FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Zavamaniry Resahin’ny Baiboly”
  • Zavamaniry Resahin’ny Baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Zavamaniry Resahin’ny Baiboly
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Hazo Oliva Mirobona ao An-tranon’ Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Oliva
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Rano Mivolombolamena any Amin’ny Faritr’i Mediterane
    Mifohaza!—2008
  • Mbola Hitsimoka Indray ve ny Hazo Raha Tapahina?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Zavamaniry Resahin’ny Baiboly”

FANAZAVANA MAHALIANA

Zavamaniry Resahin’ny Baiboly

EFA ho zato ny zavama-niry sy hazo resahin’ny Baiboly, ka anisan’izany ny oliva, amandie, kapra, ary antrendry. Manampy antsika hahazo ny hevitry ny andinin-teny sasany ny fahafantarana azy ireo.

Diniho, ohatra, ny hazo oliva izay anisan’ny zavamaniry nilaina indrindra fahiny. Tena mafy ary velona an-jatony taona io hazo tsara tarehy io, izay matetika no miolikolika sy misy faritra boribory mivohibohitra. Efa ela ny Baiboly no niresaka azy io. Ilay ‘ravin’oliva mbola maitso teny am-bavan’ilay’ voromailala niverina tany amin’i Noa tao amin’ny sambofiara, ohatra, no nahalalany fa nihena ny rano taorian’ny Safodrano.​—Ge 8:11.

[Sary, pejy 543]

Hazo Oliva

Niresaka an-kolaka ny lafiny sasany mampiavaka ny hazo oliva ny mpanao salamo. Hoy izy tamin’ireo matahotra an’i Jehovah: “Ny zanakao ho toy ny sampan’oliva manodidina ny latabatrao.” (Sl 128:1-3) Sampan’oliva notapahina no ambolena ka ahazoana hazo vaovao matetika. Mety ho ny tsimoka avy amin’ny fakan’ny hazo efa antitra koa no lasa hazo vaovao. Hanodidina an-drainy toy ireny tsimoka ireny ny zanaka, ka ho sambatra ilay fianakaviana.

Be mpitia ny menaka azo tamin’ilay hazo maitsoririnina. Anisan’ny foto-tsakafon’ny Israelita izy io, ary fanosotra tamin’ny vatana sy tarehy. Akora fandrehitra koa izy io, ary entana sarobidy. Nohosorana azy io ny ratra sy mangana mba tsy hanaintaina. (Lk 10:33, 34) Mampitony sy mamelombelona koa ny fanosorana menaka oliva amin’ny loha. Tokony hivavaka ho an’ny marary ara-panahy àry ny anti-panahin’ny fiangonana kristianina, ka “hanosotra menaka azy amin’ny anaran’i Jehovah”, izany hoe hampitony sy hanitsy ary hamelombelona azy amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra.​—Jk 5:13-15.

[Sary, pejy 543]

Fiandrilavenona

[Sary, pejy 543]

Komina mainty

[Sary, pejy 543]

Felana kapra

[Sary, pejy 544]

Anisan’ny hazo mamoa voalohany indrindra any Israely ny amandie. Be mpitia ny voany

[Sary, pejy 544]

Angivimbazaha anisan’ny fianakaviamben’ny ovy; mitovy habe amin’ny paiso ny voany mavo

[Sary, pejy 544]

Noharin’ilay Solemita tamin’ny antrendry eo amin’ny tangozany ny volon’ilay mpiandry ondry tiany

[Sary, pejy 544]

Zozoro, zavamaniry any anaty rano, fanaovana taratasy papyrus

[Sary, pejy 544]

Rongony, fanaovana lamba rongony

[Sary, pejy 544]

Karazana balsama mamokatra menaka manitra

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara