FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Faritanin’i Galilia”
  • Faritanin’i Galilia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Faritanin’i Galilia
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Galilia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Manodidina ny Ranomasin’i Galilia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nanatanteraka Faminaniana ny Mesia
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2016
  • Kapernaomy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Faritanin’i Galilia”
[Sary, pejy 737]

Lemaka lonak’i Jezirela, ary tazana erỳ aoriana ankavia ny Tendrombohitra Tabara

FANAZAVANA MAHALIANA

Faritanin’i Galilia

FARITANY nanan-karena sy be mponina, tany amin’ny ilany avaratr’i Palestina, tamin’ny andron’ny Baiboly. Mbola kanto iny toerana iny: Manga mahafinaritra ny Ranomasin’i Galilia, mitomandavana ireo havoana eny amin’ny ilany avaratra, ary mahavokatra erỳ ny tany lemaka. Tao amin’io faritra kanto io i Jesosy no nandany ny androatokom-piainany teto an-tany, satria any Galilia no misy an’i Nazareta, tanàna nahabe azy.​—Mt 2:21-23; Lk 2:51, 52.

Saika mpamboly, mpiompy, mpiandry ondry, ary mpanarato avokoa ny Galilianina, ary ahitana taratra izany ny ankamaroan’ny fanoharana nampiasain’i Jesosy. Nambanin’ny Fariseo sy ny lehiben’ny mpisorona tany Jerosalema ny olon-tsotra tany Galilia, satria nazoto niasa mafy. Mora fantatra tamin’ny fomba fiteniny ny Galilianina.​—Mt 26:73.

Tany amin’ny faritanin’i Galilia no nitranga ny ankamaroan’ireo zavatra niavaka teo amin’ny fanompoan’i Jesosy. Teo amin’ny tehezan-tendrombohitra iray tany akaikin’i Kapernaomy, ohatra, i Jesosy no nanao an’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. (Mt 5:1, 2) Nanao fahagagana izy tany Galilia, ka nanasitrana olona maro.​—Mr 1:32-34; 6:53-56; Jn 4:46-54.

Ahoana no nandraisan’ny olona tany Galilia ny fitorian’i Jesosy sy ny fahagagana nataony? Tamin’ny voalohany, ny olona dia “gaga noho ny teny mahafinaritra naloaky ny vavany”, tamin’izy nitory tao Nazareta, tanàna nahabe azy. Nitady hamono azy anefa izy ireo, rehefa nampitovin’i Jesosy tamin’ireo Israelita tamin’ny andron’i Elia sy Elisa. (Lk 4:22-30) Nandray tsara ny fitorian’i Jesosy ny ankamaroan’ny Galilianina na izany aza: Galilianina ireo olona voalohany lasa mpianany, ary Galilianina daholo ny apostoliny (afa-tsy i Jodasy Iskariota ihany angamba). (Mt 4:18-22; Lk 6:12-16) Galilianina koa ireo mpianatra 120 teo ho eo, izay nahazo fanahy masina tamin’ny Pentekosta taona 33.​—As 1:15; 2:1-7.

[Saritany, pejy 738]

SARITANY: Faritanin’i Galilia, Sarintany nalaina tamin’ny zanabolana

[Sary, pejy 738]

Tanàna ravan’i Kana: Tao i Jesosy no nanova rano ho divay tsara (Jn 2:1-11)

[Sary, pejy 738]

Tanànan’i Naina ankehitriny: Faly be ny mpitondratena iray tao rehefa natsangan’i Jesosy tamin’ny maty ny zanany lahy (Lk 7:11-17)

[Sary, pejy 739]

Tanàna ravan’i Kapernaomy, eo avaratrandrefan’ny Ranomasin’i Galilia: Tao amin’io faritra io i Jesosy no nifidy mpanarato sy mpamory hetra mba ho apostoliny (Mt 4:18-22; 9:9)

[Sary, pejy 739]

Tiberiasy: Nonina tao i Heroda Antipasy, lehibem-paritra, ary mety ho tao koa no novonoina i Jaona Mpanao Batisa (Mr 6:21-28)

[Sary, pejy 739]

Tanàna ravan’i Korazina: Nanameloka an’io tanàna io i Jesosy satria tsy nibebaka ny mponina tao (Lk 10:13)

[Sary, pejy 739]

Lemak’i Genesareta, tena mahavokatra: Tao i Jesosy no nanao fahagagana ka nanasitrana olona maro (Mt 14:34-36)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara