FANAZAVANA MAHALIANA
Tempoly Naorin’i Solomona
Nanorina tempoly i Solomona, rehefa azon’ny Israely ilay tanàna hametrahan’i Jehovah ny anarany tao amin’ny Tany Nampanantenaina. I Jehovah no nanao ny “planin’ny zava-drehetra”, ary azon’i Davida rain’i Solomona “teo ambany herin’ny fanahy masina” izany. (1Ta 28:11, 12) Lehilahy 180 000 mahery no nanao an’ilay tempoly nandritra ny fito taona sy tapany. Vita tamin’ny 1027 T.K. ilay izy. (1Mp 5:13-16; 6:1, 38) Tandindon’ny “tena tranolay”, dia ny tempoly ara-panahin’i Jehovah, ny tempoly sy ny tranolay masina.—He 8:1-5; 9:2-10, 23.
KISARY: Planin’ny tempoly sy ny tokotany anatiny
Tena kanto ilay tempoly rehefa jerena ny tao anatiny. Hazo sedera no nanaovana ny rindrina anatiny, ary noravahana sarina kerobima sy hazo palmie ary felam-boninkazo natao sokitra. Nopetahana takela-bolamena sy noravahana vatosoa ny rindrina sy ny valindrihana