FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Toerana Nalehan’i Abrahama”
  • Toerana Nalehan’i Abrahama

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Toerana Nalehan’i Abrahama
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Topy Maso Amin’ny Fiainan’i Jakoba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Abrahama
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ny Tanin’ny Razamben’ny Jiosy
    ‘Jereo Ilay Tany Soa’
  • Mamre
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Toerana Nalehan’i Abrahama”

FANAZAVANA MAHALIANA

Toerana Nalehan’i Abrahama

TENA mahaliana antsika ny fiainan’i Abrahama, satria izy no nilazan’i Jehovah hoe: “Ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany dia hanao izay hahazoany fitahiana amin’ny alalanao.” Tsy maintsy noporofoin’i Abrahama anefa hoe nanam-pinoana sy nankatò an’Andriamanitra izy, raha tiany ny hitana an’io anjara asany ao amin’ny fikasan’Andriamanitra io.​—Ge 12:1-3; As 7:2, 3.

Midika izany fa handao ny tranony sy ny havany tao Ora i Abrahama, ary tsy hiverina intsony ao amin’io tanàna nandroso io. Nandeha an-tongotra 960 km teo ho eo nankany Harana izy, ary nampiasa fitaterana faran’izay tsotra. Niampita ny Reniranon’i Eofrata izy tamin’ny 14 Nisana 1943 T.K., ary nianatsimo. Tonga hatrany amin’ny faritra afovoany amin’i Kanana izy tamin’ny farany, ary 1650 km teo ho eo ny tontalin’ny lalana nalehany.

Tamin’ny fotoana voatondron’i Jehovah, dia nataony teraka ho olombelona avy tamin’ny taranak’i Abrahama i Jesosy, ilay Zanany avy tany an-danitra. Afaka ny hahazo fiainana mandrakizay isika noho i Jesosy, ary fitahiana ho antsika izany.

TOERANA SY TANÀNA: Andinin-teny misy azy

Ay

Ge 12:8; 13:3, 4

Beri-sheba

Ge 21:31-33; 22:19

Betela

Ge 12:8

Damaskosy

Ge 14:15

Dana

Ge 14:14

Gerara

Ge 20:1-18

Gomora

Ge 18:20, 21

Harana

Ge 11:32; 12:4, 5

Hebrona

Ge 13:18

Hoba

Ge 14:15, 16

Mamre

Ge 13:18; 18:1-33; 25:9, 10

Moria

Ge 22:2-18

Negeba

Ge 12:9; 13:1

Sekema

Ge 12:6, 7

Sora

Ge 16:7-12

Sodoma

Ge 19:24

Ora

Ge 11:31

[Saritany, pejy 330]

SARITANY: Abrahama

[Sary, pejy 331]

Reniranon’i Eofrata. Niampita an’io renirano io i Abrahama, azo inoana fa teo atsimon’ity toerana ity, teo akaikin’i Karkemisy

[Sary, pejy 331]

Galilia Ambony. Io ilay tany hitan’i Abrahama tamin’izy nianatsimo nankany Sekema

[Sary, pejy 331]

Tendrombohitra Gerizima (havia) sy Tendrombohitra Ebala (havanana), any Sekema. Teo amin’io lohasaha io i Jehovah no nampanantena an’i Abrahama hoe: “Ny taranakao no homeko ity tany ity.” (Ge 12:6, 7)

[Sary, pejy 331]

Hebrona ankehitriny. Tsy lavitra teo i Abrahama no nanorina alitara ho an’i Jehovah (Ge 13:18)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara