FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Apolyona”
  • Apolyona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Apolyona
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Abadona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Jesosy Kristy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Lavaka Mangitsokitsoka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Kapernaomy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Apolyona”

APOLYONA

(Apôlyôna) [Mpandringana].

Teny grika nandikan’ny apostoly Jaona ny teny hebreo hoe “Abadona”, ao amin’ny Apokalypsy 9:11. Midika hoe “Mpandringana” izy io, ary iantsoana an’ilay “anjelin’ny lavaka mangitsokitsoka.” Boky maro no milaza fa anjely na hery ratsy i Apolyona. Anjely irahin’Andriamanitra hitondra loza ho an’ny fahavalony anefa no resahin’ny Apokalypsy.

Ilazana an’izay ataon’Andriamanitra, ohatra, ny matoanteny hoe apôllymi ao amin’ny Jakoba 4:12, manao hoe: “Iray monja ny mpanome lalàna sy mpitsara, dia ilay afaka mamonjy sy mandringana.” (Ampit. Mt 10:28.) Niaiky ny fanahy ratsy navoakan’i Jesosy tamin’ny lehilahy iray tao amin’ny synagogan’i Kapernaomy, fa irak’Andriamanitra i Jesosy. Hoy àry izy: “Misy zavatra iombonanay aminao angaha moa, ry Jesosy avy any Nazareta? Tonga mba handringana anay ve ianao?” (Mr 1:24; Lk 4:34) Nampitandrina an’ireo mpanohitra i Jesosy fa ho ringana izy ireo raha tsy mibebaka. (Lk 13:3-5; 20:16) Porofoin’ireo andininy ireo sy ny hafa àry fa i Kristy Jesosy nomem-boninahitra no Apolyona.​—Ampit. Ap 19:11-16; Lk 8:31; jereo koa ABADONA.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara