mipetraka any an-danitra, hoatran’i Jehovah ihany. (Hebreo 1:14) An-tapitrisany ny anjely ary samy manana ny maha izy azy. (Apokalypsy 5:11) “Manatanteraka ny [baikon’i Jehovah] sy mankatò ny teniny” izy ireo. (Salamo 103:20) Naniraka anjely i Jehovah taloha mba hitondra hafatra, na hanampy sy hamonjy ny vahoakany. Manampy ny Kristianina koa ny anjely amin’izao andro izao, ka mitarika azy ireo ho any amin’ny olona te hianatra momba an’Andriamanitra.

2. Iza i Satana sy ny demoniany?

Nivadika tamin’i Jehovah ny anjely sasany. “Antsoina hoe Devoly sy Satana” ilay anjely voalohany nivadika, ary “mamitaka ny tany manontolo” izy. (Apokalypsy 12:9) Te ho mpitondra i Satana, ka nitarika an’i Adama sy Eva tsy hankatò an’i Jehovah. Nitarika anjely sasany tsy hankatò koa aza izy tatỳ aoriana, ary antsoina hoe demonia izy ireny. Noroahin’i Jehovah avy tany an-danitra i Satana sy ny demoniany, ary nalefany tetỳ an-tany. Horinganiny izy ireo amin’ny hoavy.​—Vakio ny Apokalypsy 12:9, 12.

3. Ahoana no ataon’i Satana sy ny demonia mba hamitahana ny olona?

Mamitaka olona be dia be i Satana sy ny demonia, ka mampirisika azy ireo hanao zavatra misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina. Ny olona sasany, ohatra, mankany amin’ny mpanandro, mpilaza ny hoavy, na mpilalao ody. Ny hafa indray mijery tononandro na manaraka fitsaboana misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina. Misy koa voafitaka ka mieritreritra hoe mbola afaka miresaka amin’ny maty izy. Mampitandrina antsika anefa i Jehovah hoe: “Aza mankany amin’ny mpamoha angatra na maka hevitra amin’ny mpilaza ny hoavy.” (Levitikosy 19:31) Te hiaro antsika amin’i Satana sy ny demoniany mantsy izy. Fahavalon’Andriamanitra izy ireo ary te hanisy ratsy antsika.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hojerentsika ireto: Inona ny zavatra tsara ataon’ny anjely? Nahoana no mampidi-doza ny manao zavatra misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina? Ary ahoana no atao raha te ho voaro amin’i Satana sy ny demonia?

Anjely iray mitarika Vavolombelon’i Jehovah roa mitory isan-trano.

4. Manampy ny olona hahafantatra an’i Jehovah ny anjely

Tsy mitory mivantana amin’ny olona ny anjely. Mitarika ny mpanompon’Andriamanitra kosa izy ireo mba ho any amin’ny olona te hianatra momba an’i Jehovah. Vakio ny Apokalypsy 14:6, 7, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Nahoana isika no mila ny fanampian’ny anjely rehefa mitory?

  • Afaka mitarika anao ho any amin’ny olona te hahalala an’izay lazain’ny Baiboly ny anjely. Mampahery anao ve izany? Nahoana?

Zavatra isan-karazany misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina: Hazo fisaka natao hanontaniana ny demonia, baolina kristaly, boky momba ny vampira, karatra famantarana ny hoavy, saribakoly famosaviana, emboka, ody fiaro, ary ody mahatsara vintana.

5. Aza manao zavatra misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina

Fahavalon’i Jehovah i Satana sy ny demonia. Fahavalontsika koa izy ireo. Vakio ny Lioka 9:38-42, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Ataon’ny demonia ahoana ny olona?

Tsy avelantsika hifandray amintsika mihitsy ny demonia. Vakio ny Deoteronomia 18:10-12, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Ahoana no ataon’ny demonia mba hifandraisana amintsika sy hahatonga antsika hanao izay tiany? Inona no fanaon’ny olona etỳ aminareo?

  • Mandrara antsika tsy hanao zavatra misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina i Jehovah. Mahasoa antsika ve izany, araka ny hevitrao? Nahoana?

Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.

VIDEO: ‘Tohero ny Devoly’ (5:02)

  • Araka ny hevitrao, mampidi-doza ve ilay ody fiaro teo amin’ny tanan’ny zanak’i Palesa? Nahoana?

  • Inona no tsy maintsy nataon’i Palesa mba ho voaro amin’ny demonia izy?

Nanohitra ny demonia foana ny tena Kristianina hatramin’izay. Vakio ny Asan’ny Apostoly 19:19 sy ny 1 Korintianina 10:21, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Raha manana zavatra misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina ianao, nahoana ilay izy no mila potehina?

Vehivavy iray mandoro zavatra isan-karazany misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina.

6. Afaka mandresy an’i Satana sy ny demoniany ianao

I Satana no mitarika ny demonia. I Mikaela arkanjely kosa no mitarika ny anjely tsy mivadika. Anarana hafa iantsoana an’i Jesosy izy io. Hoatran’ny ahoana ny herin’i Mikaela? Vakio ny Apokalypsy 12:7-9, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Iza no mahery kokoa: I Mikaela sy ny anjeliny sa i Satana sy ny demoniany?

  • Araka ny hevitrao, tokony hatahotra an’i Satana sy ny demoniany ve ny mpanara-dia an’i Jesosy?

Afaka mandresy an’i Satana sy ny demoniany ianao. Vakio ny Jakoba 4:7, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no azonao atao mba ho voaro amin’i Satana sy ny demoniany ianao?

MISY MITENY HOE: “Tsy mampaninona ny mijery filma na manao lalao video misy resaka herin’ny maizina. Fialam-boly fotsiny ilay izy.”

  • Nahoana no mampidi-doza ny mieritreritra hoatr’izany?

FAMINTINANA

Manampy antsika ny anjely tsy mivadika. Fahavalon’i Jehovah kosa i Satana sy ny demoniany. Fitahin’izy ireo ny olona ka ampirisihiny hanao zavatra misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina.

Famerenana

  • Inona no ataon’ny anjely tsy mivadika mba hanampiana ny olona hahafantatra an’i Jehovah?

  • Iza i Satana sy ny demoniany?

  • Nahoana ianao no tsy te hanao zavatra misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina mihitsy?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Inona no porofo hoe i Jesosy no Mikaela arkanjely?

“Iza i Mikaela Arkanjely?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Inona no porofo hoe tena misy ny Devoly fa tsy toetra ratsy ao anatintsika fotsiny?

“Tena Misy ve ny Devoly?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Inona no nataon’ny vehivavy iray mba tsy hifandraisana amin’ny demonia intsony?

“Nahita Zava-kendrena teo Amin’ny Fiainana Izy” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 1993)

Mamitaka ny olona i Satana ka mampirisika azy ireo hanao zavatra misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina. Ahoana no ataony?

“Ny Marina Momba ny Famosaviana sy Fanaovana Ody” (Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?, fizarana 5)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara