FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Ny Anaran’Andriamanitra”
  • Ny Anaran’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Anaran’Andriamanitra
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Jehovah
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ny anaran’Andriamanitra sy ny “Testamenta Vaovao”
    Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay
  • A4 Ny Anaran’Andriamanitra ao Amin’ny Soratra Hebreo
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Nahoana no Misy Tsy Mahalala Tsara An’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Ny Anaran’Andriamanitra”

FANAZAVANA MAHALIANA

Ny Anaran’Andriamanitra

JEHOVAH no anaran’ilay Tompo Fara Tampony eo amin’izao rehetra izao. Izy ihany no nifidy ny anarany. Manana anaram-boninahitra maro be izy. Miverina imbetsaka noho ireny anefa ireo Litera Hebreo Efatra (fanoratana ny anaran’Andriamanitra) ao amin’ny Soratra Hebreo, satria miverina efa ho im-7000. Io anarana io no mampiavaka an’ilay tena Andriamanitra amin’ny andriamani-kafa rehetra, anisan’izany ireo nataon’olombelona. Tokony hahalala sy hanaja ary hanamasina azy io àry ny zavaboary manan-tsaina rehetra.

[Sary, pejy 324]

Fomba samy hafa nanoratana ny anaran’Andriamanitra tamin’ny teny hebreo

I Jehovah no Mpamorona ny lanitra sy ny tany (Ge 2:4), ilay Andriamanitra sy Rain’i Jesosy Kristy (Mt 4:10; Jn 20:17), ary Ilay nampanantena “lanitra vaovao sy tany vaovao” hitoeran’ny fahamarinana.​—Is 65:17, 25; 2Pe 3:13.

Mahavariana fa tsy hita ao amin’ny Baiboly maro ny anaran’Andriamanitra. Fa nahoana? Satria ninonino foana ny Jiosy hoe tsy tokony hotononina ilay anarana. Tsy nety nanonona azy io intsony àry izy ireo, ary nesorina tsy ho ao amin’ireo sora-tanana grikan’ny Soratra Masina izy io. Novan’ny ankamaroan’ny Baiboly hoe “Tompo” sy “Andriamanitra” ilay anarana, tatỳ aoriana. Mahagaga fa ilay anarana lehibe indrindra hoe Jehovah ihany no novana toy izany ao amin’ny Baiboly.

Tena mila mahalala ny anaran’Andriamanitra anefa ny olon-drehetra. (Ro 10:13) Tsy ampy anefa izany, fa ilaina koa ny mahalala ny toetrany sy miaina mifanaraka amin’ny fikasany mifandray amin’io anarana io. Andraikitry ny mpanompon’ilay tena Andriamanitra ny mampahafantatra an’io anarana io, toy ny nataon’i Jesosy. (Jn 17:6, 26) Mampanantena i Jehovah fa hotahiny izay mahalala sy mampiasa ary manaja an’ilay anarany be voninahitra.​—Sl 91:14.

[Sary, pejy 324]

Novana ny Baiboly. Araka ny hita eto, dia ahitana ny anaran’Andriamanitra ny sora-tanana hebreo (Kôdeksa Aleppo, ambany, havia) ao amin’ny De 32:3, 6. Misy an’ilay anarana amin’ny teny hebreo koa ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (P. Fouad Inv. 266, eo afovoany), ao amin’ireo andininy ireo ihany. Mariho anefa fa tsy ahitana an’ilay anarana ireo andininy ireo, ao amin’ny Kôdeksa Alexandrinus (ambony, havanana) tamin’ny taonjato fahadimy. Tsy nadika ilay anarana, fa novana an’ilay fanafohezana ny teny grika hoe Kyriôs (Tompo)

Asehon’ny porofo hafa ivelan’ny Baiboly fa fampiasan’ny olona taloha ny anaran’Andriamanitra

[Sary, pejy 325]

Vato Moabita, tamin’ny taonjato fahafolo T.K. Porofoin’izy io fa na ny firenena mpanompo sampy teny akaikin’i Israely aza nahalala an’ilay anarana hoe Jehovah. Eo amin’ny andalana faha-18 ny Litera Efatra

[Sary, pejy 325]

Vakin-tanimanga hita tany Arada any Joda, misy soratra miantomboka amin’ny hoe: “Ho an’i Eliasiba tompoko: Hanome fiadanana anao anie i Jehovah!”, sy mifarana amin’ny hoe: “Monina ao an-tranon’i Jehovah izy.” Natao tamin’ny taonjato fahafito T.K. izy io

[Sary, pejy 325]

Vakin-tanimanga II avy any Lakisy nosoratana tamin’ny taonjato fahafito T.K. angamba. Indroa miverina eo ireo Litera Efatra (fanoratana ny hoe Jehovah)

[Sary, pejy 325]

Fasana hita tany amin’ny 35 km teo ho eo atsimoandrefan’i Jerosalema, tamin’ny 1961. Misy soratra eo amin’ny rindrina hoe: “I Jehovah no Andriamanitry ny tany manontolo.” Nosoratana tamin’ny taonjato fahavalo T.K. tany ho any angamba izy io

Misy an’ireo Litera Hebreo Efatra ireto sombin-taratasy avy amin’ny sora-tanana grika fahiny ireto

[Sary, pejy 326]

Misy an’ireo Litera Efatra ny ampahany amin’ny Deoteronomia, ao amin’ireo sombin-taratasy avy amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (Fouad Inv. 266) tamin’ny taonjato voalohany T.K. ireo. Mbola nahitana an’ireo Litera Efatra ny sasany tamin’ireo Fandikan-tenin’ny Fitopolo natao taonjato maro tatỳ aoriana. Midika izany fa nisy ny anaran’Andriamanitra ny Soratra Hebreo sy ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo nampiasain’i Jesosy Kristy sy ny mpianany. Azo antoka àry fa nampiasa ny anaran’Andriamanitra ireo nanoratra ny Soratra Grika Kristianina, indrindra rehefa nisy an’ireo Litera Efatra ny andinin-teny nalainy avy tao amin’ny Soratra Hebreo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara