FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Tyro”
  • Tyro

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tyro
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Manampy Antsika Hatoky Kokoa ny Tenin’i Jehovah ny Faminaniana Momba An’i Tyro
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2017
  • Tyro
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nampietry ny Fiavonavonan’i Tyro i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Tyro”

FANAZAVANA MAHALIANA

Tyro

TANTERAKA foana ny faminanian’ny Baiboly. Resy tokoa i Tyro, ilay tanàna amoron-tsiraka ary avy eo rava ilay tanàna teo amin’ilay nosy.

[Saritany, pejy 531]

SARITANY: Tyro

Nifandray tsara i Israely sy Tyro tamin’ny andron’i Davida sy Solomona. (1Ta 14:1; 1Mp 9:10, 11) Mpivavaka tamin’i Melkart sy Astarta anefa ny mponin’i Tyro, ary ny raharaham-barotra no tena nimasoany. Lasa nirehareha i Tyro rehefa nanan-karena, ka nihantsy ady tamin’i Jehovah. Nilaza àry ny mpaminanin’i Jehovah fa hisy loza hanjo azy.

Nataon’i Nebokadnezara II fahirano ilay tanàna. Naharitra ela ilay izy, ka nety ho nisy nieritreritra hoe tsy tokony ho notohizina intsony. Nikiry ihany anefa i Nebokadnezara, ka resiny i Tyro rehefa afaka 13 taona. Notanterahiny àry ny faminanian’ny Baiboly izay efa nilaza fa izy no handresy azy io.​—Ezk 26:7-12.

Naminany koa i Zakaria tatỳ aoriana fa ho rava ny tanànan’i Tyro teo amin’ilay nosy. Ny sisan-javatra tamin’ilay tanàna fahiny no nanaovan’i Aleksandra Lehibe lalana hiampitana teny amin’ilay nosy. Nanangana tilikambo avo be fanaovana fahirano koa izy. Tanteraka àry ilay faminaniana, na dia avo be (46 m) aza ny mandan’i Tyro.​—Za 9:3, 4; Ezk 26:4, 12.

[Sary, pejy 531]

Tyro sy ny faritra manodidina an’ilay lalana niampitana teny amin’ilay nosy, raha jerena avy eny ambony. Efa tototra be izao ilay lalana

[Sary, pejy 532]

Sederan’i Libanona. Nanome hazo sedera i Hirama mpanjakan’i Tyro mba hanorenana ny tempoly tao Jerosalema

[Sary, pejy 532]

Entam-barotra tany Tyro fahiny: Ivoara, menaka, metaly sarobidy, vatan-kazo, ary lamba miloko volomparasy somary mena

[Sary, pejy 532]

Hoatran’io ny sambo nitondrana entam-barotra tany Tyro fahiny

[Sary, pejy 532]

Vola madinika misy ny sarin’i Melkart, anisan’ny andriamanitr’i Tyro fahiny

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara