FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Fanjakana Medianina-Persianina”
  • Fanjakana Medianina-Persianina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanjakana Medianina-Persianina
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Persa, Persianina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fizarana 4: Ny Empira mediana sy persiana: Herim-panjakana fahefatra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Ahasoerosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Artaksersesy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Fanjakana Medianina-Persianina”

FANAZAVANA MAHALIANA

Fanjakana Medianina-Persianina

RESAHIN’NY Baiboly imbetsaka ny Medianina sy Persianina, satria namela ny olona hanaraka izay fivavahana tiany ka nanatanteraka faminaniana.

Navelan’i Jehovah hoentina ho babo tany Babylona ny Jiosy. Tsy mba nanafaka an’ireo olona azony babo mihitsy ny Babylonianina. Naminany anefa Andriamanitra fa mbola hiverina any amin’ny taniny ny Jiosy. (Je 27:22; 30:3) Nanatanteraka izany fikasan’i Jehovah izany tokoa ny Medianina-Persianina, izay oharin’ny Baiboly amin’ny orsa.​—Da 7:5.

Taoriana kelin’ny nandresen’i Kyrosy Persianina an’i Babylona, dia namoaka didy izy hoe mahazo mody sy manorina indray ny tempolin’i Jehovah, ireo Jiosy babo. (Ezr 1:2-4) Nanamafy izany didy izany i Dariosy I tatỳ aoriana. (Ezr 6:1-11) I Ahasoerosy Mpanjaka (azo inoana fa i Ksersesy I) indray nanao sonia an’ilay didy nampandamòka tetika handripahana ny Jiosy, rehefa nampahafantarina azy ny marina. (Es 7:3–8:14) Nanome alalana an’i Nehemia hanorina indray ny mandan’i Jerosalema i Artaksersesy Lava Tanana tamin’ny 455 T.K. Nanomboka teo ny fanisana an’ilay daty hahatongavan’ny Mesia.​—Ne 2:3-8; Da 9:25.

TANÀNA LEHIBE

Pasargades: Renivohitr’i Persa fahiny

Sosana: Renivohitr’i Elama fahiny, izay lasa foiben’ny raharaham-panjakan’ny Medianina-Persianina

Persepolisy: Tanànan’ny mpanjaka naorin’i Dariosy I sy Ksersesy I ary Artaksersesy Lava Tanana

Ekbatana: Falehan’ny mpanjaka rehefa vanin-taona mafana; renivohitr’i Media fahiny

Babylona: Tanàna falehan’ny mpanjaka rehefa ririnina, satria nahamay be ny vanin-taona mafana

Gaugamèles: Toerana nandresen’i Aleksandra Lehibe ny tafik’i Dariosy III tamin’ny 331 T.K. Nifarana hatreo ny Fanjakana Medianina-Persianina

[Saritany, pejy 327]

SARITANY: Fanjakana Medianina-Persianina

[Sary, pejy 328]

Sary mivohitra ahitana Medianina (manao satro-bory) sy Persianina (manao satroka misy mivalombalona)

[Sary, pejy 328]

Hamadàna (any Iran) ankehitriny, nisy an’i Ekbatana. Nisy lapan’i Kyrosy Lehibe tao. Tsara fanahy tamin’ny Jiosy izy, satria navelany hanaraka izay fivavahana tiany izy ireo

[Sary, pejy 328]

Varingarin’i Kyrosy: Tanimanga mirefy 23 sm, misy soratra mitantara ny nandreseny an’i Babylona sy ny nanafahany an’ireo natao sesitany

[Sary, pejy 328]

Tombo-kase varingarina an’i Dariosy I. Hita eo hoe mihaza liona izy ary eo amboniny eny amin’ny habakabaka i Ahoura Mazda andriamaniny. Nanampy an’ireo Jiosy hanorina indray ny tempolin’i Jerosalema i Dariosy

[Sary, pejy 329]

Sisa tavela tamin’i Persepolisy. Nisy lapa naorin’i Dariosy I sy Ksersesy I ary Artaksersesy Lava Tanana tao

[Sary, pejy 329]

Sisa tavela tamin’i Persepolisy. Nisy lapa naorin’i Dariosy I sy Ksersesy I ary Artaksersesy Lava Tanana tao

[Sary, pejy 329]

Sisa tavela tamin’i Persepolisy. Nisy lapa naorin’i Dariosy I sy Ksersesy I ary Artaksersesy Lava Tanana tao

[Sary, pejy 329]

Sisa tavela tamin’i Persepolisy. Nisy lapa naorin’i Dariosy I sy Ksersesy I ary Artaksersesy Lava Tanana tao

[Sary, pejy 330]

Fikarohana ny any ambanin’ny tany natao teo amin’ilay nisy an’i Sosana

[Sary, pejy 330]

Haingon-trano fahita tao amin’ilay efitra fandraisana olona tao an-dapan’i Sosana

[Sary, pejy 331]

Mordekay sy Estera eo anoloan’i Ahasoerosy Mpanjaka (azo inoana fa i Ksersesy I)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara